Fampianarana Tamin’ny Andron’ny Baiboly
“Ary ampianaro ny zanakareo izany”. — DEOTERONOMIA 11:19.
1. Inona no mampiseho fa liana amin’ny fampianarana ny mpanompony i Jehovah?
I JEHOVAH no ilay Mpampianatra Lehibe. Mbola tsy namela ny mpanompony ho ao anatin’ny tsy fahalalana mihitsy izy. Vonona mandrakariva ny hizara fahalalana tamin’izy ireo izy. Mampianatra azy ireo ny sitrapony sy ny lalany izy. Nandritra ny an’arivony taona maro tsy hita isa, dia teo anilany ny Zanany lahy tokana ary nianatra tsy an-kijanona tamin’ny naha-“mpità-marika” azy. (Ohabolana 8:30). Fony izy teto an-tany, dia niteny toy izao i Jesosy: “Araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany”. (Jaona 8:28). Rehefa nanisy fitenenana ny amin’Andriamanitra ho ilay Mpampianatra Tsy Manan-tsahala i Eliho, dia nanontany hoe: “Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?” (Joba 36:22). Ny mpaminany Isaia dia nilaza ny amin’i Jehovah ho ilay “Mpampianatra Lehibe” ho an’ny olony ka naminany hoe: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao”. (Isaia 30:20, NW; 54:13). Tsy isalasalana fa i Jehovah dia maniry ny hahatongavan’ny zavaboariny manan-tsaina ho afaka amin’ny fahabadoana sy hahita fianarana tsara.
Fampianarana tamin’ny andron’ireo patriarka
2, 3. a) Ahoana no niheveran’ireo patriarka nahatoky ny fampianarana ny zanany, ary torolalana inona no nomen’i Jehovah an’i Abrahama? b) Fikasana lehibe inona no nofonosin’ilay torolalana natao hampianarana ny taranak’i Abrahama?
2 Iray tamin’ireo tombontsoa manokana fototra nananan’ny loham-pianakaviana tamin’ny andron’ireo patriarka, ny fampianarana ireo zanany sy ny ankohonany. Ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra, ny fampianarana ny zanany dia adidy ara-pivavahana. Niteny toy izao momba an’i Abrahama mpanompony i Jehovah: “Efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ireo ny làlan’i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran’i Jehovah amin’i Abrahama izay efa nolazainy taminy.” — Genesisy 18:19.
3 Io filazana nataon’Andriamanitra io dia mampiseho fa nihevitra ny fampianarana ho tena zava-dehibe i Jehovah. Nandidy an’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba mba hampianatra ny ankohonany ny amin’ny lalany marina sy ny fitsarany i Jehovah, mba hahafahan’ireo taranaka ho avy ho afaka hitandrina ny lalan’i Jehovah. Amin’izany i Jehovah dia hanatanteraka ireo fampanantenany momba ny taranak’i Abrahama sy ny fitahiana “ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. — Genesisy 18:18; 22:17, 18.
Ny fandehan’ny fampianarana teo amin’ny Isiraely
4, 5. a) Inona no tsy nampitovy ny fandehan’ny fampianarana ny Isiraely sy ny an’ireo firenen-kafa? b) Tsy fitoviana hafa inona no soritana ao amin’ny Encyclopaedia Judaica, ary inona no tsy isalasalana fa nandray anjara tamin’izany tsy fitoviana izany?
4 Izao no lazain’ny Encyclopaedia Judaica: “Ny Baiboly no tahirin-kevitra mitondra fanazavana voalohany mba hahatakarana ny fomba fampianarana teo amin’ny Isiraely fahizay.” Nampiasa an’i Mosesy ho olombelona mpampianatra voalohany ny Isiraely i Jehovah. (Deoteronomia 1:3, 5; 4:5). Nampita teny izay nolazain’i Jehovah taminy i Mosesy. (Eksodosy 24:3). Koa raha ny marina, dia Andriamanitra no Mpampianatra voalohany ny Isiraely. Izany fotsiny dia efa tsy nampitovy ny fandehan’ny fampianarana ny Isiraely tamin’ny an’ireo firenen-kafa.
