-
Jesosy KristyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Talohan’ny naha olombelona azy. Tsy teto an-tany akory vao nisy i Jesosy Kristy. Izy mihitsy no nilaza fa efa nisy tany an-danitra izy. (Jn 3:13; 6:38, 62; 8:23, 42, 58) Voalaza ao amin’ny Jaona 1:1, 2 ny anarany tamin’izay: “Tany am-piandohana ny Teny [gr.: Lôgôs], ary ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra [“fanahy tahaka an’Andriamanitra”, AT; Mo]. Niaraka tamin’Andriamanitra izy tany am-piandohana.” Ny hoe “tany am-piandohana” eto dia tamin’i Jehovah nanomboka namorona, fa tsy tamin’izy nanomboka nisy. Efa nisy foana mantsy izy sady tsy nanam-piandohana. (Sl 90:2; Ap 15:3) Manamarina izany ny andinin-teny hafa milaza fa i Jesosy no “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra”, sy “ilay fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.” (Kl 1:15; Ap 1:1; 3:14) Ny Teny (i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy) àry no zavaboary noforonin’Andriamanitra voalohany, izany hoe ny Zanany lahimatoa.
-
-
Teny, NyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Io Teny na Lôgôs io no hany zavaboary noforonin’Andriamanitra mivantana. Zanaka lahitokan’Andriamanitra izy ary izy ilay niaraka taminy tamin’Izy niteny hoe: “Andeha isika hanao olona araka ny endritsika, misy itovizana amintsika.” (Ge 1:26) Hoy àry i Jaona: “Niaraka tamin’Andriamanitra izy tany am-piandohana. Tamin’ny alalany no nisian’ny zava-drehetra, ary raha tsy noho izy dia tsy nisy na zavatra iray monja aza.”—Jn 1:2, 3.
Misy andininy hafa koa milaza fa tamin’ny alalan’ny Teny no namoronan’Andriamanitra ny zavatra hafa rehetra. “Tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ihany ... dia ny Ray, izay niavian’ny zava-drehetra ... Ary tokana ihany ny Tompo, dia i Jesosy Kristy. Tamin’ny alalany no nanaovana ny zava-drehetra.” (1Ko 8:6) Ny Teny na ny Zanak’Andriamanitra no “fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.” Izy no “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra, satria izy no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.”—Ap 3:14; Kl 1:15, 16.
-