Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
“Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.” — MATIO 16:16.
1, 2. a) Amin’ny fomba ahoana no azo amantarana ny fahalehibeazan’ny lehilahy iray? b) Lehilahy iza avy teo amin’ny tantara no nantsoina hoe Lehibe, ary nahoana?
IZA no heverinao fa ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany? Ahoana no amaritanao ny fahalehibeazan’ny lehilahy iray? Amin’ny fahaizany ara-tafika miavaka ve? sa amin’ny fahaizany ara-tsaina ambony? sa amin’ny heriny ara-batana?
2 Nisy mpanapaka samihafa nantsoina hoe Lehibe, toa an’i Kyrosy Lehibe, i Alexandre Lehibe ary i Charlemagne, izay nomena ny anarana hoe “Lehibe” na dia nandritra ny androm-piainany aza. Tamin’ny fanatrehany nahatahotra, ny lehilahy toy ireo dia nanan-kery lehibe teo amin’ireo nampiharany fanapahana.
3. a) Fitsapana inona no hamaritana ny fahalehibeazan’ny lehilahy iray? b) Araka io fitsapana io, iza no ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany?
3 Mahaliana fa nilazalaza ny amin’ny fitsapany ho famaritana ny fahalehibeazan’ny lehilahy iray, ilay mpanoratra tantara atao hoe H. G. Wells. Dimampolo taona mahery lasa izay, dia nanoratra toy izao izy: “Ny fitsapan’ny mpanoratra tantara iray ny amin’ny fahalehibeazan’ny olona iray dia hoe: ‘Inona no natombony ka navelany hitombo aorian’ny fahafatesany? Moa ve izy nahatonga ny olona hisaina araka ny fomba fieritreritra vaovao ary nanao izany tamin’ny tanjaka izay haharitra any aoriany?’ Mijoro ho loha laharana i Jesosy amin’io fitsapana io”, hoy ny fanatsoahan-kevitr’i Wells. Na dia i Napoléon Bonaparte aza dia nanamarika hoe: “I Jesosy Kristy dia nanan-kery teo amin’ny olom-peheziny sy nibaiko azy tsy nila ny nanatrika ara-batana sy hita maso.”
4. a) Fomba fihevitra mifanohitra inona avy no hita momba an’i Jesosy? b) Toerana eo amin’ny tantara inona no omen’ny mpanoratra tantara tsy kristiana iray an’i Jesosy?
4 Kanefa, nisy nanohitra tamin’ny filazana fa tsy olona ara-tantara i Jesosy, fa angano. Mifanohitra tanteraka amin’izany kosa, dia misy olona maro manao an’i Jesosy ho Andriamanitra, amin’ny filazana fa tonga teto an-tany ho Jesosy Andriamanitra. Nanorina ireo fanatsoahan-keviny tamin’ny porofo ara-tantara fotsiny ny amin’ny nisian’i Jesosy tamin’ny naha-olona anefa i Wells ka nanoratra hoe: “Sady mahaliana no zava-dehibe ny hahitan’ny mpanoratra tantara iray, izay tsy manana fitompoan-teny fantatra ara-teôlôjia na dia kely aza, fa tsy afaka ny hilazalaza amim-pahamarinana ny amin’ny fizotran’ny taranak’olombelona ny tenany raha tsy manome toerana voalohany ho an’ny mpampianatra avy tany Nazareta iray tsy nanana variraiventy. (...) Ny mpanoratra tantara iray tahaka ny tenako, izay tsy manao ny tenany ho kristiana akory, dia mahita fa mifototra amin’ny fomba tsy hay tohaina amin’ny fiainana sy ny toetr’io lehilahy nanan-keviny lehibe indrindra io izany fizotran’ny taranak’olombelona izany.”
Tena nisy tokoa ve i Jesosy?
5, 6. Inona no lazain’i H. G. Wells sy i Will Durant, samy mpanoratra tantara, momba ny maha-tena nisy an’i Jesosy teo amin’ny tantara?
