-
MariaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nohajain’i Jesosy sady tiany. Taorian’ny batisan’i Jesosy, dia toy ny nitondrany ny olon-kafa rehetra ihany no nitondrany an’i Maria. Tsy niantso azy hoe “Neny” na “Mama” izy, fa nataony fotsiny hoe “ravehivavy” (Jn 2:4; 19:26), toy ny fampiasan’ny Malagasy ny teny hoe “ramatoa” na “madama.” Tsy hoe tsy fanajana anefa izany. Marina fa renin’i Jesosy i Maria, raha araka ny nofo. Nateraky ny fanahy anefa i Jesosy taorian’ny batisany, ka lasa Zanak’Andriamanitra ara-panahy izy voalohany indrindra, ary “ilay Jerosalema any ambony” no ‘reniny.’ (Ga 4:26) Nasongadin’i Jesosy izany, indray mandeha, rehefa tonga tany aminy i Maria sy ireo zanany hafa ary nilaza taminy mba hivoaka hankany amin’izy ireo, nefa izy mbola teo am-pampianarana ny mpianany. Nampahafantarin’i Jesosy fa ny mpianany no tena reniny sy havany akaiky, ary ny lafiny ara-panahy no manan-danja kokoa noho ny ara-nofo.—Mt 12:46-50; Mr 3:31-35; Lk 8:19-21.
-
-
MariaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nijoro teo akaiky teo i Maria, rehefa nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy. Tsy zanaka malala fotsiny i Jesosy taminy, fa Mesia, Tompo sy Mpamonjy, ary Zanak’Andriamanitra koa. Toa efa maty i Josefa vadiny tamin’izay. I Jesosy no lahimatoa, ka nandray ny andraikiny izy ary nangataka tamin’ny apostoly Jaona (azo inoana fa zanaky ny rahavavin-dreniny) mba hitondra an’i Maria tany aminy ary hikarakara azy toy ny reniny. (Jn 19:26, 27) Tsy ny iray tamin’ireo rahalahiny hafa ray no nasainy nikarakara azy. Nahoana? Tsy voalaza hoe teo izy ireo. Mbola tsy nino azy koa izy ireo tamin’izany, ary ny fifandraisana amin’ny mpino no manan-danja kokoa amin’i Jesosy, noho ny amin’ny havana.—Jn 7:5; Mt 12:46-50.
-