Rano Miboiboika Manome Fiainana Mandrakizay
‘Tsy hangetaheta intsony mihitsy izay rehetra misotro ny rano homeko azy. Fa ilay rano homeko azy dia ho loharano ao anatiny, izay hiboiboika mba hanome fiainana mandrakizay.’—JAONA 4:14.
“NIPOITRA tampoka avy tao ambadiky ny volana ... ny vatosoa miloko manga sy fotsy mamirapiratra. Moa va tsy toy ny perla boribory manga manganohano misalotra voaly fotsy, nipoitra tsikelikely avy tao anaty haizim-pito!”—Edgar Mitchell, mpanamory sambon-danitra, nilazalaza momba ny tany hita avy teny ambony tsy taka-maso.
Nahoana ny tany no manana izany loko mamirapiratra izany, ka nahatonga an’ilay mpanamory hanana aingam-panahy mihitsy? Satria efa ho ny 75 isan-jaton’ny tany no rakotra rano. Manatsara ny endriky ny planetantsika izy io, sady mamelona ny zavaboary eto an-tany koa. Na ny vatantsika aza dia saika rano avokoa ny 65 isan-jato aminy. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Tena iankinan’ny aina ny rano, ary saika ilana azy io avokoa ny zavatra rehetra mitranga ao anatin’ny zavamaniry sy ny biby.”
Tsy mety lany mihitsy ny rano eto an-tany noho ny fisian’ireo tsingerina maro isan-karazany. Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Mivarina any an-dranomasina avokoa ny rano rehetra. Lasa etona izy io rehefa danihin’ny masoandro, ary avy eo lasa orana ka miverina eto an-tany indray. Ny rano taloha ihany no mbola averina ampiasaina atỳ aoriana, ary toy izany hatrany. Misy asany foana ny rano.” Niresaka momba an’izany ny Baiboly, tokony ho 3 000 taona lasa izay. Hoy izy io: “Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray.” Tena mahavariana tokoa ny tsingerin’ny rano!—Mpitoriteny 1:7.
Tena iankinan’ny aina ny rano, ary mahavariana ny fomba ahazoana azy io, ka tsy mahagaga raha resahin’ny Baiboly im-700 mahery. Mampiasa ny teny hoe rano, ohatra, ny Baiboly matetika, mba hilazana fa manadio sy mamelona antsika amin’ny lafiny ara-panahy ny Tenin’Andriamanitra.—Isaia 58:11; Jaona 4:14.
Manadio ny Tenin’Andriamanitra
Nandro sy nisasa tsy tapaka ny Israelita, ka niavaka izy ireo noho ny fahadiovan’ny vatany. Fanaon’izy ireo koa ny nisasa tongotra rehefa niditra ny trano, talohan’ny hisakafoana. (Lioka 7:44) Ankoatra ny fanadiovana ny vatana sy ny fananana, dia nanana fombafomba fidiovana koa ny Israelita. Tsy maintsy nisasa sy nanasa ny akanjony foana, ohatra, ireo mpisorona nanompo tao amin’ny tranolay. (Eksodosy 30:18-21) Nampanao “tavin-drano” varahina i Solomona tatỳ aoriana, ary napetraka tao amin’ny tempolin’i Jerosalema izany. Rano 44 000 litatra mahery no natao tao mazàna, ary ampy tsara nidiovan’ireo nanompo tao amin’ny tempoly izany. (2 Tantara 4:2, 6) Inona no dikan’izany fampiasana rano izany ho an’ny Kristianina ankehitriny?
Nilaza ny apostoly Paoly fa nodiovin’i Jesosy ‘tamin’ny rano fandroana, tamin’ny alalan’ny teny’ ny fiangonana kristianina. Toy ny rano izay manadio ny vatana, dia manadio antsika eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena sy ara-panahy koa ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Lasa “masina sy tsy misy tsiny” ny mpianatr’i Kristy noho izany fanadiovana izany. (Efesianina 5:25-27) Tsy maintsy miezaka àry izay rehetra te hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra, mba ‘tsy hisy pentina sy tsy hisy tsiny’ eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena sy ara-panahy. (2 Petera 3:11, 14) Ahoana no hanampian’ny Tenin’Andriamanitra antsika hanao izany?
Misotro an’ilay rano an’ohatra, izany hoe mianatra Baiboly tsy tapaka, izay rehetra te hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra. Raha manohina ny fony sy misy heriny eo amin’ny sainy ny zavatra ianarany, dia haniry mafy hampihatra izao lazain’ny Baiboly izao izy: “Miovà ka havaozy ny sainareo, mba handinihanareo tsara ka hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.”—Romanina 12:2.
Rehefa mahalala tsara ny sitrapon’Andriamanitra ny olona iray, dia lasa fantany ny tsy mety amin’ny fomba fisainany sy ny fitondran-tenany. Rehefa mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly izy, dia ho toy ny rano ny Tenin’Andriamanitra ka hanasa azy “madio tsara”, eny fa na dia nanao fahotana lehibe aza izy.—1 Korintianina 6:9-11.
Nanao fiovana toy izany i Alfonso, any Espaina. Hoy izy: “Tsy nahafinaritra ahy ny fiainako tamin’izaho 18 taona.” Mpidoroka zava-mahadomelina izy tamin’izany, sady jiolahy raindahiny. Hoy ihany izy: “Nahatsiaro tena ho maloto aho noho ny fomba nitondrako ny tenako sy ny fomba nitondrako ny hafa.”
