-
JaonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nijanona tany an-tany efitra nandritra ny 40 andro teo ho eo i Jesosy, rehefa vita batisa. Rehefa niverina izy, dia hoy i Jaona tamin’ny mpianany: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” (Jn 1:29) Ny ampitson’iny, dia nampahafantariny an’i Andrea sy ny mpianatra iray hafa (angamba i Jaona zanak’i Zebedio) ilay Zanak’Andriamanitra. (Jn 1:35-40) Hita hoe “mpiandry vavahady” nanao tsara ny asany i Jaona Mpanao Batisa, satria nanomboka notarihiny ho amin’ilay “mpiandry tena tsara” ny mpianany, izany hoe ny Israelita tao anaty valan’ondry.—Jn 10:1-3, 11.
-
-
OndryFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Matahotra sy tsy misy mpiaro ny ondry rehefa tsy misy mpiandry, ka mety ho very sy hiparitaka ary ho mora rembin’ny fahavalony. (No 27:16, 17; Je 23:4; Ezk 34:5, 6, 8; Mi 5:8) Manaiky hotarihin’ny mpiandry izy ireo, ka manaraka azy foana. Afaka mamantatra ny feony izy ireo, ary ny baikony ihany no arahin’ireo. (Jn 10:2-5) Hoy i J. Hartley (Fikarohana Tany Gresy sy Tany Atsinanana, Londres, 1831, p. 321, 322):
“Nisarika ny saiko halina ny teny [ao amin’ny] Jaona 10:3 ... Nanontaniako ny mpiasako raha fanao eto Gresy ny manome anarana ny ondry. Fanao eto izany, hoy izy, ary mihaino ny ondry rehefa antsoin’ny mpiandry amin’ny anarany. Androany maraina aho no afaka nijery raha marina izany. Nandalo teo akaikin’ny andiany iray aho, ka naveriko tamin’ilay mpiandry ny fanontaniana napetrako tamin’ny mpiasako, ary nitovy koa ny valiny nomeny. Nasaiko nantsoiny àry ny ondry iray. Tonga dia nandao an’ireo namany niraoka ahitra ilay ondry, ka nihazakazaka nanatona an’ilay mpiandry sady faly erỳ. Mbola tsy nahita biby hafa namaly antso haingana toy izany aho. Marina koa ny hoe tsy hanaraka olona tsy fantany ny ondry eto Gresy, fa handositra azy kosa ... Nilaza ilay mpiandry fa mbola tsy voafolaka ny ondriny maromaro ka tsy nahay ny anarany avy, fa ho hainy ihany izany rehefa ampianarina azy.”—Jereo MPIANDRY ONDRY.
-
-
Mpiandry OndryFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Natao tao anaty vala iray ny andian’ondry maromaro indraindray rehefa alina, ary nambenan’ny mpiandry vavahady. Tonga ny mpiandry ondry rehefa maraina. Niantso an’ireo ondriny izy, ka narahin’izy ireo satria ny feony ihany no nohenoin’izy ireo. Nandeha teo aloha izy mba hitarika azy ireo hiraoka ahitra. (Jn 10:1-5) Hoy i W. Thomson momba izay hitany tany Syria sy Palestina (taonjato faha-19): “Efa folaka tsara sy mora baikoina [ny ondry] ka manaraka an’ilay mpiandry azy ho any amin’izay toerana tian’ilay mpiandry, rehefa mivoaka avy ao am-bala na avy ao an-tranony ao an-tanàna. Maro ny andian’ondry ao amin’ny tanàna iray, ka samy mifidy izay lalana mety hahitany tanimbilona ho an’ny ondriny ny mpiandry. Tsy maintsy zarina manaraka an’ilay mpiandry ny ondry, sao hivily ho any amin’ny tanimboly tsy voafefy eo amin’ny andaniny roa ka ho sahirana. Voatery miantso mafy àry ilay mpiandry indraindray. Fantatry ny ondry ny feony, ka manaraka azy izy ireo. Raha olona tsy fantany kosa no miantso, dia mijanona izy ireo ary mitraka sady mailomailo. Raha mbola miantso ihany ilay olona, dia lasa mitsoaka izy ireo satria tsy fantany ny feony. Tsy zavatra resahin’ny fanoharana fotsiny izany fa tena zava-misy. Efa imbetsaka aho no nahita izany. Mandeha eo aloha ilay mpiandry, mba hitarika ny ondry sy hijery raha azo aleha sy tsy mampidi-doza ilay lalana.”—Ilay Tany sy Ilay Boky, nohavaozin’i J. Grande, 1910, p. 179.
Hoy koa i J. Porter: “Hitanay tsara ireo mpiandry nitarika ny ondriny nivoaka ny vavahadin’ny tanàna. Nandinika sy nihaino tsara azy ireo izahay. Nifangaroharo be ny ondry sy osy an’arivony. Niaraka daholo ireo mpiandry mandra-pivoakan’ny biby rehetra. Nisaraka ireo mpiandry avy eo, samy nanana ny lalany, ary samy nanana ny fomba fiantsoany ny ondriny. Ren’ireo ondry izany, ka nirona niankavia na niankavanana izy ireo toy ny hoe nisy nanaitra azy. Nanaraka tsikelikely ny dian’ny mpiandry azy avy izy ireo, ary tsy nifangaroharo intsony, fa samy nitanjozotra nanaraka ny mpitarika azy.”—Tanàna Goavana Tany Basana sy Toerana Masina Tany Syria, 1868, p. 45.
-
-
FeoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Dikan’ny hoe mihaino ny feon’i Jesosy. I Jesosy Kristy no “mpiandry tena tsara”, ka “mihaino ny feony ny ondry ... ary ny ondry manaraka azy satria fantatr’ireo ny feony.” ‘Tsy fantatr’izy ireo’ kosa ‘ny [feon’olona] tsy fantany.’ (Jn 10:2-5, 11) ‘Fantatry’ ny ‘ondrin’i’ Kristy ny feony, izany hoe ekeny fa marina ny tenin’i Kristy ao amin’ny Baiboly. Laviny kosa ny fampianaran’olona “tsy fantany” na mpiandry sandoka. “Mihaino” ny feon’i Jesosy ny ondry, rehefa mankatò ny didiny ao amin’ny Baiboly. (Jn 15:10, 15) Ho tafaray amin’i Jehovah izay manara-dia an’i Kristy, satria solontenan’Andriamanitra i Kristy Jesosy ary mihaino ny feon’i Jehovah foana sady milaza an’izay asainy lazaina.—Jn 5:19; 1Jn 2:6.
-