Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoana
Ny raharaha ny amin’ny maha-ray
EO amin’ny 32 amin’ny fanisan-taona iraisana isika izao, tao anatin’ny andro firavoravoana momba ny Tabernakely. Niakatra ny feo teo amin’i Jesosy sy ireo filoha jiosy. “Fantatro ihany fa taranak’i Abrahama hianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo. Izay efa hitako tamin’ny Ray no lazaiko, ary hianareo kosa manao izay renareo tamin’ny rainareo”.
Noporofoin’i Jesosy mazava, na dia tsy nanonona anarana aza izy, fa hafa noho ny azy ny rain’izy ireo. Tsy azon’ireo filoha ara-pivavahana izay noeritreretin’i Jesosy, ka hoy ny navalin’izy ireo: “Abrahama no Rainay”. Nihevitra izy ireo fa nanam-pinoana sahala amin’ny an’i Abrahama sakaizan’Andriamanitra.
Nanafintohina azy ireo anefa i Jesosy tamin’izao valin-teny izao: “Raha zanak’i Abrahama hianareo, dia ny asan’i Abrahama no hataonareo.” Ny tena zanaka tokoa dia manahaka ny rainy. “Fa ankehitriny hianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin’Andriamanitra; tsy mba nanao izany Abrahama.” Koa nampiany hoe: “Hianareo manao ny asan’ny rainareo.”
Mbola tsy takatr’izy ireo ihany ny hoe iza no tian’i Jesosy horesahina. Naverin’izy ireo fa zanak’i Abrahama ara-dalàna izy: “Tsy mba teraka avy tamin’ny fijangajangana izahay.” Noho izany antony izany, dia nanantitrantitra izy ireo fa mpivavaka marina sahala amin’i Abrahama, ka nanamafy hoe: “Iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany.”
Nefa moa ve Andriamanitra tena Rain’izy ireo tokoa? “Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy hianareo, satria avy tamin’Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ. Fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy. Nahoana no tsy azonareo ny teniko?”
Niezaka i Jesosy mba hampiseho tamin’ireny filoha ara-pivavahana ireny ny vokany tokony hampoizin’izy ireo amin’ny fandavana azy. Izao no nolazainy tamin’izy ireny tsy nisy olakolaka: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao.” Karazan-dray manao ahoana moa ny Devoly? Nahariharin’i Jesosy fa mpamono olona izy io ary dia nampiany hoe: “Mpandainga izy sady rain’ny lainga.” Ary dia nofaranany hoe: “Izay avy amin’Andriamanitra dia mihaino ny tenin’Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin’Andriamanitra hianareo.”
Sosotra noho ny fanamelohan’i Jesosy ny Jiosy ka namaly hoe: “Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Hianao sady manana demonia?” Nilaza azy ho “Samaritana” izy ireo ho fanamavoana sy fanakianana azy, satria nankahalain’ny Jiosy ny vahoaka samaritana.
Tsy nanafa-tena tamin’izany fanalam-baraka amam-panamavoana izany i Jesosy fa namaly hoe: “Izaho tsy manana demonia fa mankalaza ny Raiko, ary hianareo kosa mahafa-boninahitra Ahy.” Nanohy ny teniny tamin’izao fampanantenana mahagaga izao izy: “Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana izy mandrakizay.” Mazava ho azy fa tsy te-hilaza tamin’izany akory izy hoe tsy ho faty mihitsy ireo mpanahaka azy indray andro any. Te-hilaza kosa i Jesosy fa tsy hihatra amin’izy ireny mihitsy ny fandringanana mandrakizay, na “fahafatesana faharoa”, izay tsy ananganana amin’ny maty.
Noraisin’ny Jiosy tamin’ny heviny ara-bakiteny anefa ny tenin’i Jesosy. Koa nanampy teny toy izao izy ireo: “Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay. Moa Hianao va lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? Sady efa maty koa ny mpaminany; manao Anao ho iza moa Hianao?”
Nandritra izany fifanakalozan-kevitra rehetra izany, dia miharihary fa tian’i Jesosy ny hampiseho tamin’ireo lehilahy ireo fa izy no Mesia nampanantenaina. Tsy namaly mivantana ny fanontanian’izy ireo momba ny maha-izy azy anefa izy fa nanazava hoe: “Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako; ny Raiko Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy. Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa Aho.”
Avy eo dia mbola nampahatsiahy ihany ny amin’i Abrahama nahatoky izy: “Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.” Tamin’ny mason’ny finoana tokoa, dia nifaly nialoha Abrahama ny amin’ny hahatongavan’ilay Mesia nampanantenaina. Tsy nety nino ny Jiosy ka nilaza tamin’i Jesosy hoe: “Tsy mbola dimampolo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an’i Abrahama va?”
Hoy ny navalin’i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.” Mazava ho azy fa niresaka ny amin’ny fisiany talohan’ny naha-olombelona azy izy, fony izy olona ara-panahy nahery tany an-danitra.
Nisafoaka ny Jiosy rehefa nilaza ny fisiany talohan’i Abrahama i Jesosy ka nanangom-bato hitorahana azy. Niafina anefa izy ary nivoaka avy tao amin’ny tempoly tsy naninon-tsy naninona. Jaona 8:37-59; Apokalypsy 3:14; 21:8.
◆ Ahoana moa no nampisehoan’i Jesosy fa tsy iray ray izy sy ireo fahavalony?
◆ Nahoana moa ny Jiosy no nilaza an’i Jesosy ho Samaritana?
◆ Inona moa no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe tsy hahita fahafatesana mihitsy ireo mpianany?