Ilay Fitsarana Nalaza Ratsy Indrindra Hatramin’izay
MBOLA tsy nisy fitsarana fahiny nalaza be toy izany hatramin’izay. Filazantsara efatra ao amin’ny Baiboly no mitantara amin’ny an-tsipiriany ny nisamborana sy nitsarana ary namonoana an’i Jesosy Kristy. Tokony ho liana amin’izany ianao. Nahoana? Voalohany, nasain’i Jesosy hahatsiaro ny nahafatesany ny mpanara-dia azy. Lasa tena zava-dehibe àry ny fitsarana azy, satria izany no nahatonga azy ho faty. Faharoa, tokony ho fantatsika raha marina tokoa ny fiampangana azy. Fahatelo, tena iankinan’ny aintsika sy ny hoavintsika ny nanolorany ny ainy an-tsitrapo.—Lioka 22:19; Jaona 6:40.
I Roma no nifehy an’i Palestina tamin’ny fotoana nitsarana an’i Jesosy. Navelan’ny Romanina hitsara an’ireo Jiosy araka ny lalàny ny mpitondra fivavahana jiosy, saingy toa tsy nomeny fahefana hamono mpanao heloka bevava. Ireo mpitondra fivavahana, izay fahavalony, àry no nisambotra an’i Jesosy, fa ny Romanina kosa no namono azy. Nanala baraka an’ireo mpitondra fivavahana mantsy ny fitoriany, ka nanapa-kevitra izy ireo fa tsy maintsy hovonoina izy. Tian’izy ireo hatao toy ny ara-dalàna anefa izany. Nandinika ny ezaka nataon’izy ireo tamin’izany ny mpampianatra lalàna iray, ka nilaza fa iny raharaha iny no “heloka ratsy indrindra teo amin’ny tantaran’ny fitsarana.”a
Tsy nanara-dalàna ilay fitsarana
Ny Lalàna nampitain’i Mosesy tamin’ny Israelita no nantsoina hoe “volavolan-dalàna tsara sy voalanjalanja indrindra hatramin’izay.” Tia namorona fitsipika tamin’ny zava-drehetra anefa ny raby tamin’ny andron’i Jesosy, ka nampian’izy ireo lalàna tsy ara-baiboly be dia be izy io. Noraketina tao amin’ny Talmoda ny ankamaroan’izy ireny tatỳ aoriana. (Jereo ny efajoro hoe “Ireo Lalàna Jiosy Fahiny”, ao amin’ny pejy 20.) Narahina ve anefa ireny lalàna ara-baiboly sy tsy ara-baiboly ireny rehefa notsaraina i Jesosy?
Raha tiana ho ara-dalàna ny fisamborana olona iray, dia tokony hitovy ny zavatra lazain’ny vavolombelona roa eo anatrehan’ny fitsarana, momba ny heloka vitany. Tany Palestina, tamin’ny taonjato voalohany, dia nila tonga isaky ny fitsarana mba hilaza ny fiampangany ny Jiosy iray, raha nino izy fa nandika lalàna ny olona iray. Tsy afaka niampanga olona ny fitsarana, fa nanadihady momba an’ilay fiampangana nentina tany aminy fotsiny. Ireo nanatri-maso ny heloka niampangana an’ilay olona ihany no afaka nitory. Natomboka ny fitsarana raha nitovy ny zavatra nolazain’ny vavolombelona roa, fara fahakeliny. Ny porofo nomen’izy ireo no niampangana an’ilay olona ka nisamborana azy. Tsy nety raha iray fotsiny ny vavolombelona. (Deoteronomia 19:15) Ahoana anefa ny an’i Jesosy? Ny manam-pahefana jiosy mihitsy no nitady “tetika mahomby” mba hamonoana azy. Nosamborina tamin’ny ‘fotoana nety tsara’ tamin’izy ireo izy, izany hoe tamin’ny alina sy tamin’ny ‘fotoana tsy nisy olona.’—Lioka 22:2, 5, 6, 53.
Tsy nisy zavatra niampangana an’i Jesosy tamin’izy nosamborina. Efa voasambotra izy vao nitady vavolombelona ny mpisorona sy ny Fitsarana Avo Jiosy. (Matio 26:59) Tsy nahita vavolombelona roa nanana porofo nitovy izy ireo. Tsy anjaran’ny fitsarana anefa ny nitady vavolombelona. Hoy i A. Innes, mpisolovava sady mpanoratra: “Fandikan-dalàna ny mitsara olona nefa mbola tsy nolazaina taminy akory hoe inona no heloka itsarana azy, indrindra raha iankinan’ny ainy ilay izy.”
