Jesosy — Ny fiainany sy ny fanompoany
Natolotra sy nentina
REHEFA nanandrana nanafaka indray an’i Jesosy i Pilato, tohina noho ny fahatoniana nasehon’i Jesosy nampijalina, dia nanjary nihatezitra kokoa ihany ny lohan’ny mpisorona. Tapa-kevitra ny tsy hamela na inona na inona hanembantsembana ny fikasan-dratsiny izy ireo. Koa naveriny indray ny antsoantsony hoe: “Homboy amin’ny hazo fijaliana Izy! homboy amin’ny hazo fijaliana Izy!”
“Entonareo Izy, ka homboy amin’ny hazo fijaliana”, hoy ny navalin’i Pilato tsiravina. Nifanohitra tamin’ny fanambaran’izy ireo teo aloha, ny Jiosy dia mety hanana fahefana hamono olo-meloka noho ny fandikan-dalàna ara-pivavahana izay ampy halehibe. Avy eo, efa ho fanindiminy fara fahakeliny, dia nanambara an’i Jesosy ho tsy nanan-tsiny i Pilato tamin’ny fitenenana hoe: “Izaho tsy mahita izay helony.”
Rehefa hitan’ny Jiosy fa tsy nisy vokany ny fiampangana ara-politika nataon’izy ireo, dia niverina tamin’ilay fiampangana ara-pivavahana ho nanao fitenenan-dratsy an’Andriamanitra izay nampiasaina ora vitsivitsy talohan’izay tamin’ny fitsarana an’i Jesosy teo anatrehan’ny Synedriona izy ireo. “Izahay manana lalàna”, hoy izy ireo, “ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak’Andriamanitra”.
Vaovao tamin’i Pilato io fiampangana io, ary vao mainka nahatonga azy hatahotra kokoa izany. Efa takany izao fa tsy lehilahy tsotra fotsiny i Jesosy, toy ny nasehon’ny nofin’ny vadiny sy ny herin-tsaina niavaka nananan’i Jesosy. Fa ny hoe “Zanak’Andriamanitra”? Fantatr’i Pilato fa avy any Galilia i Jesosy. Nefa mety ho efa niaina talohan’izay ve izy? Nitondra azy niverina tao anaty rova indray i Pilato ka nanontany hoe: “Avy aiza moa Hianao?”
Nangina i Jesosy. Teo aloha, dia nilaza tamin’i Pilato izy fa mpanjaka ny tenany, saingy tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakany. Izao dia tsy hitondra na inona na inona intsony ny fanazavana fanampiny. Kanefa dia voadona noho ny fandavan’i Jesosy ny hamaly ny hambom-pon’i Pilato, ka tezitra tampoka tamin’i Jesosy izy tamin’ny fitenenana hoe: “Tsy miteny amiko va Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin’ny hazo fijaliana koa?”
“Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony”, hoy ny navalin’i Jesosy tamim-panajana. Nanisy fitenenana ny amin’ny fanomezan’Andriamanitra fahefana an’ireo mpanapaka olombelona mba hitondra ny raharahan’ny tany izy. Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa”. Marina tokoa fa i Kaiafa mpisoronabe sy ny mpiray teti-dratsy taminy ary i Jodasy Iskariota dia nanana andraikitra navesatra kokoa noho i Pilato tamin’ny fitondrana tsy ara-drariny nampiharina tamin’i Jesosy.
Tohina bebe kokoa ihany noho ny amin’i Jesosy ny fon’i Pilato sady natahotra izy ny amin’ny mety ho fananany fiaviana araka an’Andriamanitra, ka nanavao indray ny fiezahany hanafaka Azy. Ireo Jiosy anefa dia nanda mafy an’i Pilato. Namerina ny fiampangany ara-politika izy ireo, tamin’ny fandrahonana tamin-kafetsena hoe: “Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan’i Kaisara hianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an’i Kaisara.”
Na dia teo aza izay ho voka-dratsy tafiditra amin’izany, dia mbola nitondra an’i Jesosy tany ivelany indray i Pilato. “Indro ny Mpanjakanareo!”, hoy izy mbola niangavy indray.
“Ento, ento, homboy amin’ny hazo fijaliana Izy!” hoy ny valinteny.
“Hohomboako amin’ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo?” hoy i Pilato nanontany tamim-pamoizam-po.
Sorena ny Jiosy teo ambany fanapahan’ny Romana. Marina tokoa fa nanamavo ny fanapahan’i Roma izy ireo! Kanefa, tamim-pihatsarambelatsihy, dia hoy ny lohan’ny mpisorona hoe: “Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay”.
Natahotra ny amin’ny toerany sy ny lazany ara-politika i Pilato ka, tamin’ny farany, dia nilefitra tamin’ny fitakiana tsy niantra sy ny fandrahonana nataon’ny Jiosy. Nanolotra an’i Jesosy tamin’izy ireo izy. Nanala ilay lamba volomparasy teny amin’i Jesosy ny miaramila ary nampitafy azy indray ny fitafiany. Raha nentina hohomboana amin’ny hazo fijaliana i Jesosy, dia nasaina nitondra ny hazo fijaliany.
Izao dia efa nisasaka ny marainan’ny zoma 14 Nisana, angamba efa nanakaiky ny mitataovovonana. Efa nitsangana hatramin’ny alakamisy vao maraina be i Jesosy, ary niaritra fanandraman-javatra nampijaly nisesy. Takatra fa tsy ela dia lany ny heriny novesaran’ilay hazo. Koa nisy mpandalo iray, atao hoe Simona avy any Kyrena any Afrika, noterena hitondra izany ho azy. Raha nandroso izy ireo, dia nisy vahoaka maro be nanaraka, anisan’izany ny vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany an’i Jesosy.
Nitodika tany amin’ireo vehivavy i Jesosy ka nanao hoe: “Ry zanakavavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo. Fa indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza. Dia hilaza amin’ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin’ny havoana hoe: Saròny izahay. Fa raha ataony amin’ny hazo maitso [mando, MN] izany, hatao ahoana amin’ny maina [malazo, MN]?”
I Jesosy dia nanisy fitenenana ny amin’ny hazon’ny firenena jiosy izay mbola nisy hamandoan’ny fahavelomana kely tao aminy noho ny naha-teo an’i Jesosy sy noho ny fisian’ny sisa izay nino azy. Kanefa rehefa esorina avy ao amin’ilay firenena ireo, dia hazo maty ara-panahy no sisa tavela, eny, fandaminana ara-pirenena malazo. Antony mahatonga fitomaniana toy inona moa no hisy rehefa handrava ny firenena jiosy ny tafika romana, izay hiasa amin’ny maha-mpamono ampiasain’Andriamanitra! Jaona 19:6-17; 18:31; Lioka 23:24-31; Matio 27:31, 32; Marka 15:20, 21.
◆ Fiampangana inona no nataon’ireo mpitondra ara-pivavahana tamin’i Jesosy rehefa tsy niteraka vokany ny fiampangany ara-politika?
◆ Inona no nety ho nahatonga an’i Pilato hanjary hatahotra kokoa ?
◆ Iza avy ireo meloka bebe kokoa tamin’izay nanjo an’i Jesosy?
◆ Ahoana no nataon’ny mpisorona mba hahatonga an’i Pilato hanolotra an’i Jesosy hovonoina?
◆ Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ireo vehivavy izay nitomany azy, ary inona no tiany holazaina rehefa nanisy fitenenana ny amin’ny hazo “maitso” na mando izy, ary avy eo dia “maina” na malazo?