“Nahamarika ankizivavy iray izay aho tany am-pianarana. Madio sy milamina izy sady hendry be, ka niavaka tamin’ny ankizy rehetra. Lasa naniry hanana fiainana madio toa azy koa aho. Nanaiky aho rehefa nasainy hanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nianatra Baiboly aho tsy ela taorian’izay, ary nanomboka nifandray tamin’Andriamanitra. Nanadio ny fiainako aho tao anatin’ny herintaona ary natao batisa. Nahita izany fiovako izany ireo olona manan-janaka mifoka rongony teny akaikinay, ka niangaviany aho mba hanampy ny zanany.”
Rano manome fiainana mandrakizay
Nanazava momba ny “rano velona” i Jesosy, rehefa niresaka tamin’ny vehivavy samaritanina iray nantsaka teo amin’ny lavadranon’i Jakoba. Hoy izy: “Izay rehetra misotro ny rano homeko azy [dia] tsy hangetaheta intsony mihitsy. Fa ilay rano homeko azy dia ho loharano ao anatiny, izay hiboiboika mba hanome fiainana mandrakizay.” (Jaona 4:10, 14) Hita avy amin’io tenin’i Jesosy io, fa ny fandaharana nataon’Andriamanitra mba hahazoantsika fiainana mandrakizay, ilay “rano velona.” Ny sorom-panavotan’i Kristy Jesosy, no anisan’ny lehibe indrindra amin’io fandaharana io. Hoy i Jesosy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.
Sarobidy amin’i Alfonso ilay “rano velona” avy amin’Andriamanitra. Hoy izy momba an’ireo namany tsy niala tamin’ny fanaovana heloka bevava sy ny fidorohana zava-mahadomelina: “Maty daholo ry zareo, anisan’izany ny zokiko lahy. Izany koa no ho niafarako raha tsy nahalala ny Tenin’Andriamanitra aho. Mbola velona aho ankehitriny noho ny fandaharana nataon’i Jehovah.” Miandrandra an’ilay fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra izao i Alfonso.—2 Petera 3:13.
Fanasana ho an’ny rehetra
Miresaka momba ny “reniranon’ny ranon’aina” ny boky farany ao amin’ny Baiboly. ‘Mangalahala toy vato kristaly izy io ary mikoriana avy eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.’ (Apokalypsy 22:1) Tsy inona io renirano io fa ny fandaharana ataon’Andriamanitra, mba hahatonga ny olombelona ho lavorary toa an’i Adama sy Eva tamin’ny voalohany.
Rehefa avy niresaka momba an’ilay renirano ny bokin’ny Apokalypsy, dia nanasa ny olona rehetra toy izao: “Aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” (Apokalypsy 22:17) Aely maneran-tany izany fanasana izany ankehitriny. Manokana ora arivo tapitrisa mahery isan-taona ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany maherin’ny 235, mba hanampiana ny olona handray an’ilay fahalalana raketin’ny Baiboly, izay manome fiainana.
Mangetaheta an’io rano manome fiainana io ve ianao? Raha izany no izy, dia mila misotro an’ilay rano mangalahala toy ny vato kristaly ianao, izany hoe mamantatra ny fandaharana rehetra nataon’ny Mpamorona sy miezaka mandray soa avy amin’izy ireny. “Hanana harena tsara tahiry” ianao raha manao izany, dia “fototra tsara ho amin’ny hoavy.” ‘Amin’izay ianao dia hihazona mafy ny tena fiainana.’—1 Timoty 6:19.
[Teny notsongaina, pejy 14]
Manadio antsika eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena sy ara-panahy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly
[Efajoro/Sary, pejy 15]
FOMBA NAHAZOANA RANO FAHINY
Niezaka mafy nitady rano azo antoka ny olona fahiny. Nandavaka lavadrano teo akaikin’i Beri-sheba i Abrahama sy Isaka, mba hahazoana rano ho an’ny fianakaviany sy ny biby fiompiny.—Genesisy 21:30, 31; 26:18.
Tsy maintsy atao lalina ny lavadrano mba ho ampy foana ny rano ao anatiny. Raha tsy izany mantsy dia ho ritra izy io mandritra ny vanin-taona mafana. (Ohabolana 20:5) Mahatratra 44 metatra ny halalin’ny lavadrano iray hita tany Lakisy. Maherin’ny 25 metatra kosa ny lavadrano hafa iray hita tany Gibeona, ary 11 metatra ny savaivony. Vato 3 000 taonina teo ho eo no nohadina tao. Nilaza tamin’i Jesosy ilay vehivavy samaritanina hoe: “Lalina ny lavadrano.” Tany amin’ny 23 metatra ambanin’ny tany angamba ny haavon’ny rano, tao amin’io lavadrano io.—Jaona 4:11.
Nampiasa lavaka fanangonan-drano koa ny mponina tany Israely sy ny firenena nanodidina azy fahiny. Nihady lavaka lehibe ny Israelita mba hanaovana izany. (2 Tantara 26:10) Ny ranonorana nirotsaka teo anelanelan’ny Oktobra sy Aprily no nangonin’izy ireo tao. Nasiana tatatra teny amin’ireo havoana mba hitondra ny ranonorana hankao amin’ilay lavaka.
Tsy mora ny misintona rano amin’ny lavadrano sy lavaka fanangonan-drano. Niasa mafy ny vehivavy toa an-dry Rebeka sy ny zanakavavin’i Jetro, rehefa nisintona rano isan’andro ho an’ny fianakaviany sy ny biby fiompiny.—Genesisy 24:15-20; Eksodosy 2:16.
[Sary, pejy 15]
Alfonso, mitory ny Tenin’Andriamanitra