5 Ahoana anefa raha misy olona milaza aminao fa tsy tena nisy na oviana na oviana i Jesosy, fa hoe angano, na zavatra noforonin’olona sasantsasany tamin’ny taonjato voalohany izy io, raha ny tena izy? Ahoana no hamalianao izany fiampangana izany? Na dia miaiky aza i Wells fa “tsy mahafantatra firy momba [an’i Jesosy] toy ny aniriantsika azy isika”, dia manao izao fanamarihana izao ihany izy: “Ireo Filazantsara efatra (...) dia mifanaraka tsara mba hanomezana antsika sary ny amin’ny olona iray manana ny maha-izy azy voafaritra tsara; mitondra ny marika mandresy lahatra ananan’ny zavatra tena misy izy ireo. Ny fiheverana fa tsy nisy na oviana na oviana izy, fa zavatra noforonina ireo tantara momba ny fiainany, dia sarotra kokoa sy mampipoitra zava-manahirana maro lavitra noho ny fanekena ho toy ny zava-nisy ireo foto-javatra mahaforona ny fitantaran’ireo Filazantsara.”
6 Ilay mpanoratra tantara hajain’ny rehetra atao hoe Will Durant dia nanana fomba fanjohian-kevitra mitovy amin’izany, ka nanazava hoe: “Ny hoe nisy olon-tsotra sasantsasany [niantso ny tenany hoe kristiana] nahavita namorona tao anatin’ny taranaka iray, olona niavaka tsara iray izay nanana toetra nahery sy nanintona aoka izany, fitsipi-pitondrantena ambony aoka izany ary fahitana ny amin’ny firahalahian’ny olombelona mandrisika aoka izany, dia ho fahagagana sarotra inoana lavitra noho izay voatantara ao amin’ireo Filazantsara.”
7, 8. Nisy heriny nanao ahoana teo amin’ny tantaran’ny olombelona moa i Jesosy?
7 Afaka miara-manjohy hevitra toy izao amin’ny mpisalasala toy izany àry ianao: Ho azon’ny olona araka ny angano iray — olona tsy tena nisy na oviana na oviana — atao ve ny hisy heriny eo amin’ny tantaran’olombelona amin’ny fomba miavaka toy izany? Nanamarika toy izao ilay boky atao fakàn-teny hoe Ny tantaran’izao tontolo izao nataon’ny mpanoratra tantara (anglisy): “Ny vokatry ny asan’[i Jesosy] teo amin’ny tantara dia lehibe kokoa, na dia amin’ny lafiny ivelan’ny fivavahana fotsiny aza, noho ny zava-bitan’olon-kafa na iza na iza teo amin’ny tantara. Nanomboka teo amin’ny fotoana nahaterahany ny vanim-potoana vaovao iray, izay eken’ireo sivilizasiona lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao.” Eritrereto ange izany e. Na dia ny fitadidianandro amin’izao andro izao aza dia mifototra amin’ny taona heverina fa nahaterahan’i Jesosy. “Ireo daty talohan’io taona io dia alahatra araka ny hoe al.J.K., na hoe alohan’i Jesosy Kristy”, hoy ny fanazavan’ny Ny firaketana ny amin’ireo bokin’izao tontolo izao (anglisy). “Ireo taona taorian’io taona io dia alahatra araka ny hoe A.D., na hoe anno Domini (amin’ny taonan’ny Tompontsika).”
8 Tamin’ny alalan’ireo fampianarany nahery sy ny nampifanarahany ny fiainany tamin’izany, i Jesosy dia nisy heriny lehibe teo amin’ny fiainan’olona tsy tambo isaina nandritra ny efa ho roa arivo taona. Nanambara izany tamin’izao fomba mety tsara izao ny mpanoratra iray: “Ny tafika rehetra namindra hatramin’izay, ny tafika an-dranomasina rehetra namboarina hatramin’izay ary ny antenimieram-pirenena rehetra nivory hatramin’izay sy ny mpanjaka rehetra nanapaka hatramin’izay, ireo rehetra ireo atambatra dia tsy nisy heriny teo amin’ny fiainan’ny olombelona teto an-tany tamin’ny fomba nahery toy izany.” Na dia izany aza, dia mbola misy mpanakiana manao hoe: ‘Ny hany tena fantatsika momba an’i Jesosy dia hita ao amin’ny Baiboly. Tsy misy fitantarana hafa momba azy natao tamin’ny andro niainany.’ Kanefa marina ve izany?