5 Manambara toy izao io boky fakàn-teny io ihany: “Ny fianarana ambony na ny boky fianarana tany Mesopotamia sy tany Egypta dia ofisialy sady voafetra ho an’ny kilasin’ny mpanora-dalàna ihany, kanefa toa tsy mba toy izany teo amin’ny Isiraely. Ilay tsy fitoviana dia tsy isalasalana fa noho ny abidy fanoratana tsotra kokoa nampiasain’ny Hebreo. (...) Ny maha-zava-dehibe ny abidy fanoratana ho an’ny tantaran’ny fampianarana dia tsy azo hamaivanina. Izy io dia nampiditra tsy fitoviana tampoka teo amin’ireo kolontsaina nentin-drazan’ny mpanora-dalàna tany Egypta, sy tany Mesopotamia, ary tany Kanana tamin’ny arivo taona faharoa. Ny fahaizana namaky teny sy nanoratra dia tsy toetra famantarana sy nampiavaka manokana intsony ny kilasin’ny mpanora-dalàna sy ny mpisorona manam-pahaizana manokana izay nahay tsara ny soratanana cunéiforme sy hiéroglyphe saro-pantarina.”
6. Inona no fanaporofoana ao amin’ny Baiboly milaza fa hatrany am-piandohan’ny tantarany, dia vahoaka nahay namaky teny sy nanoratra ny Isiraelita?
6 Ny Baiboly dia manome porofo fa vahoaka nahay namaky teny sy nanoratra ny Isiraelita. Na dia talohan’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina aza, dia nasaina nanoratra ny lalàn’i Jehovah teo amin’ny tolam-baravaran’ny tranony sy teo amin’ny vavahadiny izy ireo. (Deoteronomia 6:1, 9; 11:20; 27:1-3). Na dia tsy isalasalana aza fa ara-panoharana io baiko io, dia azo antoka fa tsy ho nisy heviny ho an’ny Isiraelita sarambabem-bahoaka izany raha tsy nahay namaky teny sy nanoratra izy. Ireo andinin-teny toy ny Josoa 18:9 sy ny Mpitsara 8:14 dia mampiseho fa nisy olon-kafa ankoatra ireo mpitarika toa an’i Mosesy sy i Josoa nahay nanoratra ela be talohan’ny nananganana ny fitondran’ny mpanjaka teo amin’ny Isiraely. — Eksodosy 34:27; Josoa 24:26.
Ireo fomba fampianarana
7. a) Araka ny Soratra Masina, iza no nanome ny fampianarana fototra an’ireo ankizy isiraelita? b) Fanazavana inona no nomen’ilay manam-pahaizana frantsay momba ny Baiboly?
7 Teo amin’ny Isiraely, ny ankizy dia sady nampianarin’ny ray no nampianarin’ny reny fony izy ireo tena mbola kely dia kely. (Deoteronomia 11:18, 19; Ohabolana 1:8; 31:26). Ao amin’ny Dictionnaire de la Bible amin’ny fiteny frantsay, dia nanoratra toy izao ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe E. Mangenot: “Raha vantany vao nahay niteny ny zaza iray dia nianatra andinin-teny vitsivitsy avy tao amin’ny Lalàna. Namerimberina ilay andinin-teny ny reniny; rehefa hainy iny, dia nanome azy iray hafa ny reniny. Tatỳ aoriana, dia nomena teo an-tanan’ireo ankizy ilay soratra momba ireo andinin-teny efa hainy tsianjery. Tamin’izany izy ireo dia notarihina ho amin’ny famakian-teny, ary rehefa lehibe kokoa, dia afaka nanohy ny fianarany ara-pivavahana izy tamin’ny famakiana sy tamin’ny fisaintsainana ny lalàn’ny Tompo.”
8. a) Fomba fampianarana fototra inona no nampiasaina teo amin’ny Isiraely, kanefa nanana toetra mampiavaka lehibe inona izy io? b) Zavatra manampy ny fitadidiana inona avy no nampiasaina?
8 Izany dia toa milaza fa ny fomba fampianarana fototra nampiasaina dia ny fianaran-javatra tamin’ny alalan’ny tsianjery. Ireo zavatra nianarana momba ny lalàn’i Jehovah sy ny fomba nifandraisany tamin’ny vahoakany dia tsy maintsy niditra tao am-po. (Deoteronomia 6:6, 7). Tsy maintsy nosaintsainin’izy ireo izany. (Salamo 77:11, 12). Mba hanampiana ny tanora sy ny antitra hitadidy, dia nisy zavatra manampy ny fitadidiana isan-karazany nampiasaina. Izany dia nahatafiditra ireo acrostiches manaraka abidy, izany hoe ireo andinin-teny mifanarakaraka ao amin’ny salamo iray dia manomboka amin’ny litera samy hafa, araka ny filaharan’ny abidy (toy ny Ohabolana 31:10-31); ny allitération (teny manomboka amin’ny litera na feo mitovy); ary ny fampiasana isa, sahala amin’ireo ampiasaina ao amin’ny tapany farany amin’ny Ohabolana toko faha-30. Mahaliana ny mahamarika fa ilay Fanisanandron’i Gezer, iray amin’ireo soratanana hebreo tranainy indrindra, dia heverin’ny manam-pahaizana sasany fa fanazaran-tena momba ny fitadidiana ho an-jazalahy mankany an-tsekoly.
