-
JaonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Hita tamin’ny tenin’i Jesosy Kristy, tamin’izy mbola tetỳ an-tany, fa ho ela velona noho ny apostoly hafa i Jaona. (Jn 21:20-22) Nanompo an’i Jehovah nandritra ny 70 taona teo ho eo tokoa izy. Natao sesitany tany amin’ny nosy Patmo izy, tany amin’ny faramparan’ny fiainany, ‘satria niresaka ny amin’Andriamanitra sady vavolombelona nanambara an’i Jesosy.’ (Ap 1:9) Hita amin’izany fa tena nafana fo nitory ny vaovao tsara izy, na dia efa antitra be aza (tamin’ny taona 96 tany ho any).
Nahazo fahitana izy tany Patmo, ary nosoratany tamin’ny an-tsipiriany ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy izany. (Ap 1:1, 2) Maro no mihevitra fa i Domitien Mpanjaka no nanao sesitany an’i Jaona tany ary i Nerva Mpanjaka (taona 96-98), ilay nandimby an’i Domitien, no nanafaka azy. Voalazan’ny lovantsofina fa nankany Efesosy i Jaona, ary tany izy no nanoratra ny Filazantsarany sy ireo taratasy telo (Jaona Voalohany, Faharoa ary Fahatelo), tamin’ny taona 98. tany ho any. Maty tany Efesosy tamin’ny taona 100 tany ho any izy, tamin’ny fotoana nitondran’i Trajan Mpanjaka, araka ny lovantsofina.
-
-
PeteraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Talohan’ny nisehoan’i Jesosy tamin’ireo mpianatra teo amin’ny Ranomasin’i Galilia (Tiberiasy), dia nilaza tamin’izy ireo i Petera fa handeha hanarato. Nanaraka azy koa izy ireo. Nijoro teo amin’ny torapasika i Jesosy, raha mbola nanarato izy ireo. Nilaza i Jaona hoe i Jesosy io. Nitsoraka avy hatrany i Petera ary nilomano nankeny aminy, fa ireo mpianatra hafa kosa no navelany hitondra an’ilay sambo ho eny amin’ny morony. Nangataka trondro i Jesosy avy eo, ka i Petera no nitaritarika an’ilay harato ho eny an-tanety. (Jn 21:1-13) Tamin’io no nanontanian’i Jesosy intelo i Petera (izay nanda ny Tompony intelo) raha tia azy. Nomeny baiko koa izy mba ‘hiandry ny ondriny.’ Nolazain’i Jesosy mialoha koa ny fomba hahafatesan’i Petera, ka nahatonga an’i Petera hanontany toy izao raha vao nahita an’i Jaona: “Tompo ô, inona kosa no hataon’itsy?” Mbola nahitsin’i Jesosy indray i Petera, ka nantitranteriny fa ny ‘manaraka’ azy no tokony hataony, fa tsy tokony hiasa saina amin’izay hataon’ny hafa izy.—Jn 21:15-22.
-