Inona no fahamarinana momba an’i Betlehema sy ny krismasy?
“REHEFA mieritreritra ny Zava-miafina momba an’i Betlehema isika dia tsy afaka misakana ny hipoiran’ny fanontaniana sy ny fisalasalana ao an-tsaintsika.” — Bethlehem, nataon’i Maria Teresa Petrozzi.
‘Nahoana no hoe fanontaniana sy fisalasalana?’, hoy angamba ianao. Rehefa dinihina tokoa, tsy mifototra amin’ny zava-misy ve ireo zavatra inoana samihafa momba ny Krismasy sy ireo toerana mifandray amin’ireo zavatra inoana ireo?
Oviana izy no teraka?
Momba ny daty nahaterahan’i Jesosy, dia nanontany toy izao i Maria Teresa Petrozzi: “Oviana marina no teraka ny Mpanavotra antsika? Tiantsika ho fantatra, tsy ny taona ihany, fa ny volana sy ny andro ary ny ora koa. Tsy nomena antsika anefa ny fomba fanisana izany marina.” Manohana izany ny Firaketana katolika vaovao (anglisy) manao hoe: “Azontsika atao asamarika ara-keviny fotsiny ny daty nahaterahan’i Jesosy Kristy.” Milaza toy izao momba ny daty natao hoe nahaterahan’i Kristy izy io: “Tsy mifanitsy amin’ny nahaterahan’i Kristy ny datin’ny faha-25 Desambra fa amin’ny fetin’ny Natalis Solis Invicti, ilay fety romana fankalazana ny masoandro amin’ny “solstice” (rehefa lavitra indrindra ny ekoatera ny masoandro)”.
Hanontany àry angamba ianao izao hoe: ‘Raha tsy teraka tamin’ny faha-25 Desambra i Jesosy, dia oviana izy no teraka?’ Avy amin’ny Matio toko faha-26 sy faha-27, dia takatsika fa maty tamin’ny fotoan’ny Paska jiosy, izay nanomboka ny voalohan’ny Aprily 33 am.fan.ir., i Jesosy. Ambonin’izany, ny Lioka 3:21-23 dia mampahafantatra antsika fa teo amin’ny 30 taona teo ho eo i Jesosy rehefa nanomboka ny fanompoany. Koa satria naharitra telo taona sy tapany ny fanompoany teto an-tany, dia teo amin’ny 33 taona sy tapany teo ho eo izy tamin’ny fotoana nahafatesany. Ho feno 34 taona izy enim-bolana taorian’izay, izany hoe tany amin’ny voalohan’ny Oktobra tany ho any. Raha manisa miverina mba hahitana ny fotoana nahaterahan’i Jesosy isika dia ho tonga, tsy any amin’ny faha-25 Desambra na ny faha-6 Janoary, fa any amin’ny voalohan’ny Oktobra amin’ny taona 2 al.fan.ir.
Tsara homarihina koa fa mandritra ny volana Desambra, dia iharan’ny andro ririnina mamirifiry sy ny orana mangatsiaka ary ny orampanala indraindray i Betlehema sy ny manodidina azy. Tsy mahita mpiandry ondry miaraka amin’ny andian’ondriny any ivelany amin’ny alina ianao mandritra io fotoana io. Tsy toetr’andro nitranga vao haingana akory izany. Mitantara ny Soratra masina fa i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, dia “nipetraka tao an-trano ririnina tamin’ny volana fahasivy [Kisleo, mifanitsy amin’ny Novambra-Desambra], sady nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany.” (Jeremia 36:22). Nila ilay hafanana izy mba hamindroana. Manaraka izany, ao amin’ny Ezra 10:9, 13 isika dia mahita porofo mazava fa tamin’ny volana Kisleo, dia ‘fahavaratra ny andro, ka tsy nahatoetra teny ala-trano’ ny olona. Izany rehetra izany dia manondro fa tsy mifanaraka amin’ny filazalazan’ny Baiboly momba ireo zava-nitranga nifandray tamin’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy ny toetr’andro any Betlehema mandritra ny volana Desambra. — Lioka 2:8-11.
Taiza?