Nentin’ny vahoaka tany an-tranon’i Anasy, mpisoronabe taloha, i Jesosy ka nohadihadiny. (Lioka 22:54; Jaona 18:12, 13) Tsy narahin’i Anasy ilay lalàna hoe amin’ny andro no itsarana olona nanao heloka mahafaty, fa tsy amin’ny alina. Tokony ho teo anoloan’ny fitsarana koa no nohadihadina izy, fa tsy natao an-tsokosoko. Fantatr’i Jesosy fa tsy nanara-dalàna i Anasy, ka hoy izy: “Fa nahoana no manontany ahy ianareo? Ireo nihaino ny teniko no anontanio fa ireny no mahalala izay nolazaiko.” (Jaona 18:21) Ireo vavolombelona no tokony ho nohadihadin’i Anasy, fa tsy ilay voampanga. Raha mpitsara nanao ny marina izy, dia tokony ho nandrisika azy hanara-dalàna ny tenin’i Jesosy. Tsy zava-dehibe taminy anefa izany.
Nofelahan’ny manam-pahefana iray i Jesosy noho ny valin-teniny, ary tsy izay ihany ny herisetra nanjo azy tamin’io alina io. (Lioka 22:63; Jaona 18:22) Milaza anefa ny lalàna momba ny tanàna fialokalofana, araka ny Nomery toko 35, fa tokony harovana mba tsy hisy hampijaly ny voampanga, mandra-pahitana hoe meloka tokoa izy. Tokony ho natao an’izany i Jesosy.
Nentin’ilay vahoaka tany an-tranon’i Kaiafa Mpisoronabe i Jesosy avy eo. Mbola nitohy ihany ilay fitsarana tamin’ny alina, izay tsy ara-dalàna. (Lioka 22:54; Jaona 18:24) Tsy nanara-dalàna ireo mpisorona fa ‘nitady izay ho afaka hiampanga an’i Jesosy mba hamonoana azy ho faty.’ (Matio 26:59) Tsy nisy vavolombelona roa nilaza porofo nitovy mihitsy anefa nanamarina izay tena nolazain’i Jesosy. (Marka 14:56-59) Nataon’ilay mpisoronabe àry izay hahatonga azy hilaza zavatra hiampangana azy, ka hoy izy: “Tsy mamaly akory ve ianao? Ahoana hoy ianao amin’izany iampangany anao izany?” (Marka 14:60) Tsy nifanaraka tamin’ny lalàna mihitsy izany tetika izany. Milaza i Innes fa “fandikan-dalàna ny hoe ametrahana fanontaniana ilay voampanga, ary ny valin-teniny ihany avy eo no hitadiavana zavatra hanamelohana azy.”
Nofatoran’ny fitsarana tamin’ny teniny i Jesosy. Nanontany mantsy izy ireo hoe: “Ianao ve no Kristy Zanak’Ilay Ankalazaina?” Dia hoy izy: “Izaho no izy. Ary ho hitanareo ny Zanak’olona hipetraka eo ankavanan’Ilay Mahery ary ho hitanareo ho avy izy, eny amin’ny rahon’ny lanitra.” Noraisin’izy ireo ho fanevatevana an’Andriamanitra izany, ary “nanameloka azy izy rehetra ka nilaza fa mendrika ny ho faty izy.”—Marka 14:61-64.b
Tokony hatao ampahibemaso ny fitsarana, araka ny Lalàn’i Mosesy. (Deoteronomia 16:18; Rota 4:1) Natao an-tsokosoko anefa ny an’i Jesosy. Tsy nisy nisolo vava izy sady tsy nisy navela hanao izany koa. Tsy nodinihina akory raha mendrika ny antsoina hoe Mesia tokoa i Jesosy. Tsy mba afaka niantso vavolombelona hiaro azy izy. Tsy nifidy ny hanameloka na hanafaka azy akory ireo mpitsara.
Teo anatrehan’i Pilato
Nentin’ireo Jiosy tany amin’i Pontio Pilato, governora romanina, i Jesosy, satria toa tsy nanana fahefana hamono azy izy ireo. Izao no nanontanian’i Pilato voalohany: “Inona no iampanganareo an’io lehilahy io?” Fantatr’izy ireo fa tsy nisy dikany tamin’i Pilato ny fiampangana an’i Jesosy ho nanevateva an’Andriamanitra. Nataon’izy ireo àry izay hanamelohan’i Pilato azy tsy misy fanadihadiana. Hoy izy ireo: “Tsy ho natolotray anao izy raha tsy mpanao ratsy.” (Jaona 18:29, 30) Tsy neken’i Pilato izany ka voatery novan’izy ireo toy izao ny fiampangana azy: “Ity lehilahy ity hitanay nampikomy ny firenenay, ary nandrara tsy handoa hetra amin’i Kaisara, sady nilaza fa izy no Kristy mpanjaka.” (Lioka 23:2) Fetsy izy ireo ka nolazainy indray fa nikomy tamin’ny fanjakana i Jesosy.
