Mety ho Faty ve ny Olona Iray Vaky Fo?
MAMPALAHELO fa zavatra mateti-pitranga izany: Ny zokiolona toa salama tsara iray izay vao avy namoy ny vadiny tamin’ny fahafatesana dia nitambotsotra ary maty tao anatin’ny andro na herinandro vitsivitsy. Ny anton’ny fahafatesana? “Fo vaky”, hoy ireo namana.
Mety ho mihoatra noho ny sarin-teny fotsiny izany. Ireo mpanao fikarohana dia nahafantatra hatramin’ny ela fa ny fihenjanana tsy voalamina dia mameno ny fo amin’ny tenan-javatra simika izay afaka mahatonga fitepon’ny fo tsy ara-dalàna na fanintona mihitsy aza. Ny fomba hiantombohan’io fizotran-javatra io ao amin’ny atidoha mihitsy anefa dia nitoetra ho zava-miafina.
Mino i Stephen M. Oppenheimer, neurologue ao amin’ny Oniversite Johns Hopkins, sekoly fianarana ara-pitsaboana any Baltimore, any Maryland, Etazonia, fa namantatra faritra amin’ny atidoha izay mampifandray ny fo amin’ny fihetseham-po. Ny cortex insulaire dia faritra amin’ny atidoha ihaonan’ny système neurovégétatif, izay mifehy ny anjara asa toy ny fiaina sy ny fitepon’ny fo, amin’ny système limbique, izay miatrika ny fihetseham-po, toy ny fahatezerana sy ny tahotra ary ny fahafinaretana. Hitan’ny Dr. Oppenheimer fa ny fanentanana ny cortex insulaire tao amin’ny voalavo dia nisy vokany nanimba tamin’ny ozatry ny fo mitovy amin’izay hita amin’ny olombelona noho ny fibrillation tampoka. Ny fanentanana ny cortex insulaire tao amin’ny olombelona dia naseho koa ho miteraka fiovana eo amin’ny hafainganan’ny fitepon’ny fo sy ny tosi-dra. Ireo valin’ny fikarohana ireo dia toa manondro fa tena mety ho faty ny olona iray vaky fo.
Milaza ny olona sasany fa ny fo vaky dia anton-javatra iray nahatonga ny fahafatesan’i Jesosy Kristy, izay momba azy no naminaniana toy izao: “Ny latsa dia [nahavaky, NW ] ny foko ka reraka indrindra aho”. (Salamo 69:20). Tokony horaisina ara-bakiteny ve ireo teny ireo? Angamba izany no izy, satria ireo ora talohan’ny nahafatesan’i Jesosy dia nahafadiranovana — tsy ara-batana ihany fa ara-pihetseham-po koa. (Matio 27:46; Lioka 22:44; Hebreo 5:7). Ankoatra izany, ny fo vaky iray dia mety hanazava ny antony nikorian’ny “ra sy rano” avy tamin’ny ratra tamin’ny nandefonana an’i Jesosy taorian’ny nahafatesany indrindra. Ny fahavakian’ny fo na ny fahatapahan’ny lalan-dra lehibe iray dia afaka mamoaka ra hiditra na ao anaty lavaky ny tratra na ao anaty péricarde — fono manify misy ranon-javatra izay mamefy ny fo. Eo amin’ireo toerana ireo, ny lavaka kely iray dia afaka mampikoriana zavatra mitovy amin’ny “ra sy rano”. — Jaona 19:34.
Mazava ho azy fa nisy anton-javatra hafa izay tsy isalasalana fa tafiditra tamin’ny nahafatesan’i Jesosy somary haingana, anisan’izany ny fomba nanomboana azy sy ny fampijaliana niaretany talohan’izay. Velom-pankasitrahana toy inona moa isika satria, teo ambanin’izany toe-javatra mafy dia mafy izany, dia nihazona ny tsy fivadihany i Jesosy! Ho vokany dia nasandratr’i Jehovah, Rainy, ho ambony izy. (Filipiana 2:8-11). Ambonin’izany, dia nataony izay hahafahantsika hiaina mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa. — Jaona 17:3; Apokalypsy 21:3, 4.