‘Mahità fampaherezana ho an’ny fanahinareo’
“Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, (...) dia hahita fitsaharana [fampaherezana, MN ] ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” — MATIO 11:28-30.
1, 2. Manao ahoana ny toe-piainan’olombelona hatramin’ny taonjato maro, ary amin’ny ahoana izany no mifanohitra amin’izay nomanin’Andriamanitra tamin’ny voalohany?
“FANTATSIKA tokoa fa hatramin’izao, ny zavatra noforonina rehetra dia mbola miara-misento sy miara-mijaly.” Izany no nosoratan’ny lehilahy iray ho an’ny namana nonina tany Roma, taonjato maro lasa izay (Romana 8:22, MN ). Hatramin’izay, dia tsy nitsahatra ny nitombo ny fisentoana sy ny fijalian’ny fianakavian’olombelona manontolo. Any amin’ny toerana rehetra, dia mamono mahafaty olona maro ny fitompoan-teny fantatra, ny fahantrana, ny fanaovana heloka bevava sy ny hanoanana. Noho ny tsy rariny ao amin’ny fandehan-javatra ara-toe-karena, dia olona an-tapitrisany maro no tsy manana asa na tsy manam-pialofana mihitsy aza, ary manimba ny fiezahana kendrena hanabeazana tsara ny ankizy ny herin’i Satana.
2 Kanefa, angamba rehefa mampahosa olona iray ny aretina na ny fahanterana ka manaisotra aminy ny fahamendrehany, no mitranga ny loza indrindra. Sary konkan’ny naha-izy azy teo aloha sisa ny olona amin’izay. Fanaintainana mahatsiravina matetika maharitra herinandro maromaro, volana maromaro, na taona maromaro mihitsy aza amin’izay no mandrotidrotika ny fo sy mampandrotsa-dranomaso be. Fanamarihana momba ny fiainana mampahonena re izany! Raha ny amin’ny toe-piainan’ny olombelona mampalahelo, dia nanambara toy izao ny mpanjaka hendry iray fahizay: “Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorenana.” (Mpitoriteny 2:23; 4:1). Azo antoka fa tsy araka ny nanomanan’Andriamanitra azy tamin’ny voalohany akory ny fiainana ankehitriny. — Genesisy 2:8, 9.
3. Noforonin’Andriamanitra hanana fahafahana inona ny olombelona, ary inona no soa voafetra raisiny amin’izao fotoana izao?
3 Namorona ny olombelona ho tanteraka Jehovah Andriamanitra, niaraka tamin’ny fahafahana tena hifaly amin’ny fiainana tokoa (Deoteronomia 32:4, 5). Eritrereto fotsiny ny fahafinaretana mankafy sakafo tsara, mifoka rivotra madio na mandinika amim-pahafinaretana masoandro mody kanto. “Efa hitako ny asa mampahory izay nomen’Andriamanitra ny zanak’olombelona hisasarany”, hoy ny fanamarihana nataon’ilay mpanjaka hendry noresahintsika tetsy ambony, efa ela be izay. “Ny zavatra rehetra samy nataony ho miendrika amin’ny fotoany avy (...). Fantatro fa tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.” — Mpitoriteny 3:10-13.
4. a) Araka ny tsapan’i Jesosy, ao anatin’ny tarehin-javatra mampalahelo manao ahoana moa ny maro? b) Fanasana mampahery inona moa no nalefan’i Jesosy, ary mahatonga fanontaniana hoe ahoana avy izany?
4 Mampalahelo anefa fa vitsy dia vitsy no manana fahafahana handray soa amin’ny zavatra tsara nataon’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona. Tsapan’i Jesosy Kristy ny toe-piainana mampahonenan’ny olombelona. “Ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy, hoy ny Baiboly, nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ny tongotr’i Jesosy.” Nahatsiaro fangoraham-po lalina ho an’ireny olo-mahantra rehetra ireny i Jesosy (Matio 9:36; 15:30). Indray andro, dia nandefa izao fanasana mampahery izao izy: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana [fampaherezana, MN ] ho an’ny fanahinareo hianareo.” (Matio 11:28, 29). Teny tena mampahery ireo. Fampaherezana inona anefa no noresahin’i Jesosy? Ary amin’ny fomba ahoana no mety hahitantsika izany?
