Toko 3
Zavatra Tsy Maintsy Hitranga Tsy ho Ela
1. Ahoana no hahatafavoaka anao rehefa hampiharina amin’ity tontolo ity ny didim-pitsaran’Andriamanitra?
TOKONY hahaliana anao tokoa ny zava-mitranga eto an-tany ankehitriny. Nahoana? Satria tsy maintsy hampiharina amin’ity tontolo ity ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Afaka ny ho tafavoaka amin’izany anefa ianao. Ho tafavoaka ianao, raha “tsy anisan’izao tontolo izao”, izay efa horavana. Tsy midika akory izany hoe tokony hitoka-monina ianao. Midika kosa izy io hoe manana fiainana tsara sy misy heviny ianao, nefa tsy mandray anjara amin’ny politika feno faharatsiana, sy ny varotra feno fitiavam-bola, ary ny fivavahana manala baraka an’Andriamanitra. Tsy maintsy manalavitra ny herisetra sy ny fitondran-tena maloto koa ianao, ary manaraka ny fitsipik’Andriamanitra sy miezaka manao ny sitrapony. (Jaona 17:14-16; Zefania 2:2, 3; Apokalypsy 21:8) Asehon’ny bokin’ny Apokalypsy fa tena ilaina ny miezaka amin’ireo lafiny ireo, ka manao fanovana eo amin’ny fiainana.
2. Inona no teny fampidiran’ny apostoly Jaona ny faminaniana lehibe ao amin’ny Apokalypsy, ary iza no nomen’Andriamanitra an’io hafatra mavesa-danja io?
2 Izao no teny fampidiran’ny apostoly Jaona an’ilay faminaniana lehibe: “Izay nahariharin’i Jesosy Kristy, sady nomen’Andriamanitra azy, mba hanehoany amin’ny mpanompony ny zavatra tsy maintsy hitranga tsy ho ela.” (Apokalypsy 1:1a) I Jesosy Kristy tafatsangana tamin’ny maty àry no nahazo io hafatra mavesa-danja avy tamin’Andriamanitra io. Tsy anisan’ny Andriamanitra telo izay iray i Jesosy, araka ny aseho eo, satria eo ambany fahefan’ny Rainy izy. Manaiky ny fahefan’i Jesosy Kristy kosa ireo ‘mpanompo’ eo anivon’ny fiangonana kristianina, ary ‘manaraka azy na aiza na aiza alehany.’ (Apokalypsy 14:4; Efesianina 5:24) Iza anefa ankehitriny no tena ‘mpanompon’Andriamanitra’, ary inona no soa raisin’izy ireo avy amin’ny Apokalypsy?
3. a) Iza ireo ‘mpanompo’ manaiky an’i Jesosy Kristy? b) Inona ilay asa ataon’ny ‘mpanompo’ mahatoky eo ambany fitarihan’ny anjely?
3 Milaza ny tenany ho anisan’ireo mpanompo ireo ny apostoly Jaona, izay nanoratra ny Apokalypsy. Izy no apostoly velona farany, ary anisan’ireo ‘mpanompo’ voahosotry ny fanahy voafidy ho any an-danitra, ka tsy ho faty intsony. An’arivony vitsivitsy amin’izy ireo sisa no mbola eto an-tany ankehitriny. Manana mpanompo hafa koa Andriamanitra, dia vahoaka be misy lehilahy sy vehivavy ary ankizy an-tapitrisany. Miaraka amin’ilay ‘mpanompo’ voahosotra izy ireo, eo ambany fitarihan’ny anjely, ka manambara ilay vaovao tsara mandrakizay amin’ny olombelona. Tena miasa mafy ireny ‘mpanompo’ ireny mba hanampiana ny manetry tena eto an-tany hahita ny famonjena! (Matio 24:14; Apokalypsy 7:9, 14; 14:6) Lazain’ny Apokalypsy ny zavatra tsy maintsy ataonao mba handraisan-tsoa amin’ilay vaovao tsara mahasambatra.
4. a) Nahoana i Jaona no niteny hoe “tsy maintsy hitranga tsy ho ela” ireo zavatra nolazainy, nefa efa 1 900 taona mahery lasa izay no nilazany izany? b) Inona no asehon’ny porofo ankehitriny momba ireo zavatra voalaza mialoha?
