Izay Azon’ireo Zavaboary “Hendry Sady Mahay” Ampianarina Antsika
NY FAMPANGATSIAHANA rivotra, ny antigel, ny fanesorana sira, sy ny sonar dia zavatra noforonina izay nanjary fantatry ny olona be dia be amin’izao taonjato faha-20 izao. Kanefa, efa nisy teo amin’ny tontolon’ny biby izy ireo an’arivony taona maro tany aloha. Eny, mandray soa avy amin’ny fandinihana momba ny zavaboary “hendry sady mahay” toy ireny ny olombelona. (Ohabolana 30:24-28; Joba 12:7-9). Ny biby sasany dia toa nanjary mpampianatra tsy miloa-bava ho an’ny olombelona, ary mety ho hitantsika ho tena mahaliana ny fandinihana azy ireo.
Afaka mandray soa avy amin’ny fandinihana ny lafin-toetran’ny biby sasany ve isika? Nampitovin’i Jesosy Kristy tamin’ny ondry, bibilava, voromahailala sy valala mihitsy aza ireo mpanara-dia azy. Inona no tao an-tsainy rehefa nampitoviny tamin’ireo zavaboary ireo ny mpanara-dia azy? Aoka hojerentsika.
“Ny ondriko mihaino ny feoko”
Voalaza maherin’ny in-200 ny ondry ao amin’ny Baiboly. Araka ny hazavain’ny Smith’s Bible Dictionary, “ny ondry dia mampiseho an’ohatra ny fahamoram-panahy sy ny faharetana ary ny fanekena”. Ao amin’ny Isaia toko faha-53, dia ampitovina ara-paminaniana amin’ny ondry iray ny tenan’i Jesosy. Mifanentana toy inona moa ny nampitoviany ireo mpanara-dia azy tamin’io biby io ihany! Toetra mampiavaka ny ondry inona avy anefa no tao an-tsain’i Jesosy?
“Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy”, hoy i Jesosy. (Jaona 10:27). Nasongadiny araka izany ny fahamoram-panahy ananan’ireo mpianany sy ny fahazotoany manaraka azy. Mihaino ny mpiandry azy sy vonona hanaraka azy io ireo ondry ara-bakiteny. Mifikitra akaiky amin’ny andian’ondry koa ny mpiandry ondry.
Mety hiparitaka eo amin’ny tany rakotr’ahitra ny andian’ondry rehefa miraoka, nefa ny ondry tsirairay dia mihazona fifandraisana amin’ilay andiany amin’ny fitambarany. Araka izany, rehefa kaodikaody na matahotra ireo biby, dia “afaka miara-miangona faingana izy ireo”, hoy ny lazain’ilay boky hoe Alles für das Schaf (Zava-drehetra ho An’ny Ondry). Raha milefa ny ondry mba handosirana loza, dia manao izany amin’ny maha-andiany izy, ka mijanona tsindraindray mba hanombanana ny tarehin-javatra. “Ny fandosirana miandalana dia mamela ireo zanak’ondry sy ireo biby osa kokoa haharaka. Manolotra ho azy ireny fiarovana manokana mihitsy aza ilay andian’ondry.” Inona no azontsika ianarana avy amin’izany fihetsika izany?
Ireo Kristiana marina amin’izao andro izao dia tsy miparitaka eo amin’ireo fandaminana na antokom-pinoan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Miangona ho andiany iray kosa izy ireo. Mahatsapa fifikirana manokana amin’io andian’ondrin’Andriamanitra io ny Kristiana tsirairay, ary izany dia mandray anjara amin’ny firaisan-tsain’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na oviana na oviana itrangan’ny fotoan-tsarotra — na aretina mafy, na ady, na loza araka ny natiora izany — aiza ny mpivavaka tsirairay no mitady tari-dalana sy fiarovana? Ao amin’ny fandaminan’i Jehovah, izay manolotra filaminana ara-panahy.
Ahoana no natao mba hahafahana handray ny torohevitra ao amin’ny Baiboly? Amin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra toy Ny Tilikambo Fiambenana sy ilay gazety namany hoe Mifohaza! Manolotra fanampiana manokana mihitsy ho an’ireo izay mila fikarakarana fanampiny, toy ireo zanak’ondry sy ondry osa kokoa ao amin’ny andian’ondry iray aza, ireo gazety ireo sy ireo fivoriana kristiana. Ohatra, omena fiheverana ireo ray na reny mitaiza irery ny zanany sy ireo mijaly noho ny fahaketrahana. Fahendrena toy inona àry ny mamaky ny gazety tsirairay, ny manatrika ny fivoriana rehetra ao amin’ny kongregasiona, sy ny mampihatra izay ianarantsika! Amin’izany fomba izany isika dia mampiseho fahamoram-panahy sy fifikirana mafy amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra. — 1 Petera 5:2, NW.
