Vatosoan’ny Filazantsaran’i Jaona
NANOSIKA ny apostoly Jaona be taona hanoratra ny fitantarana mampihetsi-po ny amin’ny fiainan’i Jesosy Kristy sy ny fanompoany, ny fanahin’i Jehovah. Nosoratana tany Efesosy na tany akaikiny tamin’ny taona 98 am. fan. ir. tany ho any io filazantsara io. Kanefa karazana fitantarana manao ahoana izy io? Ary inona no sasantsasany amin’ireo vatosoa raketiny?
Famenony betsaka
Nahay nifantina i Jaona ary kely ihany no naveriny tamin’izay nosoratan’i Matio, Marka ary Lioka. Raha ny marina, ny fitantarany amin’ny maha-vavolombelona nanatri-maso azy dia famenony betsaka, hany ka maherin’ny 90 isan-jaton’io fitantarana io no mahafaoka izay tsy voalaza tao amin’ireo filazantsara hafa. Ohatra, izy irery no miresaka amintsika ny amin’ny fisian’i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy sy ny amin’ny “Teny tonga nofo” (1:1-14). Raha nilaza ireo mpanoratra ny filazantsara hafa fa nanadio ny tempoly i Jesosy tamin’ny faran’ny fanompoany, dia nilaza kosa i Jaona fa nanao izany koa i Kristy teo am-piandohan’io (2:13-17). Ilay apostoly be taona irery no miresaka amintsika ny amin’ny fahagagana sasantsasany nataon’i Jesosy, toy ny fanovana rano ho divay, ny fananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty ary ny fanjonoana mahagaga taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. — 2:1-11; 11:38-44; 21:4-14.
Miresaka ny fomba nanorenan’i Jesosy ny Fahatsiarovana ny nahafatesany avokoa ireo mpanoratra ny filazantsara, saingy i Jaona irery no nampiseho fa i Kristy dia nanome an’ireo apostoliny fianarana ny amin’ny fanetren-tena, tamin’ny fanasana ny tongotr’izy ireo tamin’io alina io. I Jaona irery ihany koa no nitantara ny resaka tamim-pifankazarana nataon’i Jesosy sy ny vavaka ho an’ireo mpianany tamin’io fotoana io. — 13:1-17:26.
Ao amin’io filazantsara io, ny anarana hoe Jaona dia manondro an’ilay Mpanao batisa, ny mpanoratra kosa dia niantso ny tenany hoe: ‘Ilay mpianatra tian’i Jesosy’ (13:23). Tia tokoa an’i Jesosy ilay apostoly, ary mitombo ny fitiavantsika an’i Kristy rehefa milazalaza azy ho toy ny Teny, ny mofon’aina, ny fahazavan’izao tontolo izao, ny Mpiandry tsara, ny lalana sy fahamarinana ary fiainana i Jaona (1:1-3, 14; 6:35; 8:12; 10:11; 14:6). Izany dia mifanitsy amin’izao zavatra tian’i Jaona holazaina izao: “Fa voasoratra izao mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany raha mino hianareo.” — 20:31.
Fanetren-tena sy fifaliana
Mampahafantatra an’i Jesosy ho toy ny Teny sy Zanak’ondry izay manaisotra ny fahotana ny filazantsaran’i Jaona ary mitanisa ireo fahagagana porofon’ny maha-“Ilay masin’Andriamanitra” azy (1:1-9:41). Ankoatra ny zavatra hafa, ilay fitantarana dia mampisongadina ny fanetren-tena sy ny fifalian’i Jaona Mpanao batisa. Mpialoha lalana an’i Jesosy i Jaona saingy hoy izy hoe: “Tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.” (1:27) Ny kapa dia voafehy tamin’ny kofehy hoditra na fehy. Anjara asa voatokana ho an’ny mpanompo iray ny namaha ny fehin-kapan’ny olona iray ary nitondra izany. Nampiseho tamin’izany ny fanetren-tenany sy ny fahatsapany ny maha-tsinontsinona azy raha ampitahaina amin’ny Mpampianatra azy i Jaona Mpanao batisa. Endrey izany fianarana tsara dia tsara satria ny manetry tena ihany no mendrika hanompo an’i Jehovah sy ilay Mpanjaka mesianikany! — Salamo 138:6; Ohabolana 21:4.