4 Nahoana i Jaona no niteny hoe “zavatra tsy maintsy hitranga tsy ho ela” no haseho an’ireo ‘mpanompo’ ireo, nefa efa 1 900 taona mahery lasa izay no nilazany izany? “Toy ny fandalon’ny omaly” ny arivo taona, amin’i Jehovah. Fotoana fohy àry ny 1 900 taona aminy, raha oharina amin’ny taona maro tsy hita isa namoronany sy nanomanany ny tany mba honenan’ny olombelona. (Salamo 90:4) Nanoratra ny apostoly Paoly fa ‘miandry fatratra sy manantena’ izy, satria efa kely sisa dia ho azony ny valisoany, araka ny fahitany azy. (Filipianina 1:20) Maro anefa ny porofo ankehitriny manamarina fa hitranga amin’ny fotoany avy ny zavatra rehetra voalaza mialoha. Mbola tsy notandindomin-doza toy ny amin’izao fotoana izao mihitsy ny fahaveloman’ny olombelona. Andriamanitra irery no manana ny vahaolana!—Isaia 45:21.
Mpampita hafatra
5. Ahoana no nampitana ny Apokalypsy tamin’ny apostoly Jaona sy tamin’ny fiangonana?
5 Hoy indray ny Apokalypsy 1:1b, 2: “Ary nirahin’i Jesosy ny anjeliny, ka famantarana no nanehoany izany [Apokalypsy] tamin’i Jaona mpanompony, tamin’ny alalan’ny anjeliny. Ary i Jaona kosa dia vavolombelona nanambara ny teny nomen’Andriamanitra sy ny fanambarana nataon’i Jesosy Kristy, dia ny zava-drehetra hitany.” Avy tamin’ny anjely mpitondra hafatra àry no nandraisan’i Jaona ilay hafatr’Andriamanitra. Nosoratany tamin’ny horonam-boky izany, ka nampitainy tamin’ireo fiangonana tamin’ny androny. Soa ihany fa notahirizin’Andriamanitra ho antsika izany, mba hampahery ireo fiangonana 100 000 eo ho eo misy an’ireo mpanompony miray saina eran-tany.
6. Iza no nolazain’i Jesosy fa hampiasainy hanome sakafo ara-panahy ho an’ny ‘mpanompony’ ankehitriny?
6 Nampiasa mpampita hafatra Andriamanitra tamin’ny andron’i Jaona, mba hanomezana ny Apokalypsy, ary anisan’ny mpampita hafatra teto an-tany i Jaona. Mampiasa mpampita hafatra koa Andriamanitra ankehitriny mba hanomezana sakafo ara-panahy ho an’ny ‘mpanompony.’ Niresaka momba izany i Jesosy, tao amin’ny faminaniana lehibe mahakasika ny faran’ity tontolo ity. Nilaza izy fa io mpampita hafatra io dia ny “mpanompo mahatoky sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara ny mpiasa an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety.” (Matio 24:3, 45-47) Mampiasa an’ireo voahosotra toa an’i Jaona izy mba hampahafantarana ny dikan’ilay faminaniana.
7. a) Inona no tokony ho vokatr’ireo famantarana ao amin’ny Apokalypsy eo amintsika? b) Efa hafiriana ny sasany amin’ireo voahosotra toa an’i Jaona ankehitriny no nandray anjara tamin’ny fahatanterahan’ireo fahitana ao amin’ny Apokalypsy?
7 Nanoratra ny apostoly Jaona fa nasehon’i Jesosy tamin’ny alalan’ny “famantarana” ny Apokalypsy. Tena mahaliana ny mandinika azy io. Feno zotom-po ireo mpandray anjara ao aminy, ka tokony hampirisika antsika hazoto hampahafantatra amin’ny olona ilay faminaniana sy ny heviny izany. Manome fahitana maro mahaliana ho antsika ny Apokalypsy. Nanatri-maso azy ireny i Jaona, ary nandray anjara tamin’izany mihitsy aza indraindray. Efa nandray anjara tamin’ny fahatanterahan’ireo fahitana nandritra ny am-polony taona ny sasany tamin’ireo voahosotra toa an’i Jaona ankehitriny. Sambatra koa izy ireo satria nampahafantarin’ny fanahin’Andriamanitra azy ny dikan’ireo fahitana, mba hanazavany izany amin’olon-kafa.
