-
Fiadiana, Fitaovam-piadianaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Miresaka momba ny lefona (Gr.: lôgke) koa ny Soratra Grika Kristianina, ao amin’ny Jaona 19:34. Voalaza ao fa ‘nolefonin’ny iray tamin’ireo miaramila ny takiban’i Jesosy’ rehefa maty izy. Romanina ilay miaramila, ka lefona romanina angamba no nampiasainy. Tokotokony ho 1,8 m ny halavan’izy io. Vy lavalava tonga hatreny amin’ny antsasaky ny tahony ny lohan’izy io, ary vy maranitra miendrika telozoro no teo amin’ny tendrony.
-
-
RaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Vao mainka nasongadina ny fahamasinan’ny ra, tatỳ amin’ny andro kristianina. Tsy notakina intsony ny hanolorana ram-biby, satria aloka fotsiny ny fanatitra biby fa i Jesosy Kristy no tena izy. (Kl 2:17; He 10:1-4, 8-10) Nakan’ny mpisoronabe ilay ram-biby, ka nentiny tao amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tranolay masina tetỳ an-tany. (Le 16:14) Niditra tany an-danitra kosa i Jesosy Kristy, ilay tena Mpisoronabe. Tsy ny rany no nentiny tany, satria efa nararaka tamin’ny tany iny. (Jn 19:34) Ilay ain’olombelona lavorary, izay mifanitsy amin’ny rany, no natolony ny Rainy tany an-danitra. Tsy mpanota izy ka tsy very mihitsy ilay zony hanana aina lavorary, ary io zony io no nampiasainy handrakofam-pahotana. (He 7:26; 8:3; 9:11, 12) Miantsoantso mitaky zavatra tsara kokoa noho ny ran’i Abela àry ny ran’i Kristy. Ny ran’ilay Zanak’Andriamanitra ihany mantsy no afaka mangataka famindram-po, fa miantsoantso valifaty kosa ny ran’i Abela sy ny ran’ireo maritiora mpanara-dia an’i Kristy.—He 12:24; Ap 6:9-11.
-