Ahoana no tokony ho fiheverana mety ny amin’ilay toerana izay anisan’ny nahatonga ny adin’i Crimée (1853-1856), ‘ady feno ra nandriaka’ izay namoizana aina miaramila frantsay maherin’ny iray hetsy? Tena ny toerana nahaterahan’i Jesosy tokoa ve io toerana io?
Voalohany indrindra aloha, ny Baiboly dia tsy manonona ny amin’ny toerana marina nahaterahan’i Jesosy. Samy manamafy i Matio sy i Lioka fa ny nahaterahan’i Jesosy dia nahatanteraka ilay faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny Mika 5:1 nilazana mialoha fa ‘Izay anankiray ho Mpanapaka ao amin’ny Isiraely, ka hatry ny fahagola no efa nivoahany’ dia ho avy ao Betlehema. (Matio 2:1, 5; Lioka 2:4). Ny fitantaran’ireo Filazantsara roa ireo dia tsy manonona afa-tsy izay tena ilaina ihany, dia ny hoe: teraka tany Betlehema i Jesosy ary, araka ny Lioka, dia nohodidinina lamban-jaza ka nampandrina teo amin’ny fihinanam-bilona ilay zazakely. — Lioka 2:7.
Nahoana ireo mpanoratra ny Filazantsara ireo no tsy nanome filazana amin’ny an-tsipiriany fanampiny? Nanamarika toy izao i Maria Teresa Petrozzi: “Tsy nampiditra izany tsipirian-javatra izany ireo mpanoratra ny Filazantsara satria mazava ho azy fa tsy nihevitra izany ho zava-dehibe izy ireo.” Raha ny marina, dia hita miharihary fa ny tenan’i Jesosy mihitsy aza dia tsy nihevitra ireo tsipirian-javatra nifandray tamin’ny nahaterahany ho nanana ny naha-zava-dehibe azy manokana, satria tsy voalaza na dia indray mandeha monja aza fa nanonona ny daty nahaterahany na ny toerana marina nahaterahany izy. Na dia teraka tany Betlehema aza i Jesosy, dia tsy nihevitra io toerana io ho ny toerana niaviany izy, fa ny faritr’i Galilia no nantsoina hoe “ny taniny”. — Marka 6:1, 3, 4; Matio 2:4, 5; 13:54.
Ny famakiana ny Jaona 7:40-42 dia mampiseho fa ny olona tamin’ny ankapobeny dia tsy nahafantatra ny toerana nahaterahany, fa nihevitra fa teraka tany Galilia izy: “Hoy (...) ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian’i Kristy?” Miorina amin’ilay voalaza ao amin’ny Jaona 7:41, Ny Eglizin’ny “Nativité”, Betlehema (anglisy) dia manatsoaka hevitra hoe: “Ny nipoiran’ny resaka toy izany fotsiny dia tsy manaporofo fa tsy teraka tany Bethlehema i Kristy; nefa mampiseho kosa izany fara faharatsiny fa nisy olona maro be tamin’ireo niaraka taminy tsy nahalala ny amin’izy io.”
Hita miharihary fa nandritra ny fiainan’i Jesosy teto an-tany dia tsy nanao resaka be ny amin’ny tsipirian-javatra momba ny toerana nahaterahany izy. Tsy nisy fanantitranterana ny amin’ny toerana nahaterahany. Inona àry no fototra iorenan’ny finoana fa ny Lava-baton’ny “Nativité” no toerana nitondran’i Josefa an’i Maria mba hiterahany?
Miaiky amim-pahatsorana i Petrozzi hoe: “Tsy azo atao ny mahafantatra amin’ny fomba hentitra raha iray amin’ireo lava-bato vita-nanahary tsy hita isa manodidina an’i Betlehema ilay lava-bato, na zohy iray nampiasaina ho toy ny tranom-biby fiompy tao amin’ny tranom-bahiny iray. Kanefa, mazava tsara ilay lovantsofina izay avy tany amin’ny tapany faharoa amin’ny taonjato faharoa; lava-bato tranom-biby fiompy ilay toerana.” — Izahay no manao sora-mandry.