“Malina tahaka ny bibilava kanefa koa tsy hanan-tsiny tahaka ny voromahailala”
Manambara ny Smith’s Bible Dictionary fa: “Manerana ny Orient manontolo dia nampiasaina hampiseho an’ohatra ny faharatsiana, ny toe-tsain’ny tsy fankatoavana, ny bibilava.” Etsy an-danin’izany, ny hoe “ry voromailalako” dia teny iray milaza firaiketam-po. (Tonon-kiran’i Solomona 5:2). Inona àry no tao an-tsain’i Jesosy rehefa nampirisika ny mpanara-dia azy izy mba ‘ho malina tahaka ny bibilava kanefa koa tsy hanan-tsiny tahaka ny voromahailala’? — Matio 10:16, NW.
Teo am-panomezana toromarika ho amin’ny fitoriana sy ny fampianarana i Jesosy. Ny mpianany dia afaka manampo fandraisana tsara sy ratsy amin’ny asa fitoriana ataony. Hisy olona sasany hampiseho fahalianana, kanefa kosa handa ny vaovao tsara ny hafa. Ny sasany aza hanenjika mihitsy ireo mpanompon’Andriamanitra marina. (Matio 10:17-23). Ahoana no tokony ho fihetsiky ny mpianatra eo anoloan’ny fanenjehana?
Ao amin’ny Das Evangelium des Matthäus (Ny Filazantsaran’i Matio), dia milaza toy izao momba ny Matio 10:16 i Fritz Rienecker: “Ny fahiratan-tsaina (...) dia tsy maintsy akambana amin’ny tsy fivadihana, ny fahatsoram-po, sy ny fahitsiana, sao misy zavatra mety hitranga ka hanome antony marim-pototra ho an’ny fahavalo mba hitarainana. Ireo ambasadaoron’i Jesosy dia eo afovoan’ireo mpanohitra tsy miantra, izay tsy mampiseho fiheverana, mamely ny apostoly tsy misy indrafo ary izany dia amin’ny toe-javatra madinika indrindra. Koa amin’izany, dia tena ilaina — toy ny bibilava iray — ny manao andry maso ireo mpanohitra, sy ny mandinika indray ny tarehin-javatra amin’ny fananana maso sy vavahadin-tsaina matsilo; ny mifehy ny tarehin-javatra kanefa tsy misy fampiasana fitaka sy lainga, ho madio sy marina amin’ny teny sy ny atao, ka amin’izany fomba izany dia hampiseho ny tenany ho tahaka ny voromahailala.”
Inona no azon’ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny andro maoderina ianarana avy amin’ny tenin’i Jesosy hita ao amin’ny Matio 10:16? Amin’izao andro izao ny olona dia manana fihetsika mitovy be dia be amin’izay nananan’ny olona tamin’ny taonjato voalohany teo anoloan’ny vaovao tsara. Rehefa tojo fanenjehana ny Kristiana marina dia mila manakambana ny fahiratan-tsain’ny bibilava amin’ny fahadiovan’ny voromahailala. Tsy mampiasa velively lainga na fanaovana ny tsy marina ny Kristiana, fa tsy simba ara-pitondran-tena, marina sy milaza ny marina kosa rehefa manambara amin’ny hafa ny hafatra momba ilay Fanjakana.
Indro misy ohatra: Ireo mpiara-miasa, ireo tanora any an-tsekoly, na ireo mpianakavinao mihitsy aza dia mety hanao fanamarihana manaraby momba ny zavatra inoanao amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah anao. Ny fihetsika mety ho tonga avy hatrany dia ny mamaly amin’ny fomba mitovy amin’izany, amin’ny fanaovana teny manindrona koa momba ny finoan’izy ireo. Fisehoana ho tsy manan-tsiny ve anefa izany? Azo antoka fa tsia. Raha marihin’ireo mpanakiana anao fa tsy misy vokany eo amin’ny toetra asehonao mahafinaritra ny fanamarihana ataony, dia mety hiova ho amin’ny tsara mihitsy izy ireo. Haneho fahiratan-tsaina sady tsy hanan-tsiny ianao amin’izay — ho ‘malina tahaka ny menarana, kanefa koa tsy hanan-tsiny tahaka ny voromahailala’.
“Ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady”
Manao tatitra ilay gazetiboky hoe GEO fa tamin’ny 1784, i Afrika Atsimo dia ringan’ny “andia[m-balala] lehibe indrindra nisy teo amin’ny tantara voarakitra an-tsoratra”. Nandrakotra faritra iray mirefy 5 200 kilaometatra tora-droa, izay tokony ho avo dimy heny noho ny haben’i Hong-Kong, ilay andiam-balala. Milaza ny Smith’s Bible Dictionary fa ny valala dia “mahatonga fandringanana mahatsiravina eo amin’ny zavamaniry any amin’ireo tany izay tsidihiny”.
Tao amin’ny fanambarany ireo zavatra hiseho mandritra “ny andron’ny Tompo”, dia nampiasa fahitana iray ny amin’ny andiam-balala i Jesosy. Momba izany, dia izao no voalaza: “Ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady”. (Apokalypsy 1:1, 10; 9:3-7). Inona no hevitr’io teny fanoharana io?
Takatry ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny ela fa ny valala ao amin’ny Apokalypsy toko faha-9 dia mampiseho ireo mpanompon’Andriamanitra voahosotra eto an-tany amin’izao taonjato izao.a Ireny Kristiana ireny dia notendrena hanao asa iray manokana — hitory maneran-tany ny hafatra momba ilay Fanjakana sy hanao mpianatra. (Matio 24:14; 28:19, 20). Mitaky aminy ny handreseny ireo vato misakana sy ny haharetany amin’ny asany izany. Inona no ho afaka hampiseho tsara kokoa izany noho ilay valala tsy azo resena?
Na dia zara raha mihoatra ny dimy santimetatra aza ny halavan’ny valala, dia mazàna izy no mahavita dia lavitra eo amin’ny 100 ka hatramin’ny 200 kilaometatra isan’andro. Mety hanitatra izany hatramin’ny 1 000 kilaometatra mihitsy aza ny valala any an’efitra. Hazavain’ny GEO fa “ny elany dia mikopaka in-18 isan-tsegondra ary tonga hatramin’ny adiny 17 ao anatin’ny iray andro — zavatra izay tsy vitan’ny bibikely hafa”. Asa goavana tokoa re izany ho an’ny zavaboary bitika toy io!
Amin’ny maha-antokon’olona, dia mahatoky ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fanelezana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Mitory any amin’ny tany maherin’ny 230 izy ireo ankehitriny. Ireny mpanompon’Andriamanitra ireny dia mandresy zava-tsarotra maro mba handraisana anjara amin’ny fanatontosana ilay asa. Karazan-java-manahirana inona avy no atrehiny? Ny fitsarana an-tendrony, ny fameperana araka ny lalàna, ny aretina, ny fahakiviana, sy ny fanoherana avy amin’ny havana dia vitsivitsy fotsiny amin’izany. Tsy nisy na inona na inona anefa nahavita nampitsahatra ny fandrosoany. Mifikitra amin’ny asa nomen’Andriamanitra azy izy ireo.
Manohiza maneho ireo toetra kristiana
Eny, nampitovin’i Jesosy tamin’ny ondry, ny bibilava sy ny voromahailala ary ny valala ireo mpanara-dia azy. Tena mifanentana tsara amin’ny androntsika izany. Nahoana? Satria antomotra ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ, ary satria mihamafy noho izay nisy hatramin’izay ireo zava-manahirana.
Amin’ny fanaovana ao an-tsaina ny teny an’ohatra nampiasain’i Jesosy, dia mifikitra akaiky amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra ny Kristiana marina, sy manaiky amim-pahamoram-panahy ny torohevitra avy amin’ny fandaminan’i Jehovah. Manohy miambina izy ireo ary mailo amin’ireo tarehin-javatra izay mety hanakantsakana ny asa kristiana ataony, sady mitoetra ho tsy manan-tsiny amin’ny zava-drehetra. Ambonin’izany, dia maharitra amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo eo anoloan’ireo vato misakana. Ary manohy mianatra avy amin’ireo zavaboary sasany “hendry sady mahay” izy ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, toko faha-22.