“Mahalala ny Feony Ireo”
“JEHOVAH no Mpiandry ahy”. Ireo no teny fanokafana ny Salamo 23 faha-23. Mampitaha indray an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny mpiandry ondry ny Soratra Masina ao amin’ny faminanian’i Isaia, izay milaza hoe: “Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.” — Isaia 40:11.
Toy izany koa, i Jesosy Kristy dia ampitovina amin’ny mpiandry ondry. Hoy izy: “Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.” (Jaona 10:11). Nilaza i Jesosy fa ny “ondry mihaino ny feo[n’ny mpiandry]; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ka entiny mivoaka”. Nanampy teny izy fa ‘ny ondry manaraka [ny mpiandry], satria mahalala ny feony ireo. Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ny vahiny’. — Jaona 10:2-5.
Samy manao zavatra mifanaraka amin’io fanoharana voalazalaza eo amin’ireo andininy eo aloha io i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy Zanany. Mitondra ny ondriny ara-panoharana amim-pahalemem-panahy sy fiahiana amim-pitiavana izy ireo. Ho vokatr’izany, dia mahatsiaro tena ho tiana sy tsy manana ahiahy ary voaro ireo olona toy ny ondry.
Io fifandraisana io dia ampitovina amin’ny fomba mifanentana amin’ny an’ireo ondry ara-bakiteny amin’ny mpiandry azy ireo. Tamin’ny 1831, i John Hartley dia nanoratra mikasika ireo fandinihana nataony ny amin’io lafiny io. Nomarihiny fa nahazatra ireo mpiandry ondry tany Gresy ny nanome anarana ireo ondriny. Rehefa nantsoina tamin’ny anarany ireo ondry, dia namaly ny feon’ilay mpiandry. Tokony ho 51 taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1882, i J. L. Porter dia nanao fandinihana toy izany koa. Hitan’ny masony manokana ireo mpiandry “nanao (...) antso nikiririoka hafahafa”, izay novalian’ireo ondry tamin’ny fanarahana tamim-pankatoavana ireo mpiandry. Tamin’io taona io ihany, i William M. Thomson dia nanoratra mikasika ireo fanandramana naverimberina izay nanaporofo fa azo ampianarina hanaraka ilay mpiandry azy ireo sy hahafantatra ny feony ireo ondry.
Moa ve voadinika vao haingana kokoa izany fifandraisana manokana eo amin’ireo mpiandry sy ireo ondriny izany? Eny. Tao amin’ny nomeraon’ny National Geographic nivoaka tamin’ny Septambra 1993, dia nanoratra izao manaraka izao ilay Aostralianina mpisetra zava-tsarotra atao hoe Robyn Davidson, mikasika ireo mpiompy rabari mpifindrafindra monina tsindraindray any avaratra andrefan’i India: “Manana fomba fiantso somary samy hafa, izay misy fiovaovan’ny feo, ny mpiandry ondry tsirairay. Misy ny fiantsoana maraina mba hanainga, misy fiantsoana mba hitondrana ireo ondry ho eny amin’ny rano, sy ny toy izany. Mahafantatra ireo ondriny manokana ny lehilahy tsirairay ary mahafantatra ny mpiandry azy manokana koa ireo ondry. Ary hisaraka ho azy avy amin’ny andiany lehibe ny andiany azy manokana ka hanainga avy eo aoriany amin’ny maraina.”
Tsy isalasalana fa nandinika izay nolazalazain’ireo mpanao dia lavitra efatra vao avy noresahina teo, i Jesosy. Ny fandinihany manokana dia nampiditra zava-misy tamin’ilay fanoharany ny amin’ireo ondry mahafantatra ny feony. Iray amin’ireo ondrin’i Jesosy ve ianao? Fantatrao ve ny feony ary henoinao ve izany? Raha mahafantatra sy manaiky ny fampianarany amin’ny maha-fahamarinana ianao ary raha mankato ny didiny sy manaraka ny fitarihany amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ianao, dia afaka mahita eo amin’ny fiainanao ny fiandrasan’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy Zanany feno fitiavana sy fahalemem-panahy amin’izay. — Jaona 15:10.