Ny fahamarinana izay mampahery
5. Ahoana moa no teny nilazan’i Jesosy izay mitondra ny tena fahafahana sy fampaherezana ho an’ny fanahintsika?
5 Tamin’ny andro firavoravoana momba ny Tabernakely, enim-bolana teo ho eo talohan’ny hahafatesany, dia nasehon’i Jesosy ny fomba mety hahazoana fahafahana ka amin’izany mihitsy dia hahita tena fampaherezana. Niteny tamin’ireo izay nino azy izy ka nanambara hoe: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:31, 32). Ny amin’ny fahamarinana inona moa no noresahin’i Jesosy? Hanafaka antsika amin’inona izy? Tamin’ny heviny ahoana moa ireo mpihaino azy no andevo?
6. a) Fanoherana inona no nataon’ny fahavalo ara-pivavahana, ary nahoana? b) Amin’ny heviny ahoana moa no andevo isika rehetra?
6 Nanapaka ny tenin’i Jesosy ireo fahavalony ara-pivavahana ka nilaza taminy hoe: “Taranak’i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon’olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka hianareo?” Nirehareha noho ny lovany ireny mpanohitra jiosy ireny. Na dia latsaka matetika teo ambany fahefan’ny fanjakana hafa firenena aza ny fireneny, dia nolavin’ny Jiosy ny nilaza azy hoe andevo. Nasehon’i Jesosy anefa hoe tamin’ny heviny ahoana izy ireny no andevo, tamin’izao teny izao: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ny ota.” Eny, ‘nanota’ ireo mpihaino azy, toy ny maha-toy izany antsika rehetra amin’izao androntsika izao, satria isika nandova ny fahotan’ireo ray aman-drenintsika voalohany. Nanome izao fampanantenana izao anefa i Jesosy: “Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo.” — Jaona 8:33-36; Romana 5:12.
7. Ahoana no mety hahitana ny tena fahafahana, ary inona no fahamarinana manafaka antsika?
7 Tsy afaka hahita ny tena fahafahana àry isika raha tsy noho ilay Zanak’Andriamanitra, Jesosy Kristy, izay nanolotra ny ain’olombelona tanteraka nananany ho sorona mba hanavotana antsika. Io sorona io no manafaka antsika amin’ny fahotana mitarika ho amin’ny fahafatesana ka manokatra ho antsika ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasalamana tonga lafatra sady sambatra tanteraka ao amin’izao tontolo izao vaovao sy marina haorin’Andriamanitra (Jaona 3:16; 1 Jaona 4:10). Ny fahamarinana manafaka antsika àry dia ilay mahakasika an’i Jesosy Kristy sy ny anjara asany eo amin’ny fanatanterahana ireo fikasan’Andriamanitra. Ilay Fanjakana, manana an’i Kristy ho Mpanjaka no hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ny amin’ny tany. Nanao fanambarana mandrakariva ny amin’io fahamarinana io i Jesosy. — Jaona 18:37.
Ny fomba ampaherezan’ny fahamarinana
8. Inona no ohatra manazava ny fomba ampaherezan’ny fahamarinana?
8 Mba hanazavana ny fomba ampaherezan’ny fahamarinana, dia aoka halaintsika sary an-tsaina fa hoe voan’ny homamiadana mihamafy haingana ny vehivavy iray. Mahaketraka azy izany famantarana aretina izany, satria mieritreritra ireo vokany mampanaintaina sy mahafaty aterak’io aretina io izy. Tatỳ aoriana anefa dia nanatona mpitsabo hafa izy ka nanaovana fandinihana hafa nampiharihary fa diso ilay famantarana aretina voalohany, na nihatsara tamin’ny fomba niavaka izy. Tsy sarotra ny maka sary an-tsaina ny fahamaivamaivanana mahatalanjona tsapany amin’izay. Endrey izany fampaherezana ho an’ny fanahiny!