9, 10. a) Inona no nolazain’ireo mpahay tantara sy mpanoratra tsy ara-pivavahana tamin’ny taonjato voalohany, momba an’i Jesosy? b) Miorina amin’ny fanamarinan’ireo mpanoratra tantara tamin’ny taonjato voalohany, inona moa no fanatsoahan-kevitra nataon’ny firaketana eken’ny rehetra iray?
9 Na dia vitsy dia vitsy aza ireo firesahana momba an’i Jesosy Kristy nataon’ireo mpanoratra tantara tsy ara-pivavahana tamin’ny taonjato voalohany, dia misy izany firesahana izany. Nanoratra i Cornélius Tacite, mpanoratra tantara romana nohajain’ny rehetra tamin’ny taonjato voalohany, fa ilay emperora romana atao hoe Néron dia ‘niampanga tamin-kery ny kristiana ho fototry ny nandoroana an’i Roma’, ary avy eo dia nanazava i Tacite hoe: “Ny anarana [hoe kristiana] dia avy amin’ny hoe Kristy, izay novonoin’i Pontio Pilato mpitsara nandritra ny fanapahan’i Tiberio.” I Suétonius sy i Pline le Jeune, mpanoratra romana hafa tamin’izany fotoana izany, koa dia nanisy fitenenana momba an’i Kristy. Ankoatra izany, i Flavius Josèphe, mpanoratra tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany, dia nanoratra tao amin’ny Ireo rakitry ny elan’ireo Jiosy (anglisy), momba ny nahafatesan’i Jakoba, mpianatra kristiana. I Jakoba, hoy i Josèphe nanazava, dia “rahalahin’i Jesosy, ilay nantsoina hoe Kristy.”
10 Manatsoaka hevitra toy izao àry Ny firaketana britanika vaovao (anglisy): “Manaporofo ireo fitantarana tsy mifampiankina ireo fa, tamin’ny andro fahiny, na dia ireo mpanohitra ny kristianisma aza dia tsy nisalasala na oviana na oviana ny amin’ny nisian’i Jesosy teo amin’ny tantara, izay nolavina voalohany ary noho ny antony tsy ampy, tamin’ny faran’ny taonjato faha-18, nandritra ny taonjato faha-19 ary tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20.”
Iza marina moa i Jesosy?
11. a) Raha ny tena fotony no jerena, inona no hany loharanom-panazavana ara-tantara momba an’i Jesosy? b) Fanontaniana inona no nataon’ireo mpanara-dia an’i Jesosy mihitsy momba ny maha-izy azy?
11 Ny tena fototr’izay rehetra fantatra momba an’i Jesosy anefa, dia noraisin’ireo mpanara-dia azy tamin’ny taonjato voalohany, an-tsoratra. Ny fitantaran’izy ireo dia voatahiry ao amin’ireo Filazantsara — ireo boky ao amin’ny Baiboly nosoratan’ny roa tamin’ireo apostoliny, dia i Matio sy i Jaona, sy ny roa tamin’ireo mpianany, dia i Marka sy i Lioka. Inona no ahariharin’ireo fitantarana ireo momba ny maha-izy an’i Jesosy? Iza marina moa izy io? Nieritreritra momba izany fanontaniana izany ireo niaraka tamin’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. Rehefa nahita an’i Jesosy niteny mafy nampitony ranomasina nisamboaravoara izy ireo, dia talanjona ka nanontany tena hoe: “Iza marina àry ity?” Tamin’ny toe-javatra hafa iray tatỳ aoriana, dia nanontany ny apostoliny i Jesosy hoe: ‘Manao ahy ho iza moa ianareo?’ — Marka 4:41, MN; Matio 16:15.
12. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy Andriamanitra akory i Jesosy?
12 Raha anontaniana toy izany ianao, dia ahoana no havalinao? Iza marina moa i Jesosy? Mazava ho azy fa hisy olona maro ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana hilaza fa ilay Andriamanitra Tsitoha niseho ho olombelona, Andriamanitra tonga olona, izy. Kanefa, tsy nihevitra azy ho Andriamanitra na oviana na oviana ireo niaraka akaiky taminy. Ny apostoly Petera dia niantso azy hoe “Kristy, Zanak’Andriamanitra velona”. (Matio 16:16). Ary na hitady toy inona aza ianao, dia tsy hamaky na aiza na aiza hoe nihambo ho Andriamanitra i Jesosy. Nilaza tamin’ireo Jiosy kosa aza izy fa “Zanak’Andriamanitra” ny tenany, fa tsy Andriamanitra akory. — Jaona 10:36.
13. Tamin’ny ahoana i Jesosy no hafa noho ireo lehilahy hafa rehetra?
13 Rehefa nandeha an-tongotra namakivaky ranomasina azon’ny tafio-drivotra i Jesosy, dia nisoritra tao an-tsain’ireo mpianatra ny tsy naha-lehilahy tahaka ny lehilahy hafa rehetra an’i Jesosy. (Jaona 6:18-21). Olona tena nanokana tokoa izy. Izany dia satria taloha izy dia niaina tamin’ny naha-persona ara-panahy niaraka tamin’Andriamanitra tany an-danitra, eny, tamin’ny naha-anjely izay ampahafantarina ao amin’ny Baiboly ho ilay arikanjely. (1 Tesaloniana 4:16; Joda 9). Nahary azy talohan’ny nahariany ny zavatra hafa rehetra Andriamanitra. (Kolosiana 1:15). Araka izany, nandritra ny fotoana tsy hay lazaina, talohan’ny namoronana izao rehetra izao hita maso mihitsy aza, i Jesosy dia nifanerasera akaiky tamin’i Jehovah Andriamanitra Rainy, ilay Mpamorona Lehibe. — Ohabolana 8:22, 27-31; Mpitoriteny 12:1, MN.
14. Ahoana no nahatongavan’i Jesosy ho olona?
14 Avy eo, efa ho roa arivo taona lasa izay, dia nafindran’Andriamanitra tao an-kibon’ny vehivavy iray ny fiainan’ny Zanany. Tamin’izany i Jesosy dia lasa zanak’Andriamanitra olombelona, teraka tamin’ny fomba ara-dalàna tamin’ny alalan’ny vehivavy iray. (Galatiana 4:4). Rehefa nitombo tao an-kibon’i Maria reniny ary avy eo dia nihalehibe tamin’ny naha-zazalahy azy i Jesosy, dia niankina tamin’ireo nofidin’Andriamanitra ho ray aman-dreniny teto an-tany. Tamin’ny farany i Jesosy dia tonga lehilahy lehibe ary, niharihary fa tamin’izay fotoana izay, dia nomena ny fahatsiarovana feno ny fiarahany tamin’Andriamanitra tany an-danitra teo aloha. Izany dia nitranga rehefa “nisokatra taminy ny lanitra” tamin’ny fotoan’ny batisany. — Matio 3:16; Jaona 8:23; 17:5.