Lovantsofina fotsiny
I Maria Teresa Petrozzi sy i R. W. Hamilton ary ny mpianatra ny tantaran’i Betlehema hafa samihafa dia samy manondro fa i Justin le Martyr, tamin’ny taonjato faharoa am.fan.ir., no voalohany nanambara fa teraka tao anaty lava-bato i Jesosy, kanefa tsy nilaza mazava izy hoe taiza. Nanatsoaka hevitra toy izao momba io fanambaran’i Justin le Martyr io i Hamilton: “Resaka nandalo ihany no nataony, ary ny fiheverana fa nieritreritra zohy iray manokana i MD. Justin, na koa fa niresaka ny amin’ilay antsoina hoe Zohin’ny “Nativité” amin’izao andro izao izy, dia fanitarana lavitra loatra ny porofo omen’ny teny iray monja.”
Ao amin’ny fanamarihana ambany pejy iray dia manoratra toy izao i Hamilton: “Ny fitantarana ny amin’ny ‘Nativité’ hita ao amin’ny ‘Bokin’i Jakoba’ na ‘Protévangile’, boky tsy ara-tsindrimandry nosoratana tany amin’io fotoana io ihany, dia mampiditra firesahana ny amin’ny zohy iray koa, nefa lazainy fa eny antsasa-dalana mankany Betlehema no misy azy. Na dia heverina aza fa misy vidiny ara-tantara io fitantarana io, izy io dia manipy hevitra fa mbola tsy nampifandraisina tamin’ny toerana iray manokana, ary azo antoka fa mbola tsy nampifandraisina tamin’ny Zohin’ny “Nativité” mihitsy, ilay lovantsofina.”
Ireo mpanoratra momba ny fivavahana tamin’ny taonjato fahatelo atao hoe Origène sy Eusèbe dia nampifamatotra ny lovantsofina fantatra tamin’izay tamin’ny toerana manokana iray. Manjohy hevitra toy izao i Hamilton: “Raha vantany vao nampifandraisina tamin’ny zohy iray manokana ilay fitantarana dia tsy azo inoana ny hahafahany hisaraka amin’izany; ary azo atao mora foana ny manatsoaka hevitra fa ilay zohy naseho ireo mpitsidika taorian’ny 200 A.D. (Andron’ny Tompo) avy hatrany dia ilay Zohin’ny “Nativité” amin’izao andro izao ihany.”
Naminavina toy izao momba io lava-bato io i W. H. Bartlett, ao amin’ny bokiny hoe Fandehandehanana ao amin’ny tanànan’i Jerosalema sy ny manodidina azy (1842, anglisy): “Na dia efa hatramin’ny andron’ny ntaolo ela be aza ilay lovantsofina milaza fa ny toerana nahaterahan’ny Mpamonjy antsika izy io, satria notononin’i MD. Jérôme, izay niaina sy maty tao amin’ny efitrano kely iray teo akaiky teo, dia tsy mifanaraka amin’izay azo heverina fa ilay tena izy marina io toerana io, satria, na dia ampiasaina ho tranom-biby fiompy aza ny zohy any Palestina, ity iray ity dia lalina loatra any ambanin’ny tany ka tsy mety hampiasaina ho amin’izany; ary rehefa dinihina, ankoatra izany, ny fironan’ireo moanina hametraka ny toerana nitrangan’ireo toe-javatra ao amin’ny Soratra masina lehibe indrindra ho ao anaty lava-bato, angamba satria manaitra ny fo sy ny saina ny toerana toy ireny, dia toa saiky tsy misy isalasalana intsony fa diso ny fiheverana io toerana io ho ny nahaterahan’i Jesosy.”
Inona no azontsika tsoahina avy amin’ny porofo ara-tantara eo am-pelatanana ary, ny zava-dehibe kokoa, avy amin’ny zavatra tena misy araka ny Soratra masina fa hoe samy tsy nihevitra ny toerana nahaterahan’i Jesosy ho zava-dehibe na i Jesosy mihitsy na ny mpianany? Miharihary fa rehefa nifidy ny toerana misy ny Eglizin’ny “Nativité” ny mpanjakavavy Hélène, renin’i Constantin Lehibe, tamin’ny 326 am.fan.ir., dia nanao izany noho izay notononin’i Hamilton hoe ‘fampifandraisan-javatra avy amin’ny lovantsofina efa ela be’. Tsy noho ny porofo ara-tantara na ara-baiboly no nanaovany izany.