Diso ilay hoe “nandrara tsy handoa hetra” i Jesosy, ary fantatr’izy ireo izany. Ny mifanohitra amin’izany aza no nampianariny. (Matio 22:15-22) Ary ahoana indray ilay hoe nanao ny tenany ho mpanjaka izy? Hitan’i Pilato avy hatrany fa tsy natahorana hanongana ny fanjakan’i Roma i Jesosy, ka hoy izy: “Tsy hitako izay fahadisoany.” (Jaona 18:38) Nino izany foana izy nandritra an’ilay fitsarana.
Fanao ny nanafaka gadra iray isaky ny Paska. Nanararaotra an’izany àry i Pilato mba hanafahana an’i Jesosy, saingy i Barabasy indray tamin’ny farany no nafahany. Nitaona olona hikomy sady mpamono olona anefa izy io.—Lioka 23:18, 19; Jaona 18:39, 40.
Niezaka fanindroany nanafaka an’i Jesosy io governora io, ka nitady marimaritra iraisana. Nasainy nokaravasina àry izy, nampitafiana lamba volomparasy, nasiana fehiloha tsilo, nokapohina, ary nesoina. Nilaza i Pilato avy eo fa tsy meloka izy ka hafahany, satria efa nofaiziny. Toy ny nilaza izy hoe: ‘Tsy efa ampy anareo ve izay ry mpisorona?’ Nanantena angamba izy fa hangoraka na ho afa-po izy ireo, ka tsy hamaly faty intsony rehefa nahita ny dian’ny karavasy tamin’i Jesosy. (Lioka 23:22) Tsy izany anefa no nitranga.
‘Nitady foana izay fomba hanafahana an’i Jesosy i Pilato. Niantsoantso anefa ny Jiosy hoe: “Tsy naman’i Kaisara ianao raha afahanao io, satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia manohitra an’i Kaisara.”’ (Jaona 19:12) I Tiberio no Kaisara tamin’izany, ary nalaza ho namono an’izay noheveriny ho mpamadika izy, eny fa na manam-pahefana ambony aza. Efa nampahatezitra ny Jiosy i Pilato, ka tsy te hanampy trotraka izany, indrindra moa hoe hampangaina ho mivadika amin’ny mpanjaka. Nandrahona azy an-kolaka ny vahoaka, ka nanaiky lembenana izy satria natahotra. Nasainy nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana àry i Jesosy, ilay lehilahy tsy nanan-tsiny.—Jaona 19:16.
Inona no tena marina?
Mpanao tsikera maro no nandinika ny Filazantsara momba ny fitsarana an’i Jesosy, ka nahita fa tena tsy ara-drariny ilay izy. Hoy ny mpisolovava iray: “Teo anelanelan’ny misasakalina sy ny maraina no natomboka sy nofaranana ny fitsarana ary navoaka ny didim-pitsarana. Nifanohitra tanteraka tamin’ny lalàna Hebreo sy ny fitsipika momba ny rariny izany.” Hoy koa ny mpampianatra lalàna iray: “Tena tsy ara-dalàna ny zava-drehetra natao nandritra an’ilay fitsarana, ka azo lazaina fa namono an’i Jesosy ireo mpitsara raha ny marina.”
Tsy nanan-tsiny i Jesosy. Fantany anefa fa tokony ho faty izy mba hamonjena an’ireo mpankatò. (Matio 20:28) Tena tia ny rariny izy ka nanaiky hiharan’ny tsy rariny, izay niharihary indrindra hatramin’izay. Ho antsika mpanota no nanaovany an’izany, ka tsy tokony hohadinointsika mihitsy izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mampalahelo fa nampiasain’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina hampirisihana ny olona tsy ho tia Jiosy, ireo tantara ao amin’ny Filazantsara momba ny nahafatesan’i Jesosy. Tsy izany mihitsy anefa no tao an-tsain’ireo mpanoratra Filazantsara, izay Jiosy.
b Anisan’ny fanevatevana an’Andriamanitra ny hoe tsy manaja ny anarany sy mandrombaka fahefana izay azy irery ihany. Tsy nanana porofo anefa ireo niampanga an’i Jesosy hoe nanao ny iray tamin’ireo tokoa izy.