Tsy sosotra tamim-piavonavonana noho ny amin’i Jesosy i Jaona fa nanambara toy izao: “Ny sakaizan’ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy dia mifaly indrindra noho ny feon’ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.” (3:29) Tamin’ny naha-solontenan’ny mpampakatra azy, ny sakaizan’ny mpampakatra dia manomana ny raharaham-panambadiana, indraindray dia mandamina ny fampakaram-bady ka manolotra fanomezana ho an’ny ampakarina ary ny vodiondry ho an’ny rainy. Manana antony hifaliana io iraka io rehefa tontosa ny asany. Sahala amin’izany i Jaona dia nifaly tamin’ny fitondrana an’i Jesosy ho any amin’ny mpikambana voalohany amin’ny ampakariny (Apokalypsy 21:2, 9). Toy ny fanompoan’ny sakaizan’ny mpampakatra naharitra fotoana fohy fotsiny, dia toy izany koa, ny asan’i Jaona dia nifarana tsy ela. Tsy maintsy nihena izy raha mbola nitombo i Jesosy. — Jaona 3:30.
Ny fiheveran’i Jesosy ny vahoaka
Niresaka tamin’ny vehivavy samaritana ny amin’ny rano ara-panoharana izay manome ny fiainana mandrakizay i Jesosy teo amin’ny fantsakana iray teo akaikin’ny tanànan’i Sykara. Rehefa tonga ireo mpianany dia “gaga satria vehivavy no niresahany.” (4:27) Nahoana no toy izany ny fihetsik’izy ireo? Satria ny Jiosy dia nanamavo ny Samaritana ary tsy nanan-draharaha taminy (4:9; 8:48). Tsy fanaon’ny Mpampianatra jiosy koa ny niresaka tamim-behivavy ampahibemaso. Kanefa ny fiheveran’i Jesosy tamim-pangoraham-po ny vahoaka dia nanosika azy hanao fanambarana ary noho izany ireo mponina tao an-tanàna dia “nankeo amin’i Jesosy.” — 4:28-30.
Ny fiheverana ny vahoaka no nanosika an’i Jesosy hilaza hoe: “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.” (7:37) Miharihary fa nanisy fitenenana ny amin’ny fanao fanampiny tamin’ny andro fahavalo amin’ny Andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano ratsan-kazo i Jesosy. Isa-maraina nandritra ny fito andro, ny mpisorona dia nisintona rano avy tamin’ny farihin’i Siloama ary nandraraka izany tao amin’ny alitaran’ny tempoly. Ankoatra ny zavatra hafa, dia nolazaina fa tandindon’ny filatsahan’ny fanahy masina izany. Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 am. fan. ir. ny fanahin’Andriamanitra dia nanosika ireo mpanara-dia an’i Jesosy hitondra ranon’aina ho an’ny mponina manerana ny tany manontolo. Avy amin’i Jehovah “loharanon’aina”, amin’ny alalan’i Kristy, ihany no mety hahazoana ny fiainana mandrakizay. — Jeremia 2:13; Isaia 12:3; Jaona 17:3.
Ny fiahian’ilay Mpiandry tsara
Ny fiheveran’i Jesosy ny vahoaka dia miharihary amin’ny maha-Mpiandry tsara azy izay miahy ireo ondry mpanara-dia azy. Na dia efa antomotra aza ny fahafatesany, dia nanome torohevitra feno fitiavana ho an’ireo mpianany sy nivavaka ho azy ireo i Jesosy (10:1-17:26). Mifanohitra amin’ny mpangalatra na mpandroba, i Jesosy dia miditra ao amin’ny valan’ondry amin’ny varavarana (10:1-5) Ny valan’ondry dia fefy izay niaro ny ondry nandritra ny alina tamin’ny mpangalatra sy ny biby mpihaza. Nisy tamboho vato izy io, angamba notaingenana tsilo, ary mpiandry varavarana iray no niambina ny fidirana.