Izany dia mitarika ho amin’ny fanatsoahan-kevitra manaraka hoe: tsy fantatra ny tena toerana marina nahaterahan’i Kristy. Araka ny fandrindran-kevitra àry ve ny tokony handehanan’ireo mpino hitsidika toerana heverina ho masina toy ny Lava-baton’ny “Nativité” mba hankalazana azy ireny? Raha toa marina tokoa fa takina amin’ny kristiana izany, moa ve tsy ho nampahafantarin’ny tenan’i Jesosy ny mpianany ny amin’izany adidy izany na koa izany faniriana avy aminy izany? Tsy ho noraisina an-tsoratra tao anatin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, ve izany mba hovakin’ny taranak’olombelona rehetra? Koa satria hita mazava fa tsy ao anatin’ny Soratra Masina izany fanamarinana izany, dia ho fahendrena ny hamotopotorantsika ny amin’izay tena noheverin’i Jesosy ho mendrika ny hotsarovantsika.
Na mitady mafy toy inona aza isika, ny hany tarehin-javatra ho hitantsika fa nasain’i Jesosy notsarovan’ny mpianany hatramin’ny taranaka fara mandimby dia ny fahafatesany ho sorona. Maty tamin’ny lohataona izy, fotoana fohy taorian’ny niarahany nankalaza ny sakafon’ny Paska farany tamin’ny mpianany. Tamin’io toe-javatra io izy dia nandidy ny mpianany nahatoky mba hanao sakafo fanambaran-javatra ka hampiasa mofo tsy misy masirasira, toy ny “matzoh”, ary divay mena. Momba io fankalazana tsotra io, izay natao voalohany tamin’ny 1 Aprily, 33 am.fan.ir., dia nanome baiko izy hoe: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy.” — Lioka 22:19, 20, MN.
Ho fankatoavana io baiko ao amin’ny Soratra masina avy amin’ny tenan’i Jesosy io, ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia mankalaza isan-taona ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ho sorona. Tsy manao izany fivoriana kristiana izany amin’ny toerana manokana iray ao amin’ny efitra ambony rihana any Jerosalema izy ireo, satria tsy nilaza izany i Jesosy. Maneran-tany kosa izy ireo dia mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakanany sy amin’ny toerana hafa mifanentana amin’izany eo amin’ny toerana misy azy. Ny fankalazana manaraka dia hatao amin’ny 30 Martsa 1991, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Asaina ianao hanatrika izany ao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah akaiky indrindra ny tranonao.
Mba hanatrehana io fankalazana lehibe io ho fankatoavana ny baikon’i Jesosy, dia tsy voatery hanao dia ho any Jerosalema na ho any Betlehema ianao. Na i Jesosy na ny mpianany dia samy tsy nisy nihevitra toerana sasany ho toy ny foiben’ny fanompoam-pivavahana kristiana. Mifanohitra amin’izany aza fa niteny toy izao tamin’ny vehivavy samaritana iray, izay nampifantoka ny fanompoam-pivavahany tao Gerizima, tendrombohitra iray tany Samaria, i Jesosy: “Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny [hanompoanareo ny, MN] Ray. Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka [mpanompo, MN] hivavaka amin’ny [hanompo ny, MN] Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy [mpanompony, MN] ho tahaka izany.” — Jaona 4:21, 23.
Ireo izay manompo ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana dia tsy miankina amin’ny toerana manokana, toa an’i Jerosalema, na amin-javatra, toy ny sary, eo amin’ny fanompoam-pivavahany. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha mitoetra eo amin’ny tena [isika], (...) dia tsy mitoetra any amin’ny Tompo (fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana)”. — 2 Korintiana 5:6, 7.
Kanefa, hoy angamba ny mbola fanontanianao: amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny olona iray hanompo an’Andriamanitra amin’ny fomba azony ekena? Amin’ny manaraka, rehefa tonga eo am-baravaranao ny iray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia manontania azy raha sitrakao.
[Sary, pejy 5]
Amin’ny ririnina, dia mety handrakotra ny tany ny orampanala any akaikin’i Betlehema. Hiara-matory amin’ny ondriny any ivelany ve ireo mpiandry ondry amin’izany fotoana izany?
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary, pejy 7]
Ny Eglizin’ny “Nativité” any Betlehema sy ny lava-batony any ambanin’ny tany
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary nahazoan-dalana]
Garo Nalbandian