15. Ahoana no ahafantarantsika fa tena olombelona i Jesosy fony izy teto an-tany?
15 Marina tokoa fa olona tsy nanan-tsahala i Jesosy. Na dia izany aza dia lehilahy izy, nitovy tamin’i Adama, ilay lehilahy noforonin’Andriamanitra tany am-boalohany ary napetrany tao amin’ny saha Edena. Nanazava toy izao ny apostoly Paoly: “ ‘Tonga fanahy (âme) velona ilay lehilahy voalohany, Adama’. Ilay Adama farany tonga fanahy (esprit) mahavelona.” Nantsoina hoe “ilay Adama farany” i Jesosy satria, toa an’ilay Adama voalohany, dia olombelona tanteraka izy. Rehefa maty anefa i Jesosy, dia natsangana tamin’ny maty ary avy eo dia nankany amin’ny Rainy any an-danitra indray tamin’ny naha-persona ara-panahy. — 1 Korintiana 15:45, MN.
Ny fomba tsara indrindra hianarana momba an’Andriamanitra
16. a) Inona no nahatonga ny fifaneraserana tamin’i Jesosy ho tombontsoa lehibe aoka izany? b) Nahoana no azo lazaina fa ny hoe nahita an’i Jesosy dia toy ny hoe nahita an’Andriamanitra?
16 Eritrereto kely vetivety ny tombontsoa mahatalanjona nananan’ireo niaraka akaiky tamin’i Jesosy fony izy teto an-tany! Alao sary an-tsaina ny fihainoana, ny fandinihana ary ny firesahana sy ny fiaraha-niasa mihitsy tamin’Ilay namana akaikin’i Jehovah Andriamanitra tany an-danitra nandritra ny an’arivo tapitrisany taona maro angamba! Tamin’ny naha-zanaka nahatoky azy, i Jesosy dia naka tahaka an-dRainy any an-danitra tamin’izay rehetra nataony. Raha ny marina, dia nanahaka ny Rainy tamin’ny fomba tanteraka aoka izany izy, hany ka afaka niteny tamin’ireo apostoliny, tsy ela talohan’ny namonoana azy, hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jaona 14:9, 10). Eny, tamin’ny tarehin-javatra teto an-tany rehetra natrehiny, i Jesosy dia nanao zavatra tsy nisy hafa tamin’ny ho nanaovan’ny Rainy, ilay Andriamanitra Tsitoha, azy, raha toa ka teto io. Noho izany, rehefa mianatra momba ny fiainan’i Jesosy Kristy sy ny fanompoany isika, raha ny tena izy, dia mianatra ny amin’ny hoe karazana persona manao ahoana Andriamanitra.
17. Zava-kendrena tsara dia tsara inona no notanterahan’ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Jesosy — ny fiainany sy ny fanompoany”?
17 Noho izany, ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Jesosy — ny fiainany sy ny fanompoany”, izay niseho nisesy tao amin’ireo nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana nanomboka tamin’ny 1 Jolay 1985 ka hatramin’ny 1 Septambra 1991, dia tsy vitan’ny hoe nanome filazalazana tsara dia tsara momba an’i Jesosy olombelona ihany, fa nampianatra zavatra be dia be koa momba an’i Jehovah Andriamanitra, Rainy any an-danitra. Taorian’ireo tapany roa voalohany, dia nanoratra ny amin’ny fankasitrahany tany amin’ny Fikambanana Watch Tower toy izao ny mpitory maharitra iray: “Tsy misy fomba tsara kokoa hahatonga antsika ho voatarika hanatona akaiky kokoa ny Ray noho ny fahafantarana ny Zanaka amin’ny fomba tsara kokoa!” Endrey ny fahamarinan’izany! Ny fiahian’ny Ray ny olona amim-pitiavana sy ny fahalalahan-tanany dia hita niavaka teo amin’ny fiainan’ny Zanaka.
18. Iza no Loharanon’ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary tamin’ny fomba ahoana no naneken’i Jesosy izany?