[Efajoro/Sary, pejy 20]
Ireo Lalàna Jiosy Fahiny
Natao an-tsoratra ny lovantsofina jiosy tamin’ireo taonjato voalohandohany. Nino anefa ny olona fa efa taloha ela be no nisy izy ireo. Anisan’izany ireto lalàna ireto:
▪ Raha olona nanao heloka mahafaty no notsaraina, dia izay vavolombelona niandany taminy no nohenoina voalohany
▪ Tsy maintsy niezaka mafy ireo mpitsara mba hanafaka an’ilay voampanga
▪ Afaka niteny ireo mpitsara mba hiarovana an’ilay olona, fa tsy hanamelohana azy
▪ Nampitandremana ireo vavolombelona fa niankinan’ny aina ny zavatra holazainy
▪ Nohadihadina tsirairay ireo vavolombelona, fa tsy teo imason’ireo vavolombelona hafa
▪ Tsy maintsy nifanaraka ny tenin’ny vavolombelona momba ny daty, toerana, ora nitrangan’ilay heloka, sy ny zava-dehibe hafa
▪ Tamin’ny andro no tsy maintsy notsaraina ny olona voampanga ho nanao heloka mahafaty fa tsy tamin’ny alina
▪ Tsy azo notsaraina talohan’ny Sabata na fety ny olona nanao heloka mahafaty
▪ Azo natomboka sy nofaranana tao anatin’ny andro iray ny fitsarana olona nanao heloka mahafaty raha tsy voaheloka ho faty izy. Raha tsy izany kosa, dia ny ampitson’iny vao nofaranana ilay fitsarana, rehefa havoaka sy hampiharina ny didim-pitsarana
▪ Mpitsara 23, fara fahakeliny, no nitsara an’izay nanao heloka mahafaty
▪ Nifandimby nifidy ireo mpitsara hoe tsy manan-tsiny ilay olona sa meloka, ka ny zandriny indrindra no nifidy voalohany. Nisy mpitan-tsoratra nanoratra izay nolazain’ireo nanafaka sy nanameloka azy
▪ Nafahana ilay olona raha nihoatra iray fotsiny tamin’ny isan’ny mpitsara nanameloka ny isan’ny nanafaka. Meloka kosa izy raha nihoatra roa ny isan’ny nanameloka azy. Raha nihoatra iray fotsiny ny isan’ny nanameloka, dia ampiana roa foana ny mpitsara nifidy mandra-pahazoana fanapahan-kevitra mety tsara
▪ Tsy nekena ny didim-pitsarana manameloka olona iray raha toa ka tsy nisy mpitsara iray, fara fahakeliny, niaro azy. Noheverina hoe “niray tsikombakomba” ireo mpitsara raha samy nanameloka azy
Inona no Tsy Ara-dalàna Tamin’ny Fitsarana An’i Jesosy?
▪ Tsy nitady porofo na nihaino vavolombelona mba hanafahana azy ny fitsarana
▪ Tsy nisy mpitsara mba niaro azy. Fahavalony daholo izy ireo
▪ Nitady vavolombelona mandainga ireo mpisorona mba hanamelohana azy ho faty
▪ Tamin’ny alina izy no notsaraina ary natao an-tsokosoko izany
▪ Iray andro no nitsarana azy sady talohan’ny fety
▪ Tsy nisy heloka niampangana azy akory dia efa nosamborina izy
▪ Tsy nodinihina akory raha marina ny tenin’i Jesosy hoe izy no Mesia, izay nolazaina fa ‘fanevatevana an’Andriamanitra’
▪ Novana ny fiampangana azy rehefa teo anatrehan’i Pilato
▪ Diso ireo fiampangana
▪ Fantatr’i Pilato fa tsy nanan-tsiny izy nefa nasainy novonoina ihany
[Efajoro, pejy 22]
Adinina Amin’ny Vavolombelona ny Ran’ny Voaheloka
Alohan’ny nitsarana olona nanao heloka mahafaty, dia niresaka tamin’ny vavolombelona momba ny hasarobidin’ny aina ny fitsarana jiosy hoe:
“Angamba ianareo te hijoro ho vavolombelona satria nanombantombana fotsiny, na naheno tsaho na zavatra nolazain’ny vavolombelona hafa, na mety ho nieritreritra ianareo hoe: ‘Olona tena azo antoka anie no nahenonay an’izany e!’ Na angamba koa tsy fantatrareo fa mbola hanontanianay sy hohadihadinay tsara ianareo. Tokony ho fantatrareo anefa fa tsy mitovy ny lalàna amin’ny fitsarana mahakasika fananan’olona sy ny lalàna amin’ny fitsarana olona nanao heloka mahafaty. Amin’ny fitsarana mahakasika fananan’olona, dia mandoa onitra fotsiny ilay voampanga dia afaka. Amin’ny fitsarana olona nanao heloka mahafaty kosa, dia hadinina [amin’ilay vavolombelona nandainga] mandrakizay ny [ran’ilay voaheloka ho faty nefa tsy nanan-tsiny] sy ny an’izay tokony ho taranany.”—Talmoda Babylonianina, Fitsarana Avo, 37a.
Raha voaheloka ho faty ilay voampanga, dia tsy maintsy namono azy ny vavolombelona.—Levitikosy 24:14; Deoteronomia 17:6, 7.