VINAINGITRA
Ranoka avy tamin’ny divay na toaka navela hiotrika sy hihamarikivy ny vinaingitra fahiny. Tsy nahazo nisotro ‘vinaingitra vita tamin’ny divay na vita tamin’ny zava-pisotro mahamamo’ ny Nazirita. Midika izany fa nisy nisotro vinaingitra (angamba notampohana). (No 6:2, 3) Natsoboky ny mpijinja tao anaty vinaingitra ny mofony, angamba mba hampangatsiatsiaka azy rehefa nafana ny andro.—Rt 2:14.
Ny asidra asetika ao amin’ny vinaingitra no mahatonga azy harikivy, sy hampahadilo nify (Oh 10:26), ary handroatra be rehefa afangaro amin’ny karbonatana sodioma, izay sirahazo malefaka. Toa miresaka momba izany ny Ohabolana 25:20.
Divay marikivy (lat.: acetum [vinaingitra], na posca rehefa notampohana rano) no nosotroin’ny miaramila romanina, fony i Jesosy Kristy tetỳ an-tany. Azo inoana fa io ilay divay niharo miora mahadomelina (na zava-mangidy) nomena an’i Jesosy tamin’izy teo amin’ny hazo fijaliana, mba hampitonena ny fanaintainany. Tsy nety nisotro anefa izy. (Mr 15:23; Mt 27:34; ampit. Sl 69:21.) Divay marikivy fotsiny kosa no nomena azy tamin’ny spaonjy natohoka tamin’ny vavany, rehefa hiala aina izy.—Jn 19:28-30; Lk 23:36, 37.