Ny fampianarana nomena
9. a) Inona no tapany lehibe iray tamin’ny fandaharam-pampianarana ho an’ny ankizy isiraelita? b) Inona no lazain’ny encyclopédie iray momba ny Baiboly mikasika ny fampianarana natao nifandray tamin’ireo andro firavoravoana isan-taona?
9 Ny fampianarana teo amin’ny Isiraely dia tsy voafetra ho amin’ny fianarana namaky teny sy nanoratra fotsiny. Foto-kevitra lehibe nampianarina ny tantara. Ny fianarana ireo asa mahagaga nataon’i Jehovah ho tombontsoan’ny vahoakany dia tapany fototra teo amin’ny fampianarana nomena. Tsy maintsy nampianarina ireo taranaka nifandimby izany zava-nitranga ara-tantara izany. (Deoteronomia 4:9, 10; Salamo 78:1-7). Ny fankalazana ireo andro firavoravoana isan-taona dia nanome fahafahana tsara ho an’ny loham-pianakaviana mba hampianarana ireo zanany. (Eksodosy 13:14; Levitikosy 23:37-43). Mifandray amin’izany dia izao no lazain’ny The International Standard Bible Encyclopedia: “Tamin’ny alalan’ny fampianaran’ny ray tany an-trano sy ny fanazavany ny hevitr’ireo andro firavoravoana, ireo ankizy hebreo dia nampianarina ny fomba nisehoan’Andriamanitra mihitsy tamin’izy ireo tamin’ny lasa, sy ny fomba tsy maintsy iainany amin’izao fotoana izao, ary izay fampanantenan’Andriamanitra momba ny hoavin’ny vahoakany.”
10. Fampiofanana azo nampiharina inona no nomena ny zazavavy? ary ny zazalahy?
10 Nahafaoka fampiofanana azo nampiharina ny fampianaran’ny ray aman-dreny. Nampianarina fahaiza-mikarakara ankohonana ny zazavavy. Asehon’ilay toko mamarana ny bokin’ny Ohabolana fa maro sy isan-karazany izany; tafiditra amin’izany ny famolesana, fanenomana, fahandroan-tsakafo, fanaovana asa tanana ary ny fitantanana ny ankohonana amin’ny ankapobeny. Ny zazalahy mazàna dia nampianarina ny asa fiveloman-drainy, na teo amin’ny fambolena izany na teo amin’ny asa tanana na taozavatra sasany. Tatỳ aoriana kokoa, ireo raby jiosy dia zatra nilaza hoe: “Izay tsy mampianatra ny zanany lahy asa tanana mahasoa, dia mitaiza azy ho tonga mpangalatra.”
11. Inona no asehon’ny zava-kendrena fototra amin’ny fampianarana teo amin’ny Isiraely, ary fianarana inona no raketin’izany ho an’ireo tanora amin’izao andro izao?
11 Ny halalin’ny fomba fampianarana nampiasaina teo amin’ny Isiraely teo amin’ny lafiny ara-panahy, dia miharihary ao amin’ny bokin’ny Ohabolana. Asehony fa ny zava-nokendrena dia ny fampianarana ny “tsy ampy fanandraman-javatra” ireo zavatra ambony toy ny fahendrena, ny fifehezana, ny fahatakarana hevi-javatra, ny fahiratan-tsaina, fahaiza-manavaka, fahalalinan-tsaina, ny fahalalana, ary ny fahaiza-misaina — izany rehetra izany, ao anatin’ny “fahatahorana an’i Jehovah”. (Ohabolana 1:1-7, NW; 2:1-14, NW ). Izany dia manantitrantitra ny antony tokony hanosika ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao hanatsara ny fianarany.
Mpisorona sy Levita ary mpaminany
12. Iza, ankoatra ireo ray aman-dreny, no nandray anjara tamin’ny fampianarana ny olona teo amin’ny Isiraely, ary inona no hevitra fototra ananan’ny teny hebreo nadika hoe “lalàna”?
