Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Samaritana maro be no nino
REHEFA niverina avy tany an-tanàna nitondra sakafo ireo mpianatra dia nahita an’i Jesosy teo akaikin’ilay fantsakana nandaozan’izy ireo azy. Niresaka tamin’ny vehivavy samaritana iray anefa i Jesosy izao. Rehefa tonga ireo mpianatra, dia lasa izy, ka namela teo ny sininy ary nankany an-tanàna.
Liana mafy tamin’izay noresahin’i Jesosy taminy izy ka nanambara tamin’ireo mponina tao amin’ilay tanàna hoe: “Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra.” Avy eo, tamin’ny fomba nanaitra ny fahalianan’izy ireo hahafanta-javatra, dia nanontany azy ireo toy izao izy: “Izao angaha no Kristy?” Nahatratra ny zava-nokendreny ilay fanontaniana: lasa nijery izany izy ireo.
Nandritra izany fotoana izany, dia nandodona an’i Jesosy mba hihinana ny sakafo notadiavin’izy ireo tany an-tanàna ny mpianatra. Izao anefa no navaliny azy ireo: “Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.”
“Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re?”, hoy ireo mpianatra nifanontany. Nanazava tamin’izy ireo toy izao i Jesosy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany. Moa hianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa dia tonga ny fararano? Niresaka ny amin’ny fijinjana ara-panahy anefa izy ka nanampy teny toy izao: “Izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.”
Angamba i Jesosy nieritreritra ny amin’ireo vokatra tsara dia tsara ho azo noho ny fanambarana natao tamin’ny alalan’ilay vehivavy samaritana, satria maro be no nino azy noho ny fanamarinan-dravehivavy. Rehefa tonga nanatona an’i Jesosy teo akaikin’ny fantsakana ireo lehilahy tany Sykara, dia nangataka azy izy ireo mba hijanona tao aminy hiresaka amin’izy ireo bebe kokoa. Nanaiky ny fanasany i Jesosy ka nijanona tao indroa andro.
Nihaino an’i Jesosy ireo Samaritana, ary nino azy bebe kokoa ihany. Dia hoy izy ireo tamin’ilay vehivavy: “Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.” Tsy isalasalana fa io vehivavy samaritana io dia manome antsika ohatra tsara dia tsara raha ny amin’ny fanaovana fanambarana momba an’i Kristy, amin’ny fanairana ny fahalianan’izay mety ho mpihaino antsika, mba hitadiavany hahafantatra bebe kokoa ny amin’izany.
Tadidio fa izany dia nitranga efa-bolana talohan’ny fijinjana — miharihary tokoa fa ny fijinjana ny vary hordea — izay mitranga amin’ny lohataona any Palestina. Azo inoana àry fa nitranga tamin’ny novambra na tamin’ny desambra izany. Milaza izany fa taorian’ny Paska taona 30 amin’ny fanisan-taona iraisana i Jesosy sy ny mpianany dia nijanona tokony ho valo volana tany Jodia, mba hampianatra sy hanao batisa ireo izay nanaraka azy. Izao izy ireo dia nankany Galilia, faritra nonenany. Fa inona no hitranga amin’izy ireo any? Jaona 4:27-42.
◆ Inona no fanambarana nataon’ilay vehivavy samaritana ary inona no vokany?
◆ Sakafo inona no noresahin’i Jesosy nifandray tamin’ny fijinjana?
◆ Ahoana no azontsika amerana ny faharetan’ny fanompoan’i Jesosy tany Jodia taorian’ny Paska taona 30?
[Sary, pejy 25]