9. Inona no fanamaivanana nentin’i Jesosy ho an’ny olona tamin’ny fampianarana azy ireny ny fahamarinana?
9 Toy izany koa, fony tonga teto an-tany i Jesosy, dia nitambesaran’ny fandaharana feno lovantsofina tsinontsinona tamin’izany andro izany ny olona. Izao no nambaran’i Jesosy momba ny mpanora-dalàna sy Fariseo izay tompon’andraikitra tamin’izany toe-javatra izany: “Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tànany anankiray aza.” (Matio 23:4; Marka 7:2-5). Toy inona moa ny fanamaivanana ho an’ny olona rehefa nampahafantatra azy ireny ny fahamarinana nanafaka azy tamin’ireny lovantsofina nanandevo ireny i Jesosy (Matio 15:1-9)! Tsy misy hafa amin’izany no mitranga amin’izao andro izao.
10. Enta-mavesatra inona avy moa no nentin’ny maro, ary inona no tsapa rehefa afaka amin’izany ny tena noho ny fahalalana ny fahamarinana?
10 Noho ireo fampianaran-diso ara-pivavahana, tena enta-mavesatra, angamba ianao taloha niaina tao anatin’ny tahotra ny hiharan’ny fampijaliana ao amin’ny afobe mirehitra na ao amin’ny afo fandiovana aorian’ny fahafatesanao. Na, raha maty zanaka kely ianao, dia angamba vaka ianao nandre mpitondra fivavahana iray nilaza taminao fa nalain’Andriamanitra izy satria nila anjely — toy ny hoe nilain’Andriamanitra kokoa noho ny tenanao ilay zanakao. Indraindray koa ny mpitondra fivavahana sasany dia milaza amin’ireo izay marary fa ozona avy amin’Andriamanitra ny aretina. Moa ve tsy tena mampahery ny mahafantatra ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly manafaka amin’ireny lainga ara-pivavahana mandreraka ireny? Toy inona moa ny fanamaivanana entiny! — Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4; Jaona 9:2, 3.
11. a) Inona moa no anankiray amin’ireo enta-mavesatra indrindra, ary inona no mahatonga ho afaka amin’izany? b) Inona moa no fampaherezana entin’i Jesosy ho an’ireo mpanota fony izy teto an-tany?
11 Ny anankiray amin’ireo enta-mavesatra indrindra dia ny fahatsiarovana ho meloka noho ny fahotana nataontsika. Mitondra fanamaivanana ny fahafantarana fa mety ho voakosoka ireny fahotana ireny noho ny vidin’ny sorom-panavotan’i Kristy. Manome antoka antsika ny Baiboly fa ‘ny ran’i Jesosy no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.’ (1 Jaona 1:7). Na toy inona na toy inona haratsin’ny nataontsika taloha, raha tena nibebaka sy nanitsy tena tokoa isika, dia afaka mahatsiaro fanamaivanana, fampaherezana entin’ny fieritreretana madio ary fahazoana antoka fa tsy hahatsiaro intsony ny fahotantsika Andriamanitra (Salamo 103:8-14; 1 Korintiana 6:9-11; Hebreo 10:21, 22). Toy inona moa ny fampaherezana nentin’i Kristy ho an’ireo olona nitambesaran’ny fahotana, ireo vehivavy janga sy mpamory hetra tahaka an’i Zakaiosy, ohatra! Rehefa niara-nisakafo tamin’izy ireo i Jesosy dia nampahery azy tamin’ny alalan’ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. — Lioka 5:27-32; 7:36-50; 19:1-10.
12. a) Fahoriana inona avy no nitambesatra tamin’ny sasany tamin’ireo nampaherezin’i Jesosy? b) Tamin’ny taonjato voalohany, iza moa no nampisehoan’i Jesosy tamin’ny fomba mahagaga fa izy no “làlana sy fahamarinana ary fiainana”?