12 Na dia nomen’ny ray aman-dreny aza ny fampianarana fototra, dia nampianatra ny vahoakany koa i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpisorona sy ireo Levita tsy mpisorona ary ny mpaminany. Tao amin’ilay tso-drano farany nataony ho an’ny fokon’i Levy, dia izao no nolazain’i Mosesy: “Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, ary Isiraely ny lalànao”. (Deoteronomia 33:8, 10). Tamin’ny fomba nisy heviny, ny teny hoe “lalàna” amin’ny fiteny hebreo (toh·rahʹ) dia avy amin’ny fototeny iray izay ny matoanteny avy aminy dia midika hoe “mampiseho”, “mampianatra”, “manome torolalana”. Izao no lazain’ny Encyclopaedia Judaica: “Ny hevitr’ilay teny [torah] àry dia hoe ‘fampianarana’, ‘foto-pampianarana’, na ‘torolalana’ ”.
13. Nahoana ny Lalàna teo amin’ny Isiraely no tsy nitovy tamin’ireo fomba fandehan’ny lalàna teo amin’ireo firenen-kafa?
13 Izany koa dia nampiavaka ny Isiraely tamin’ireo firenen-kafa, ary na dia amin’ireo firenena amin’izao andro maoderina izao aza. Ireo firenena ara-politika amin’izao andro izao dia manana fitambaran-dalàna izay ny ampahany kely fotsiny aminy no fantatry ny mponina amin’ny ankapobeny. Rehefa tsy miray hevitra amin’ny lalàna ny olona, dia voatery manakarama lafo be mpahay lalàna izy ireo mba hiaro azy. Ireo sekoly momba ny lalàna dia natao ho an’ny manam-pahaizana manokana. Teo amin’ny Isiraely anefa, ny Lalàna dia fomba nilazan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany ny fomba niriny hanoloran’izy ireo fanompoam-pivavahana taminy sy hiainan’izy ireo mifanaraka amin’ny sitrapony. Tsy mitovy amin’ireo fitambaran-dalàm-panjakana hafa izy io fa nahatafiditra ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. (Levitikosy 19:18; Deoteronomia 6:5). Tsy fitambaran-dalàna tsy miraharaha ny olombelona sy ny fihetseham-pony velively ny Lalàna. Nanome foto-pampianarana sy fampianarana ary torolalana mikasika fomba fiaina iray izay tsy maintsy nianarana izy io.
14. Inona no antony iray nandavan’i Jehovah ireo mpisorona Levita? (Malakia 2:7, 8).
14 Fony izy ireo nahatoky, dia nanatanteraka ny andraikiny hampianatra ny vahoaka ireo mpisorona sy ireo Levita. Mazàna kokoa anefa dia nanao tsirambina ny adidiny hampianatra ilay firenena ireo mpisorona. Io tsy fahampian’ny fampianarana ny Lalàn’Andriamanitra io dia niteraka vokany nahatsiravina na teo amin’ny mpisorona na teo amin’ny vahoaka. Tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i., dia nilaza mialoha toy izao i Jehovah: “Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ny fahalalana. Satria hianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; ary efa nanadino ny lalàn’Andriamanitra hianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.” — Hosea 4:6.
15. a) Ankoatra ny mpisorona, iza no natsangan’i Jehovah ho mpampianatra ny Isiraely, ary inona no nosoratan’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly mikasika ny anjara asan’izy ireo tamin’ny naha-mpampianatra azy? b) Inona no nitranga tamin’ny Isiraely sy Joda tamin’ny farany noho izy ireo nanda ny fahalalana an’i Jehovah sy ny lalany?
