Nanao ahoana ny fipetrak’ireo tongony?
“FAHITANA taola-maina: niforitra ny tongotry ny voahombo tamin’ny hazo fijaliana.” Nahatsiaro ho nahita io karazana lohateny io tao anatin’ireo gazety ve ianao tamin’ny janoary 1971? Tena mety ho izany, satria tamin’io volana io dia lahatsoratra maro be tamin’ny gazety no niresaka ny amin’ny “fahitana” vaovao iray momba ny fanomboana tamin’ny hazo fijaliana.
Toy izao no nambaran’ny gazety iray mivoaka isan’andro teo ambanin’ny lohateny voatonona etsy ambony: “Jerosalema, 3 janoary (Reuter) — Vao voalohany no nisy arkeology isiraeliana nahita ny sisa tavela tamin’olona iray nohomboana tamin’ny hazo fijaliana. Ireo taola-maina ireo, hoy ny fanambaran’izy ireo ankehitriny, dia mety ho afaka hampiseho ny voahombo tamin’ny hazo fijaliana tamin’ny toe-batana hafa noho izay anehoana izany araka ny lovantsofina teo amin’ny lakroa Jesosy Kristy.”
Moa ve izany fahitana vaovao izany nampiseho ny toe-batana namonoana ireo jiosy voaheloka ho faty teo amin’ny lakroa iray, na teo amin’ny hazo iray tamin’ny andron’i Jesosy? Ahoana no nametrahana ny vatan’ilay niharam-pahavoazana araka ny filazan’ireny arkeology ireny? Moa ve izany fikarohana izany mampahafanta-javatra amintsika ny amin’ny namonoana an’i Jesosy? Ary mendrika inoana ve ilay fahitana noresahina?
Fantsika iray nijanona teo amin’ireo voditongotra
Tamin’ny 1968, dia nisy zohy fandevenana vitsivitsy hita tamin’ny kisendrasendra tany akaikin’i Jerosalema. Tamin’ireo taola-maina navoaka, ny sasany dia toa nahaforona zavatra iray sendra hita manokana: taolam-boditongotra voagorobaky ny fantsika harafesina iray. Nandinika tamim-pitandremana ireo taolana ireo i Nico Haas, mpandinika ny toe-tenan’olombelona sy ny toetrany avy ao amin’ny fianarana ambony ara-pitsaboana ao amin’ny Oniversiten’i Hadassah. Navoakan’ny revio tena lehibe iray, Israel Exploration Journal (1970, fizarana faha-20, pejy 38-59), ireo fanatsoahan-kevitr’io mpahay siansa io, ka izany dia nahatonga anton-dresak’ireo lahatsoratra amin’ny gazety izay niteraka fahalianana. Inona avy moa izany fanatsoahan-kevitra izany?
Araka ny filazan’i Nico Haas, izay vao avy nokarohina dia tena ny taola-mainan’ny olona iray nohomboana tamin’ny hazo fijaliana tamin’ny taonjato voalohany tokoa. Tamin’ny fotoana namonoana azy, dia toa nofantsihana teo amin’ny hazo mijoro iray ny voditongotra roan’ilay niharam-pahavoazana, nefa nibiloka ilay fantsika fa sendra tonona iray tao amin’ilay hazo. Taorian’ny nahafatesan’ilay olo-meloka jiosy novonoina, dia tsy afaka nanatsoaka ny fantsika tamin’ireo voditongony ny havany, koa naleviny niaraka tamin’izany izy. Koa satria fantsika iray ihany no nandoaka ny taolan’ireo voditongotra roa ary toa nahaforona zoro iray ireo taolan-dranjo, dia nanizingizina i Nico Haas fa azo inoana ho novonoina tamin’ny toe-batana aseho eto ambany ilay olo-meloka. (Ankoatr’izany, araka ny filazan’i Nico Haas, ny taolan-tsandry iray dia nisy niendaka kely mampiseho fa nanana ireo sandriny nofantsihina teo amin’ny hazo mitsivalana iray ilay olona.) Angamba ianao efa nahita io sary io tao amin’ny gazety na revio iray. Maro be no voasinton’ireo famotopotorana ireo tamin’ny fieritreretana ireo filazana azony nomena ny amin’ny toe-batana nahafatesan’i Jesosy.
Kanefa, aoka isika hametraka indray izao fanontaniana izao: Mendrika inoana ve izany fanambarana izany ary moa ve izany mampahafanta-javatra amintsika ny amin’ny namonoana an’i Jesosy?
