NIKODEMOSY
(Nikôdemôsy) [Mpandresy Vahoaka].
Fariseo sady mpampianatra ny Israely, mpitondra teo amin’ny Jiosy (izany hoe anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy), ary tsy voaresaka afa-tsy ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona. Tena gaga i Nikodemosy rehefa nahita ny famantarana nataon’i Jesosy tany Jerosalema tamin’ny Paska taona 30. Nankany amin’i Jesosy àry izy, indray alina, ary niaiky fa tsy maintsy ho irak’Andriamanitra i Jesosy. (Natahotra an’ireo Jiosy angamba izy matoa tamin’ny alina no nankany voalohany.) Tamin’i Nikodemosy i Jesosy no nilaza an’ireto: Tsy maintsy “ateraka indray” ny olona raha te hahita ny Fanjakan’Andriamanitra; tsy nisy olona niakatra tany an-danitra; tia ny olombelona Andriamanitra ka naniraka ny Zanany ho etỳ an-tany; ary ilaina ny maneho finoana.—Jn 2:23; 3:1-21.
Roa taona sy tapany teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo, dia naniraka mpiambina ireo Fariseo mba hisambotra an’i Jesosy. Niverina tanam-polo anefa izy ireo, ary nambanin’ny Fariseo satria nilaza zavatra tsara momba an’i Jesosy. Sahy niteny toy izao i Nikodemosy tamin’izay: “Angaha moa ny lalàntsika manameloka olona, raha tsy efa re aloha ny teniny ka fantatra izay ataony?” Naneso azy ny Fariseo hafa tamin’izay. (Jn 7:45-52) Rehefa maty i Jesosy, dia niaraka tamin’ilay mpianatra saro-tahotra atao hoe Josefa avy any Arimatia i Nikodemosy, ary nitondra miora sy hazo manitra be dia be (t. 100 livatra romanina [33 kg]), mba hikarakarana ny fatin’i Jesosy talohan’ny nandevenana azy. Zavatra tena lafo vidy ireo. (Jn 19:38-40) Milaza ny lovantsofina hoe lasa mpianatr’i Jesosy i Nikodemosy taorian’izay, nesorina tsy ho anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy, noroahina tsy ho ao Jerosalema, maty maritiora, ary ny toy izany. Tsy misy porofo manamarina na mandiso izany anefa ao amin’ny Baiboly.