15 Ankoatra ireo mpisorona, dia nanangana mpaminany ho mpampianatra koa i Jehovah. Izao no vakintsika: “Ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ny làlanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.” (2 Mpanjaka 17:13). Mikasika ny anjara asan’ny mpaminany tamin’ny naha-mpampianatra azy, dia izao no nosoratan’i Roland de Vaux, manam-pahaizana frantsay momba ny Baiboly: “Ireo mpaminany koa dia nahazo fanendrena hampianatra ny vahoaka; fara faharatsiny, izy io dia anisan’ny anjara asany toy ny filazana mialoha ny hoavy. Ary ny fanosehan’Andriamanitra azy ireo haminany dia nanome fahefana ny fitoriana nataony, dia fahefana nananan’ny tenin’Andriamanitra. Azo antoka fa teo ambanin’ny fitondran’ny mpanjaka dia ireo mpaminany no mpampianatra ara-pivavahana sy ara-pitondrantenan’ny vahoaka; ary afaka manampy isika fa izy ireo no nahay indrindra tamin’ireo mpampianany rehetra, na dia tsy izy ireo aza no nohenoina indrindra mandrakariva.” Noho ny tsy fahampian’ny fampianarana araka ny tokony ho izy avy tamin’ireo mpisorona sy Levita, niaraka tamin’ny tsy fihainoana ireo mpaminanin’i Jehovah, dia nandao ny lalan’i Jehovah ireo Isiraelita. Nianjera teo an-tanan’ny Asyriana i Samaria tamin’ny 740 al.f.i., ary noravan’ny Babyloniana tamin’ny 607 al.f.i. i Jerosalema sy ny tempoliny.
Fampianarana nandritra sy taorian’ny fahababoana
16, 17. a) Fandaharam-pampianarana inona no nanerena an’i Daniela sy ireo namany telo lahy mba harahiny? b) Inona no nahatonga azy ireo ho afaka handalo izany fampianarana babyloniana izany kanefa nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’i Jehovah?
16 Folo taona teo ho eo talohan’ny fandravana an’i Jerosalema, dia nentin’i Nebokadnezara Mpanjaka nankany Babylona i Joiakina Mpanjaka niaraka tamin’ny antokona mpanapaka sy andriana. (2 Mpanjaka 24:15). Anisan’izy ireo i Daniela sy andriana tanora telo hafa. (Daniela 1:3, 6). Nandidy ny efatra tamin’izy ireo i Nebokadnezara mba handalo fampiofanana manokana telo taona, ho fianarana “ny taratasy sy ny tenin’ny Kaldeana”. Ambonin’izany, izy ireo dia nomena “hanina (...) isan’andro avy tamin’ny haniny [ny an’ny mpanjaka] sy avy tamin’ny divay izay fisotrony”. (Daniela 1:4, 5). Nety ho nampidi-doza noho ny antony maromaro izany. Azo inoana fa ilay fandaharam-pampianarana dia tsy fianarana fiteny iray naharitra telo taona fotsiny. Ilay teny hoe “Kaldeana” eo amin’io andinin-teny io dia heverin’ny sasany fa manondro, “tsy ny Babyloniana amin’ny maha-vahoaka azy, fa ilay kilasin’olona nahita fianarana”. (The Soncino Books of the Bible). Izao no lazain’i C. F. Keil ao amin’ny fanazavany momba an’i Daniela: “I Daniela sy ny namany dia tsy maintsy nampianarina ny fahendren’ireo mpisorona sy lehilahy nahita fianarana kaldeana, izay nampianarina tany amin’ireo sekolin’i Babylona.” Ilay anjara sakafo nomen’ny mpanjaka koa dia nampisetra loza azy ireo, dia ny fandikana ireo fameperana ara-tsakafo nandidian’ny Lalàn’i Mosesy. Nanao ahoana ny niafaran’izy ireo?
17 Tamin’ny naha-mpitondra tenin’ireo andriana jiosy tanora efa-dahy an’i Daniela, dia nohazavainy tsara hatrany am-boalohany fa tsy hihinana na hisotro zavatra izay nandika ny fieritreretany izy ireo. (Daniela 1:8, 11-13). Notahin’i Jehovah io fijoroana hentitra io, ary nataony nalefaka ny fon’ilay lehiben’ny tandapa babyloniana. (Daniela 1:9, 14-16). Raha ny amin’ilay fianaran’izy ireo, ny zava-nitranga nanaraka izany teo amin’ny fiainan’ireo Hebreo tanora efa-dahy dia nanaporofo tsy nisy nisalasalana fa ilay fianarana telo taona tsy maintsy natao momba ny kolontsaina babyloniana dia tsy nahatonga azy ireo hiala tamin’ny fifikirany lalina tamin’i Jehovah sy ny fanompoam-pivavahana madio ho Azy. (Daniela toko faha-3 sy faha-6). Nomen’i Jehovah fahafahana ny ho tafavoaka soa aman-tsara tamin’io fandrobohana an-tery telo taona tao anatin’ny fianarana ambony babyloniana io izy ireo. “Ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin’ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin’ny fahitana sy ny nofy rehetra. Ary ny amin’ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo impolo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin’ny fanjakany rehetra aza izy.” — Daniela 1:17, 20.