8. a) Inona no mampiavaka ireo fahitana ao amin’ny Apokalypsy? b) Ahoana no anampian’ny faminanian’i Daniela antsika hahafantatra hoe inona ireo biby ao amin’ny Apokalypsy?
8 Tsy milahatra araka ny fotoana isehoany ireo fahitana ao amin’ny Apokalypsy. Samy manana ny fotoana fahatanterahany izy ireo. Mifandray amin’ny faminaniana taloha ny maro amin’ireo fahitana, ka avy amin’izany no amantarana ny heviny. Miresaka biby efatra mampahatahotra, ohatra, ny faminanian’i Daniela, ary manazava fa fitondram-panjakana eto an-tany no tiana holazaina amin’izy ireny. Takatsika àry fa manondro fitondrana ara-politika ireo biby ao amin’ny Apokalypsy, anisan’izany ireo fitondrana misy ankehitriny.—Daniela 7:1-8, 17; Apokalypsy 13:2, 11-13; 17:3.
9. a) Inona no toe-tsain’i Jaona, ka nasehon’ireo sisa voahosotra? b) Inona no nolazain’i Jaona fa hahasambatra antsika?
9 Nanambara tamim-pahatokiana ny hafatra nomen’Andriamanitra azy tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy i Jaona. Noresahiny tamin’ny an-tsipiriany “ny zava-drehetra hitany.” Nitady tari-dalana avy amin’Andriamanitra sy Jesosy Kristy foana ireo voahosotra toa an’i Jaona, mba hahatakarana tsara ireo faminaniana sy hampahafantarana ny tsipirian’izany amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Nanoratra toy izao i Jaona, mba hahasoa ny fiangonan’ny voahosotra, sy ny vahoaka be iraisam-pirenena izay harovan’Andriamanitra mandritra ny fahoriana lehibe: “Sambatra izay mamaky mafy sy ireo mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny, fa antomotra ny fotoana voatondro.”—Apokalypsy 1:3.
10. Inona no tsy maintsy ataontsika momba ny Apokalypsy, raha tiantsika ny ho sambatra?
10 Tena handray soa ianao, raha mamaky ny Apokalypsy sy mampihatra ireo zavatra voasoratra ao. Hoy i Jaona tao amin’ny iray tamin’ireo taratasiny: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny, satria izay rehetra naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao. Izao no fandresena efa naharesy an’izao tontolo izao, dia ny finoantsika.” (1 Jaona 5:3, 4) Tena ho sambatra ianao, raha miezaka hanana finoana toy izany!
11. a) Nahoana no tsy maintsy ankatoavintsika haingana ireo tenin’ny faminaniana? b) Inona ilay fotoana tsy maintsy ho efa tena akaiky izao?
11 Tsy maintsy ankatoavintsika haingana ireo tenin’ny faminaniana, “fa antomotra ny fotoana voatondro.” Fotoana voatondro ho an’ny inona? Ho an’ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Apokalypsy, anisan’izany ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Efa akaiky ny fotoana hanatanterahan’Andriamanitra sy Jesosy Kristy ny didim-pitsarana farany amin’ny tontolon’i Satana. Nilaza i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany, fa ny Rainy ihany no mahalala “ny amin’izany andro na ora izany.” Nilaza mialoha momba ny olana maro misy amin’izao andro izao i Jesosy. Hoy koa izy: “Tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.” Tsy maintsy ho efa tena akaiky àry ny fotoana voatondro hanatanterahan’Andriamanitra ny didim-pitsarany. (Marka 13:8, 30-32) Hoy ny Habakoka 2:3: “Ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.” Tsy maintsy mankatò ny Teny faminanian’Andriamanitra isika, raha tiantsika ny ho voavonjy mandritra ny fahoriana lehibe.—Matio 24:20-22.
[Efajoro, pejy 15]
Ireto no ilaintsika, mba hahatakarana ny bokin’ny Apokalypsy:
● Mahazo ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah
● Mamantatra ny fotoana nanombohan’ny andron’ny Tompo
● Mamantatra hoe iza ny mpanompo mahatoky sy malina ankehitriny