Afaka nitana valan’ondry tokana ny mpiandry ondry maromaro, saingy tsy nanaraka afa-tsy ny feon’ny mpiandry azy avy ny ondry. Ao amin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe: Fomba sy fanao ao amin’ireo tanin’ny Baiboly (anglisy) dia milaza toy izao i Fred H. Wight: “Rehefa hita fa ilaina ny manasaraka andian’ondry maromaro, ireo mpiandry ondry dia hifandimby hitsangana ary hiantso hoe: ‘Tahhoo! Tahhoo!’ na fiantsoana mitovy amin’izany nofidiny manokana. Manandratra ny lohany ireo ondry, ary aorian’ny fifanositosehana ombieny ombieny, dia manomboka manaraka ireo mpiandry azy avy izy ireo. Zatra marina tokoa ny toe-peon’ny mpiandry azy ireo ondry. Matetika no mampiasa fiantsoana sahala amin’izany ireo vahiny, saingy ny fanandramany hitarika ny ondry hanaraka azy dia mandrakariva no tsy mahomby.” Tsara ny manamarika ny tenin’i Jesosy hoe: “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay.” (10:27, 28) Ny “ondry vitsy” sy ny “ondry hafa” dia samy mahalala ny feon’i Jesosy, manaraka ny fitarihany ary mifaly amin’ny fitandremany feno fitiavana. — Lioka 12:32; Jaona 10:16.
Ilay Zanak’Andriamanitra tsy nivadika hatrany
I Kristy dia tsy nivadika na oviana na oviana tamin’Andriamanitra ary ohatra amin’ny maha-mpiandry feno fitiavana azy nandritra ny fiainany teto an-tany. Ny fangoraham-pony dia niharihary koa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Ny fiheverana amim-pangoraham-po ny hafa no nanosika an’i Jesosy hampirisika an’i Petera hamahana ny ondriny. — 18:1-21:25.
Tamin’ny nanomboana azy tamin’ny hazo fijaliana, i Jesosy dia namela ohatra tsara ho antsika ny amin’ny tsy fivadihana hatramin’ny fahafatesana. Ny fahafaham-baraka iray niaretany ho fahatanterahan’ny faminaniana dia izay nataon’ny miaramila ‘nizara ny fitafiany’ (Salamo 22:18). Niloka izy ireo mba hamantarana hoe iza no hahazo ny akanjo anatiny tsara (amin’ny teny grika khi-ton’), voatenona tsy nisy vitrana (19:23, 24). Io karazana akanjo lava io dia nety ho voatenona tamin’ny volon’ondry na hariry madinika, didy tokana ary nety ho niloko fotsy na nisoratsoratra. Matetika tsy nisy tanany io akanjo nanolo-koditra io ary tonga hatreny amin’ny lohalika na eny amin’ny kitrokely mihitsy aza. Tsy azo lavina fa tsy olona fatra-pitia zavatra ara-nofo i Jesosy, kanefa nanao akanjo tsara karazana izy, dia ilay akanjony lava tsy nisy vitrana.
Nandritra ny fisehoany iray taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty dia niarahaba ny mpianany tamin’izao teny izao i Jesosy: “Fiadanana ho anareo.” (20:19). Teo amin’ny Jiosy, izany dia fiarahabana nahazatra (Matio 10:12, 13). Ho an’ny maro, ny fampiasana io teny io dia nety tsy hisy heviny firy. Kanefa tsy toy izany tamin’i Jesosy izay nilaza tamin’ny mpianany, taloha kelin’izay hoe: “Fiadanana no avelako ho anareo; ny fiadanako no omeko anareo.” (Jaona 14:27) Ny fiadanana izay nomen’i Jesosy ny mpianany dia nifototra tamin’ny finoan’izy ireo azy ho toy ny Zanak’Andriamanitra ary natao mba hampionona ny fony sy ny sainy.
Sahala amin’izany, dia afaka ny hifaly amin’ny “fiadanan’Andriamanitra” isika. Azontsika atao ny mankamamy io fahatoniana tsy manan-tsahala io izay azo avy amin’ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny Zanaka malalany. — Filipiana 4:6, 7.