18. Fandaharam-pampianarana inona no notanterahina tany Joda taorian’ny fahababoana tany Babylona?
18 Taorian’ny fahababoana tany Babylona, dia nisy asa fampianarana lehibe notanterahin’i Ezra, mpisorona iray izay “nampiomana ny fony hitady ny lalàn’i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika”. (Ezra 7:10). Tamin’izany izy dia nampian’ny Levita nahatoky izay “nampianatra ny olona ny lalàna”. (Nehemia 8:7). I Ezra dia manam-pahaizana momba ny Baiboly sady “mpanao kopia mahay” na mpanora-dalàna. (Ezra 7:6, NW ). Tamin’ny androny no nanjary nampahalaza ny mpanora-dalàna tamin’ny naha-kilasy.
Ireo sekolin’ny raby
19. Kilasina mpampianatra inona no niseho teo amin’ny Isiraely tamin’ny fotoana nahatongavan’i Jesosy teto an-tany, ary noho ny antony lehibe inona avy no tsy nandehanan’izy sy ny mpianany tany amin’ny fianarana ambony jiosy?
19 Tamin’ny andro nisehoan’i Jesosy teto an-tany, ny mpanora-dalàna dia tonga kilasina mpampianatra notsongaina, izay nifikitra kokoa tamin’ny lovantsofina fa tsy tamin’ny fampianarana marina avy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tian’izy ireo ny hantsoina hoe “Raby”, izay lasa anaram-boninahitra iray midika hoe “Ry Ilay Lehibe (Tsara Indrindra)”. (Matio 23:6, 7, fanamarihana ambany pejy ao amin’ny NW ). Ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, ireo mpanora-dalàna mazàna dia ampiarahina amin’ireo Fariseo, izay mpampianatra ny Lalàna ny sasany taminy. (Asan’ny Apostoly 5:34). I Jesosy dia niampanga ireo antokon’olona roa ireo ho nanao izay tsy hampanan-kery ny tenin’Andriamanitra tamin’ny lovantsofiny sy ho nampianatra “didin’olombelona ho fampianarany”. (Matio 15:1, 6, 9). Tsy nahagaga raha tsy nampianarina tany amin’ireo sekolin’ny raby na i Jesosy na ny ankamaroan’ireo mpianany. — Jaona 7:14, 15; Asan’ny Apostoly 4:13; 22:3.
20. Inona no nasehon’io fijerena indray ny fampianarana tamin’ny andron’ny Baiboly io tamintsika, ary inona no mampiseho fa mila fampianarana ny mpanompon’i Jehovah?
20 Io fandinihana amin’ny ankapobeny ny fampianarana tamin’ny andron’ny Baiboly io dia nampiseho fa i Jehovah no ilay Mpampianatra Lehibe ny vahoakany. Nandamina fandaharam-pampianarana nandaitra teo amin’ny Isiraely Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Mosesy. Ela be tatỳ aoriana anefa, dia niroborobo ny fandaharam-pampianarana ambony jiosy izay nampianatra zavatra nifanohitra tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Na dia tsy nandeha tany amin’ny sekoly jiosy toy izany aza i Jesosy dia Mpampianatra tsy nanan-tsahala izy. (Matio 7:28, 29; 23:8; Jaona 13:13). Naniraka ireo mpianany mba hampianatra koa izy, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny fandehan-javatra mihitsy aza. (Matio 28:19, 20). Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy ho mpampianatra mahay ireo ka noho izany, dia mila fampianarana. Koa ahoana àry no tokony hiheveran’ny Kristiana marina ny fampianarana amin’izao andro izao? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka io fanontaniana io.
Fitsapana Fitadidiana
◻ Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa liana amin’ny fampianarana ny mpanompony i Jehovah?
◻ Tamin’ny lafiny inona avy ny fandehan’ny fampianarana ny Isiraely no tsy nitovy tamin’ny an’ireo firenen-kafa?
◻ Fampianarana inona no noraisin’ireo ankizy isiraelita?
◻ Fomba fampianarana inona no nampiasaina teo amin’ny Isiraely?
◻ Nahoana i Jesosy sy ireo mpianany no tsy nankany amin’ireo sekoly jiosy momba ny fianarana ambony?
[Sary, pejy 14]
Ny fianarana tsy maintsy natao tany Babylona dia tsy nampiala an’i Daniela sy ireo namany tamin’i Jehovah