Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Fisamborana tsy vita
NANDRITRA ny andro firavoravoana amin’ny Tabernakely, dia nandefa mpiandry raharaha ireo filoha ara-pivavahana jiosy mba hisambotra an’i Jesosy. Tsy niafina velively i Jesosy fa nanohy nampianatra ampahibemaso, tamin’ny filazana hoe: “Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin’Izay naniraka Ahy Aho. Hitady Ahy hianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha.”
Nifanontany toy izao ireo Jiosy izay tsy nahazo izany teny izany: “Hankaiza moa no halehan’Ilehity no tsy ho hitantsika? Hankany amin’izay miely any amin’ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika? Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy hianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha?” Azo antoka fa niresaka ny amin’ny hahafatesany sy ny hananganana azy ho any an-danitra tsy hahafahan’ireo fahavalony hanaraka azy i Jesosy.
Tonga ny fahafito sady farany tamin’ny andro firavoravoana. Isa-maraina, ny mpisorona iray dia nandraraka rano izay notovoziny avy ao amin’ny farihin’i Siloama, ary nararany teo am-pototry ny alitara. Tsy isalasalana fa nampahatsiahy tamin’ireo mpihaino azy an’io fankalazana isan’andro io i Jesosy ka nihiaka hoe: “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hitsotro. Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.”
Raha ny marina, eo Jesosy dia miresaka ny amin’ny ho vokatra mahatalanjon’ny filatsahan’ny fanahy masina, izay tokony hitranga amin’ny Pentekosta amin’ny taona manaraka. Rehefa hanomboka ny fanompoany ampahibemaso ireo mpianatra 120, dia hanomboka hiboiboika ny onin’ny rano velona. Hatreo anefa dia tsy mbola nisy fanahy, izany hoe tsy mbola nisy mihitsy mpianatr’i Kristy voahosotry ny fanahy masina sy voantso ho amin’ny fiainana any an-danitra.
Voatohin’ny fampianaran’i Jesosy ny sasany ka nanomboka nilaza hoe: “Ity tokoa no Ilay Mpaminany”, azo inoana fa noho ny fieritreretana ilay mpaminany nampanantenaina izay ho lehibe noho Mosesy. Ny hafa nilaza hoe: “Ity no Kristy.” Nanohitra toy izao anefa ny sasany: “Avy any Galilia va no ihavian’i Kristy? Tsy voalazan’ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin’ny taranak’i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan’i Davida?”
Tsy nifanara-kevitra ny vahoaka. Ny sasany nitady izay hisamborana an’i Jesosy, nefa tsy nisy nikasika azy. Rehefa niverina tsy nitondra an’i Jesosy ireo mpiandry raharaha, dia nanontany azy ireo toy izao ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo: “Nahoana hianareo no tsy nitondra Azy?”
“Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany”, hoy ny navalin’izy ireo.
Nisafoaka ireo filoha ara-pivavahana ireo ka nanaraby sy nanaratsy ary nanevateva. Hoy izy ireo nanesoeso: “Hianareo koa va voafitaka? Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy? Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.”
Rehefa nandre izany Nikodemosy, Fariseo sady filohan’ny Jiosy (izany hoe anisan’ny Synedriona), dia sahy niandany tamin’i Jesosy. Tsaroanao angamba fa roa taona sy tapany talohan’izay, dia tonga nanatona an’i Jesosy tamin’ny alina i Nikodemosy mba hilaza taminy ny finoany. Nandray ny fitenenana izao i Nikodemosy: “Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?”
Vao mainka tezitra ireo Fariseo rehefa nandre ny anankiray tamin’ireo namany niaro an’i Jesosy. “Hianao koa angaha mba avy any Galilia?” hoy izy ireo namaly azy tamim-panesoesoana mafy. “Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.”
Na dia tsy mampiseho mazava aza ny Soratra Masina fa hisy mpaminany hivoaka avy any Galilia, dia porofoiny ihany fa i Kristy dia ho avy ao amin’io faritra io izay, araka ny filazany, dia hahitana famirapiratan’ny “mazava lehibe”. Mifanohitra amin’ireo hevi-diso, Jesosy dia teraka tany Betlehema ary anisan’ny taranak’i Davia. Ireo Fariseo izay azo inoana fa nahalala izany andinindininy izany dia toa tena fototry ny hevi-diso niely ny amin’i Jesosy. Jaona 7:32-52; Isaia 9:1, 2; Matio 4:13-17.
◆ Inona no nitranga isa-maraina tamin’ny andro firavoravoana, ary ahoana no nety ho nanintonan’i Jesosy ny saina ho amin’io hevitra io?
◆ Nahoana moa ireo mpiandry raharaha no tsy nisambotra an’i Jesosy, ary nanao ahoana ny fihetsik’ireo filoha ara-pivavahana?
◆ Iza moa Nikodemosy? Ahoana no fiheverany an’i Jesosy ary ahoana no nataon’ny Fariseo hafa taminy?
◆ Inona moa no mampiseho fa ho avy any Galilia Jesosy?