18 Tena nahafinaritra ny nandinika ny fitiavan’i Jesosy ny Rainy, araka ny hita niharihary tamin’ny fanekeny tamin’ny fomba feno ny sitrapon’ny Rainy. “Tsy manao na inona na inona araka ny fanapahan-kevitro manokana aho”, hoy i Jesosy tamin’ireo Jiosy nitady ny hamono azy, “fa araka ny nampianarin’ny Raiko ahy no ilazako izany zavatra izany.” (Jaona 8:28, MN). Tsy i Jesosy àry no loharanon’ny hafatra momba ilay Fanjakana notoriny. I Jehovah Andriamanitra no loharanon’izany! Ary namerimberina nidera ny Rainy noho izany izy. “Izaho tsy niteny ho ahy [avy amin’ny faniriako manokana, MN]”, hoy izy, “fa ny Ray Izay naniraka ahy, Izy no nandidy ahy izay holazaiko sy izay hotoriko [hampianariko, MN]. (...) Koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain’ny Ray tamiko.” — Jaona 12:49, 50.
19. a) Ahoana no ahafantarantsika fa nampianatra tamin’ny fomba ampianaran’i Jehovah i Jesosy? b) Nahoana i Jesosy no ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany?
19 Kanefa tsy nilaza na nampianatra izay nolazain’ny Rainy taminy fotsiny i Jesosy. Nanao mihoatra lavitra noho izany izy. Nilaza na nampianatra izany araka ny ho nilazan’ny Ray na nampianarany azy, izy. Ambonin’izany, tamin’ireo fanaovan-javatra sy fifandraisana rehetra teo amin’ny fiainany, izy dia nitondra tena sy nanao zavatra tsy nisy hafa tamin’ny ho nitondran’ny Ray tena sy nanaovany zavatra tao anatin’ny toe-javatra nitovy tamin’izany. “Tsy afaka manao na inona na inona araka ny fanapahan-keviny manokana ny Zanaka”, hoy i Jesosy nanazava, “fa izay hitany ataon’ny Ray ihany. Fa na inona na inona zavatra ataon’Io, dia manao izany amin’ny fomba mitovy amin’izany koa ny Zanaka.” (Jaona 5:19, MN). Tamin’ny lafiny rehetra, i Jesosy dia taratra tanterak’i Jehovah Andriamanitra Rainy. Tsy mahagaga àry raha izy no ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany! Azo antoka àry fa tena zava-dehibe iankinan’ny aina ny handinihantsika akaiky io lehilahy nanan-keviny lehibe indrindra io!
Hita teo amin’i Jesosy ny fitiavan’Andriamanitra
20. Ahoana no nahafantaran’ny apostoly Jaona fa “Andriamanitra dia fitiavana”?
20 Zavatra inona indrindra no ianarantsika amin’ny fanaovana fianarana lalina sy amim-pitandremana momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany? Niaiky aloha ny apostoly Jaona fa “tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana”. (Jaona 1:18). Kanefa, nanoratra tamim-patokiana tanteraka koa izy ao amin’ny 1 Jaona 4:8 hoe: “Andriamanitra dia fitiavana”. Afaka nilaza izany i Jaona satria nahafantatra ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny alalan’izay hitany teo amin’i Jesosy.
21. Inona teo amin’i Jesosy no nahatonga azy ho ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany?
21 Sahala amin’ny Ray, i Jesosy dia nahay nangoraka, tsara fanahy, nanetry tena ary azo nohatonina. Tsy saikatsaikatra ireo osa sy ireo ory niaraka taminy, toy ny karazan’olona rehetra — ny lehilahy, ny vehivavy, ny ankizy, ny nanankarena, ny nahantra, ny nanan-kery ary na dia ny nalaza ho mpanota aza. Marina tokoa fa ny ohatra tsy nanam-paharoa nomen’i Jesosy raha ny amin’ny fitiavana, ho fanahafana ny Rainy, indrindra no tena nahatonga azy ho ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. Na dia i Napoléon Bonaparte aza dia voalaza fa niteny hoe: “I Alexandre, i César, i Charlemagne ary ny tenako dia samy nanorina empira, nefa teo ambonin’inona no nanankinanay ireny zavatra nateraky ny fahaizanay ambony manokana ireny? Teo ambonin’ny hery. I Jesosy Kristy irery no nanorina ny fanjakany teo ambonin’ny fitiavana, ary amin’izao andro izao dia mbola misy olona an-tapitrisany maro vonona ny ho faty ho azy.”