12 Olon-kafa maro be no itambesaran’ny aretina, ny fahaketrahana sy ny alahelo mafy ateraky ny famoizana olon-tsy foy. Nitondra fampaherezana ho an’izay rehetra ‘niasa fatratra sy navesatra entana’ noho ireny fahasahiranana ireny anefa i Jesosy (Matio 4:24; 11:28, 29). Nositraniny ny vehivavy iray izay, nandritra ny 18 taona, dia nitady fanampiana tamin’ny mpitsabo, nefa tsy nahita vokany. Nositraniny koa ny lehilahy iray narary hatramin’ny 38 taona, ary nampahiratiny ny jamba iray hatry ny fony vao teraka. Hitanao sary an-tsaina ve ny fahamaivamaivanana tsapan’ireny olona ireny rehefa nanasitrana azy i Jesosy (Lioka 13:10-17; Jaona 5:5-9; 9:1-7)? Raha ny marina, izay rehetra nanatona an’i Jesosy tamim-pinoana dia tonga teo amin’ny loharanom-pahamarinana, teo amin’ny tena fampaherezana sy ny fiainana. Tamin’ilay vehivavy mpitondra tena nandray ny zanany lahitokana avy tamin’ny fahafatesana sy ny ray aman-drenin’ilay zazavavy 12 taona natsangana tamin’ny maty dia noporofoin’i Jesosy tamin’ny fomba tena nahagaga fa izy no “làlana sy fahamarinana ary fiainana”. — Jaona 14:6; 17:3; Lioka 7:11-17; 8:49-56.
13. Nampianarin’i Jesosy hitodika aiza moa isika mba hahazoana fanampiana, ary inona no mitranga rehefa manaraka ny toroheviny isika?
13 Tsy isalasalana fa efa tojo fahasahiranana lehibe aoka izany tsy hain’ny tenanao irery noresena ianao. Nampianatra antsika i Jesosy mba hitodika any amin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana, tahaka ny nataon’ny tenany koa (Lioka 22:41-44; Hebreo 5:7). Rehefa mitodika tsy tapaka any amin’Andriamanitra ao amin’ny vavaka isika, dia manjary mitovy fihetseham-po amin’ilay mpanao salamo izay nanoratra toy izao: “Isaorana anie ny Tompo [Jehovah, MN ], izay mitondra ny entantsika isan-andro isan-andro, eny Andriamanitra Izay famonjena antsika.” (Salamo 55:22; 68:19). Eny, mitondra tena fampaherezana ny fahalalana ny fahamarinana. Mampanatona antsika an’i Jehovah izany ary manampy antsika hahafantatra fa noho ny fanampiany dia afaka mandresy ireo fahasahiranana lehibe indrindra isika.
Ampaherezina amin’ny fanantenana ilay Fanjakana
14. Inona no nanohana an’i Jesosy tao anatin’ny fitsapana azy? Inona no tena ilaintsika raha tiantsika ny hahita fampaherezana ho an’ny fanahintsika?
14 Mba hahitana tena fampaherezana ho an’ny fanahintsika, dia tokony hanana fanantenana mafy orina isika. Ny fanantenana no nanohana an’i Jesosy. Izao tokoa no lazain’ny Baiboly: “Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany.” (Hebreo 12:2). Nanohana an’i Jesosy ny fanantenana mahafaly iray, dia ny fandraisana anjara tamin’ny fanamasinana ny anaran’ny Rainy tamin’ny tsy fivadihana hatrany sy tamin’ny fisehoana ho mendrika ny ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha mitahiry fahitana mazava ny fanantenantsika, dia ny ho tonga mpanjaka miaraka amin’i Kristy any an-danitra na ho ny anankiray amin’ireo olom-peheziny ao amin’ny Paradisa an-tany, isika, dia ho mora amintsika kokoa ny haharitra amin’ny asan’Andriamanitra. Tena ilaina izany fanantenana izany mba hahitantsika fampaherezana ho an’ny fanahintsika. — Romana 12:12.
15. Inona no ho fahatsinjovantsika ny hoavy raha tsy misy ny fanantenana ilay Fanjakana?
15 Inona no ho fahatsinjovan-javatra ho avy hananantsika raha tsy misy ny fanantenana ilay Fanjakana? Amin’ny ankapobeny ny halavan’ny andro iainan’ny olombelona dia 70, na 80 taona monja. Ary mandalo haingana izany taona izany, araka ny azon’ny olona efa zokinjokiny porofoina! Eny, ara-drariny tokoa ny ilazan’ny Baiboly toy izao ny amin’ny fiainana: “Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.” (Salamo 90:10). Irintsika hihalava anefa ny androntsika. Tiantsika ny ho velona. Be dia be ny zavatra tokony hatao, be dia be ny fifaliana azo andramana!