Fandinihana indray ireo taolam-boditongotra
Tao anatin’ireo taona nanaraka, dia nisy manam-pahaizana malaza tahaka ny profesora Yigal Yadin, nisalasala ny amin’ny fahamarinan’ireo fanatsoahan-kevitr’i Nico Haas. Tamin’ny farany, ny revio Israel Exploration Journal (1985, fizarana faha-35, pejy 22-27) dia namoaka filazalazana iray ny amin’ny “fandinihana indray” taola-maina nataon’i Joseph Zias, mpandinika ny toetr’olombelona (avy ao amin’ireo sampan-draharaha isiraeliana miandraikitra ny zavatra tranainy sy ny fitehirizana ny rakitry ny ela) sy Eliezer Sekeles (avy amin’ny fianarana ambony ara-pitsaboana ao amin’ny Oniversiten’i Hadassah). Nandinika fatratra ny fandraisana an-tsoratra, ny sary nalaina, ny sary azo tamin’ny fitarafana ary ny fanaovana an-dasitra voalohany ireo taolana resahina ireo mpahay siansa ireo. Mahagaga aoka izany ny sasantsasany amin’ireo zavatra hitany:
Fohy loatra tsy araka ny nanambaran’i Nico Haas azy ilay fantsika; tsy ho ampy halavana izy io mba handoahana ny taolan’ireo voditongotra roa sy hilentehana tamin’ilay hazo. Nofantarina tamin’ny fomba diso ireo potipoti-taolana. Tsy nisy na dia iray taminy aza avy tamin’ny voditongotra iray faharoa; tsy nandoaka afa-tsy voditongotra iray ihany ilay fantsika. Avy tamin’olon-kafa iray ny sasantsasany tamin’ireo tapatapa-taolana. “Tsy porofo mampiaiky” nampiseho ilay niendaka kely tamin’ny taolan-tsandry fa nofantsihana teo amin’ny hazo mitsivalana iray izy io; ‘raha ny marina, dia nahitana marika roa nitovy tamin’izany teo amin’ny taolan’ny ranjo iray; ireo koa aza dia tsy nisy ifandraisany velively tamin’ny fanomboana teo amin’ny hazo fijaliana’.
Tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra inona moa ireo manam-pahaizana ireo taorian’io fandinihana indray io? “Ireo fandaminana vaovao voalohany sy farany ny amin’ny fanomboana tamin’ny hazo fijaliana [nataon’i Nico Haas] dia mifanohitra ara-pomban-javatra sy toe-tena amin’ireo fandinihana vaovao natao ireo (...). Tsy nahita taolam-boditongotra havia mihitsy izahay, ary araka ny fanisana nataonay, ny halavan’ilay fantsika dia tsy namela hametaka afa-tsy voditongotra iray ihany (...). Ny tsy fisian’ny taolana tapaka teo amin’ny lantontanana sy ireo taolan’ny felatanana dia toa mampiseho fa nafatotra ny sandrin’ilay olo-meloka novonoina fa tsy nofantsihina.” Asehon’ny sary amin’ity pejy ity ny toe-batana heverin’i Zias sy Sekeles fa namonoana ilay olona.
Ary Jesosy?
Inona no asehon’ireo fanatsoahan-kevitra ireo raha ny amin’ny toe-batana nahafatesan’i Jesosy? Tsy dia zavatra lehibe, raha ny marina! Araka ny anazavana azy ao amin’ny pejy faha-23 amin’ity gazety ity, dia tena azo ampoizina fa Jesosy dia novonoina teo amin’ny tsato-kazo mahitsy iray tsy nisy hazo mitsivalana mihitsy. Tsy misy mihitsy olona amin’izao fotoana izao aza afaka hahafantatra marina ny isan’ny fantsika nampiasaina tamin’i Jesosy. Toy izao no ambaran’ny “encyclopédie” iray (The International Standard Bible Encyclopedia, 1979, boky I, pejy 826) ny amin’izany: “Mahatonga vinavina maro be (...) ny isan’ny fantsika nampiasaina marina. Ao amin’ireo fampisehoana ny fanomboana tamin’ny hazo fijaliana tranainy indrindra, ireo tongotr’i Jesosy dia nofantsihina misaraka, kanefa ao amin’ireo vao haingana indrindra dia mifanapaka izy ireo ary mipetaka eo amin’ny hazo amin’ny alalan’ny fantsika iray ihany.”
Ny fantatsika dia ny hoe tsy nofatorana fotsiny ireo tanany na ireo sandriny. Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nanambara tokoa Tomasy hoe: “Raha tsy hitako eo amin’ny tànany ny holatry ny nohomboana [ny marik’ireo fantsika, MN ], dia tsy mba hino aho.” (Jaona 20:25). Na mampiseho io filazana “fantsika” milaza maro io fa notsatohana fantsika iray ny tanana tsirairay, na mifanaraka amin’ireo marika hita teo amin’ireo ‘tanany sy ireo tongony’ izy io. (Jereo Lioka 24:39.) Tsy azontsika atao koa ny mahalala marina hoe taiza ireo fantsika no nitsatoka tamin’i Jesosy na dia azo antoka aza fa teo amin’ny faritry ny tanany izany. Tsy milaza antsipiriany ny amin’izany ny fitantaran’ny Baiboly, sady tsy ilaina rahateo koa moa izany. Raha tsy afaka namantatra tamim-pahamarinana ny toe-batana nahafatesan’ilay olo-meloka akory aza ireo manam-pahaizana nandinika akaiky ireo taolana hita tany akaikin’i Jerosalema tamin’ny 1968, io fahitan-javatra io dia azo antoka fa tsy hamela hamaritra mazava izay namonoana an’i Jesosy.
Ireo sary mampiseho ny namonoana an’i Jesosy hita ao amin’ireo bokinay, sahala amin’ilay ao amin’ny pejy faha-24, àry dia natao fotsiny hampisehoana an-tsary io zava-niseho io. Tsy natokana hanome ireo filazalazana ara-toe-tena mazava akory izy ireo. Tsy ilaina ny milaza fa ireo sary ireo dia ahitana taratr’ireo hevitra miovaova sy mifanipaky ny manam-pahaizana; ankoatr’izany, izy ireo dia tsy mampiseho na amin’inona na amin’inona marika ara-pivavahana avy amin’ny fanompoan-tsampy fahiny.