22. Inona no naha-hafa dia hafa tanteraka ireo fampianaran’i Jesosy?
22 Hafa dia hafa tanteraka ireo fampianaran’i Jesosy. “Aza manohitra izay manisy ratsy anao”, hoy ny fampirisihan’i Jesosy, “fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.” “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo.” ‘Ataovy amin’ny hafa izay tianareo hataony aminareo.’ (Matio 5:39, 44; 7:12). Ho hafa toy inona moa izao tontolo izao raha nampihatra ireo fampianarana ambony dia ambony ireo ny tsirairay!
23. Inona no nataon’i Jesosy mba hanohinana ny fon’ny olona ka nanosika azy ireo hanao ny tsara?
23 Ireo fanoharana na sary nampiasain’i Jesosy dia nanohina ny fo ka nanosika ny olona hanao ny tsara sy hanalavitra ny ratsy. Mety hotsaroanao ilay tantara malaza ny amin’ny Samaritana nohamavoina iray izay nanampy lehilahy hafa firazanana naratra, kanefa ireo olona niseho ho mpivavaka nitovy firazanana tamin’izany lehilahy izany tsy nanampy azy. Na koa, ilay tantara momba ilay ray feno fangoraham-po sy namela heloka, sy ny zanany mpandanilany foana. Ary ahoana ny amin’ilay tantara momba ilay mpanjaka namela ny trosan’ny mpanompo iray nahatratra denaria 60 tapitrisa, kanefa raha vao niala teo ilay mpanompo dia nampiditra an-tranomaizina ny mpanompo iray namany izay tsy afaka nandoa trosa denaria 100 monja? Tamin’ny alalan’ny fanoharana tsotra, dia nataon’i Jesosy ho naharikoriko ireo fanaovan-javatra nampiseho fitiavan-tena sy faniriana mihoa-pampana, ary ho nanintona aoka izany ireo asam-pitiavana sy famindrampo! — Matio 18:23-25; Lioka 10:30-37; 15:11-32.
24. Nahoana isika no afaka milaza fa tsy misy iadian-kevitra mihitsy fa i Jesosy no ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany?
24 Ny tena nanintona ny olona ho amin’i Jesosy sy nisy heriny teo amin’izy ireo ho amin’ny tsara anefa dia ny nifanarahan’ny fiainany manokana tamin’izay nampianariny, tamin’ny fomba tanteraka. Nampihatra izay notoriny izy. Niaritra tamim-paharetana ireo kileman-toetran’ny hafa izy. Rehefa nifamaly ny amin’izay lehibe indrindra teo amin’izy ireo ny mpianany, dia nanitsy azy ireo tamin-katsaram-panahy izy fa tsy niteny azy ireo tamin-kasiahana. Nikarakara tamim-panetren-tena izay nilain’izy ireo izy, ka nanasa ny tongony mihitsy aza. (Marka 9:30-37; 10:35-45; Lioka 22:24-27; Jaona 13:5). Ary farany, dia nanaiky an-tsitrapo ny handia fahafatesana nampanaintaina izy, tsy ho azy ireo ihany, fa ho an’ny taranak’olombelona rehetra koa! Tsy misy isalasalana fa i Jesosy no ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no porofo ananantsika fa tena olona nisy teo amin’ny tantara i Jesosy?
◻ Ahoana no ahafantarantsika fa olona i Jesosy, kanefa tamin’ny ahoana izy no tsy nitovy tamin’ireo lehilahy hafa rehetra?
◻ Nahoana ny fianarana momba ny fiainan’i Jesosy no fomba tsara indrindra hianarana momba an’Andriamanitra?
◻ Inona no azontsika ianarana momba ny fitiavan’Andriamanitra avy amin’ny fianarana momba an’i Jesosy?
[Sary, pejy 24]
Talanjona ireo apostolin’i Jesosy ka nanontany tena hoe: “Iza marina àry ity?”