16. Mba hahitana fampaherezana ho an’ny fanahintsika, inona no tokony hataontsika?
16 Iankinan’ny aina àry ny hanatonantsika amim-pinoana an’i “Kristy Jesosy fanantenantsika”. (1 Timoty 1:1.) Izao no nambarany: “Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay.” (Jaona 6:40, 51). Mino izany ve isika? Raha tiantsika ny hahita fampaherezana ho an’ny fanahintsika, dia tena ilaina izany. Tsy afaka manao zavatra hafa noho izany isika. Eny, tokony horaisintsika ho ‘fiarovan-doha ny fanantenana ny famonjena’. (1 Tesaloniana 5:8; jereo Hebreo 6:19.) Tokony hiaro ny saintsika, ny hevitsika, izany fanantenana izany. Raha tsy izany, dia hitambesaran’ny enta-mavesatra sy ny fanahiana aoka izany isika ka hiala, ary hamoy ny fiainana mandrakizay. Mba hahitana fampaherezana ho an’ny fanahinao àry, dia ataovy izay hahamafy orina hatrany ny fanantenanao ilay Fanjakana.
Ny fampaherezana azo amin’ny fanatanterahana ny asan’Andriamanitra
17. a) Inona koa moa no tokony hataontsika mba hahitana fampaherezana, ary nahoana no tsy be loatra ho antsika izany? b) Inona moa no dikan’ny hoe manaiky ny ziogan’i Kristy?
17 Nefa mba hahitana fampaherezana, dia tsy ampy fotsiny ny manatona an’i Jesosy. Izao tokoa no nanampiny: “Ento ny ziogako [na “mipetraha eo ambany ziogako miaraka amiko”], ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana [fampaherezana, MN ] ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Matio 11:29, 30). Miasa no dikan’ny hoe mankeo ambany zioga. Aoka homarihintsika anefa fa tsy mangataka antsika ho eo ambany zioga sy hanao irery ny asa i Jesosy. Tsia, manasa antsika ho eo ambany zioga miaraka aminy izy. Araka izany, ny hoe manaiky ny zioga atolotr’i Kristy antsika dia milaza fanoloran-tena ho an’Andriamanitra, fanamarihana izany amin’ny fanekena hatao batisa, avy eo dia miantsoroka ireo andraikitry ny mpianatr’i Kristy. Fa amin’ny ahoana io zioga io, dia ny maha-mpianatr’i Kristy, no mitondra fampaherezana?
18. a) Nahoana moa no mahita fampaherezana ny tena amin’ny fanekena ny ziogan’i Kristy? b) Amin’ny ahoana ny asa fitoriana no mitondra fifaliana sy fampaherezana ho antsika?
18 Mahazo fampaherezana ny tena amin’ny fanekena ny ziogan’i Kristy satria malemy fanahy sady tsy miavona am-po i Jesosy. Koa satria mahalala ny antonony izy, dia mahita fampaherezana ny tena miara-miasa aminy, miray zioga aminy. Mihevitra ny fetran’ny herintsika sy ny fahalementsika izy. “Mora ny ziogako”, hoy izy. Marina fa ny zioga, ny maha-mpianany, dia manome adidy handray anjara amin’ny asa iray, asa fitoriana sy fampianarana tahaka ny nataon’i Jesosy ka nampiofanany ireo mpianany voalohany (Matio 28:19, 20; Asa. 1:8). Asa mampahery tokoa anefa ny firesahana amin’ny hafa ny amin’ilay Andriamanitsika fitiavana sy ny Zanany ary ilay Fanjakana! Mampahery tokoa ny mampahafantatra ny mpiara-belona amintsika fa azony atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa! Ary toy inona moa ny fifaliana tsapantsika rehefa manaiky ny hafatra mamelombelona ny amin’ilay Fanjakana izy ireny ka manatevin-daharana antsika mba hanompo an’i Jehovah Andriamanitra! — 1 Timoty 4:16.
