-
ArimatiaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
ARIMATIA
(Arimatìa) [avy amin’ny teny heb., ary midika hoe “Haavo”].
“Tanànan’ny Jodianina”, tamin’i Jesosy teto an-tany. Avy any ilay Josefa nangataka ny fatin’i Jesosy mba halevina. Mpianatr’i Jesosy io Josefa io saingy tsy nisehoseho. (Lk 23:50-53; Mt 27:57-60; Mr 15:43-46; Jn 19:38-42) Maro no mihevitra ny toerana nisy an’i Arimatia ho i Rentis (Rantis) ankehitriny, tokony ho 35 km avaratrandrefan’i Jerosalema, ary tokony ho 26 km any atsinanan’i Jopa (Tel Aviv-Yafo ankehitriny).
-
-
MpianatraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nanana mpianatra i Jesosy, Jaona Mpanao Batisa, ny Fariseo, ary Mosesy. (Mt 9:14; Lk 5:33; Jn 9:28) Mpianatr’i Jaona taloha ny mpianatr’i Jesosy voalohany. (Jn 1:35-42) Antsoina koa hoe mpianatra ny apostoly 12. (Mt 10:1; 11:1) Izay nino ny fampianaran’i Jesosy no nantsoina hoe “mpianatra”, tamin’ny ankapobeny, anisan’izany ireo tsy sahy niseho ho mpianany. (Lk 6:17; Jn 19:38) Ireo niara-nandeha nitory taminy foana sy ireo nampianariny anefa no tena resahin’ny Filazantsara hoe mpianany. Izay rehetra mino sy manaraka ny fampianaran’i Kristy àry no tena mpianany. Tsy maintsy ampianarina “hitandrina izay rehetra” nandidian’i Jesosy izy ireo.—Mt 28:19, 20.
-