-
SykaraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
SYKARA
(Sykàra).
Tanàna samaritanina nisy an’ilay fantsakan’i Jakoba. Tany “akaikin’ilay tany nomen’i Jakoba an’i Josefa zanany” no nisy an’i Sykara, tsy lavitra an’i Sekema. (Jn 4:5, 6; ampit. Js 24:32.) “Sykema” fa tsy “Sykara” no hita ao amin’ny Kôdeksa Sinaitika Syriàka. Ny hoe “Sykara” anefa no ampiasain’ny sora-tanana grika azo antoka indrindra. Misy mpanoratra boky tsy ara-baiboly fahiny milaza fa tsy mitovy i Sekema sy Sykara, misy kosa milaza fa iray ihany ireo. Nisy fikarohana natao tany ambanin’ny tany vao haingana, ka nahatonga olona sasany hanombantombana fa mety ho ny tanàna kelin’i ʽAskar i Sykara. Any amin’ny 700 m any avaratra avaratratsinanan’ilay fantsakan’i Jakoba no misy an’i ʽAskar, ary any amin’ny 1 km eo ho eo any avaratratsinanan’i Sekema.
-