19. Amin’izao androntsika izao, nahoana moa no rariny ny hieritreretan’ireo loholona ny torohevitra noraisin’i Mosesy avy amin’ny rafozany?
19 Ireo olona an-tapitrisany maro nirohotra nanatona ny fandaminan’i Jehovah tato anatin’ireo taona faramparany dia mila ny hampiana mba hanaiky ny ziogan’i Kristy, ka izany dia mampitombo ny asan’ireo mpitory ilay Fanjakana sy ireo izay mitari-dalana azy ireny. Ireny mpiandry ara-panahy ireny dia afaka mieritreritra amin’ny fomba mahasoa ity fanamarihana nataon’ny rafozandahin’i Mosesy mpaminany taminy ity: “Tsy tsara izao zavatra ataonao izao. Samy ho reraka mihitsy, na hianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao.” Nanarina àry Mosesy mba hifidy lehilahy mahay sy hizara amin’izy ireny ny andraikitra hitondra ny vahoaka. Niharihary fa nampiseho fahendrena io torohevitra io (Eksodosy 18:17-27). Amin’izao androntsika izao, ny fampiofanana mitohy dia hanome lehilahy mahay maro, “fanomezana olona”, izay ho afaka handray anjara amin’ny asa fitarihana ny andian’ondry, mba hahatonga ireo loholona ao amin’ny kongregasiona tsy ho reraka. — Efesiana 4:8, 16, MN.
20. Inona no antenain’i Jesosy Kristy sy ny Rainy avy amintsika?
20 Na dia nananatra ireo mpianany hiady mafy aza Kristy, na izy na ny Rainy dia tsy mitaky amintsika mihoatra noho izay azontsika atao amin’ny antonony. Rehefa nisy nanakiana an’i Maria anabavin’i Lazarosy noho izay nataony ho azy, dia niteny azy ireny toy izao i Jesosy: “Avelao izy (...). Efa nanao izay azony natao izy.” (Marka 14:6-8; Lioka 13:24). Izao ihany no antenain’i Jehovah sy Jesosy amintsika: ny hanaovantsika izay azontsika atao. Ny asa kristiana toy izany dia tsy mavesatra fa mampahery. Inona no antony? Satria izany mitondra tena fahafahampo dieny izao sy fanantenana azo antoka ny handray soa mandrakizay amin’ny ho avy.
21. a) Inona moa ny entana maivan’i Kristy, ary inona matetika no manasarotra ny asa fitoriana? b) Tokony ho tapa-kevitra mafy ny hanao inona isika, ary amin’ny fanantenana inona azo antoka?
21 Marina fa hataon’i Satana izay hanenjehana antsika, tsy misy hafa amin’ny nihatra tamin’i Jesosy Kristy miray zioga amintsika (Jaona 15:20; 2 Timoty 3:12). Aoka tsy hohadinointsika anefa fa maivana ny entan’i Kristy fa tsy mavesatra. Ny fanoheran’i Satana sy ireo olona ampiasainy no matetika manasarotra aoka izany ny asantsika. Ny entan’i Kristy dia natao fotsiny hiainana mifanaraka amin’ireo fepetra takin’Andriamanitra izay tsy mavesatra (1 Jaona 5:3). Enga anie àry isika hitoetra eo ambany ziogan’i Jesosy Kristy, miaraka aminy, amin’ny fandaniana hery eo amin’ny asa fitoriana sy fampianarana, tahaka ny nataon’ny tenany! Mifanaraka amin’ny fampanantenany, raha manao toy izany isika dia ‘hahita fampaherezana ho an’ny fanahintsika’.
Ahoana no havalinao?
◻ Araka ny Romana 8:22, ao anatin’ny tarehin-javatra manao ahoana moa ny olombelona?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy moa no itondran’ny fahalalana ny fahamarinana fampaherezana?
◻ Nahoana moa no mampahery tokoa ny fanantenana ilay Fanjakana?
◻ Inona moa ny ziogan’i Jesosy, ary nahoana no mora izany?
◻ Tokony hitondra inona isika mba hahitana fampaherezana?