Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nisy nanandrana namono an’i Jesosy indray
RIRININA tamin’izay. Nandeha teo ambanin’ny alo-baravarana nanaraka ny tempoly izay nantsoina hoe fialofan’i Solomona i Jesosy. Tany, dia nisy Jiosy nanodidina azy ka nilaza taminy hoe: “Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay.”
“Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino hianareo”, hoy ny navalin’i Jesosy. Marina fa tsy nilaza mazava taminy i Jesosy hoe izy no Kristy, toy ny nambarany tamin’ilay vehivavy Samaritana teo akaikin’ny fantsakana. Nambarany tamin’izy ireo kosa ny hoe iza izy tamin’ny fanazavana taminy fa avy any ambony ny tenany ary efa nisy talohan’i Abrahama.
Nirin’i Jesosy ho ny olona ihany anefa no hahatakatra fa izy no Kristy amin’ny fampifandraisana ny asany amin’izay nolazain’ny Soratra masina fa tokony hotanterahiny. Noho izany antony izany no nandidiany ireo mpianany mba tsy hanambara na amin’iza na amin’iza fa izy no Kristy. Ary noho izany koa no nanampiany teny toy izao ho an’ireny Jiosy feno fankahalana ireny: “Ny asa izay ataoko amin’ny anaran’ny Raiko no manambara Ahy. Kanefa hianareo tsy mino.”
Nahoana no tsy nino ny Jiosy? Moa ve izy ireny tsy nanana porofo ampy fa Jesosy tokoa no Kristy? Izany tokoa, kanefa nomen’i Jesosy ny tena anton’ny tsy finoan’izy ireny: “Hianareo (...) tsy mba isan’ny ondriko, hoy izy. Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ny tànan’ny Ray.”
Nohazavain’i Jesosy nanaraka izany ny fifandraisana akaiky nampiray azy tamin’ny Rainy: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany. Miharihary fa tsy nilaza izy akory hoe ny tenany izay teto an-tany, sy ny Rainy izay tany an-danitra, dia nahaforona persona iray ihany. Nasehony kosa fa tafaray ao anatin’ny fikasana tokana izy mianaka.
Ireo teny ireo dia nanapoaka ny fahatezeran’ny Jiosy izay nanomboka nanangom-bato mba hitorahana azy, araka ny efa nitranga roa volana talohan’izay, tamin’ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo. Tamin-kerim-po no namalian’i Jesosy toy izao an’ireo izay nitady hamono azy: “Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin’ireny moa no itorahanareo vato Ahy?
“Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.” Fa nahoana no nilaza toy izany izy ireo, kanefa tsy nihambo ho toy izany mihitsy i Jesosy?
Ny toa nahatonga izany dia satria Jesosy nilaza ho nanana fahefana izay, araka ny filazan’ireo fahavalony, dia Andriamanitra ihany no nanana azy. Vao avy nilaza toy izao ny amin’ireo ‘ondriny’ izy: “Izaho manome azy fiainana mandrakizay”, zavatra tsy ho azon’olombelona atao mihitsy. Hadinon’ny Jiosy anefa fa niaiky ho nandray izany fahefana izany avy tamin’ny Rainy i Jesosy.
Tamin’ny alalan’ny fanontaniana iray no nampisehoan’i Jesosy mazava fa nampiseho ny tenany ho ambany noho Andriamanitra izy. Hoy ny fanontaniany: “Tsy voasoratra ao amin’ny lalànareo [ao amin’ny Salamo 82:6] va hoe: ‘Hoy Izaho: Andriamanitra hianareo’? Raha ireny izay nanaovana izany tenin’Andriamanitra izany no atao hoe ‘andriamanitra’ (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana), moa Izay nohasinin’ny Ray ka nirahiny ho amin’izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak’Andriamanitra Aho?”
Raha milaza mpitsara olombelona tsy marina ho “andriamanitra” tokoa ny Soratra masina, ahoana no azon’ireny Jiosy ireny iampangana an’i Jesosy, izay nilaza fotsiny hoe: “Zanak’Andriamanitra Aho”? Hoy ny teny nanampin’i Jesosy: “Raha tsy manao ny asan’ny Raiko aho, dia aza mino Ahy. Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza hianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray.”
Rehefa nandre izany ny Jiosy dia nanandrana nisambotra azy, nefa afa-nandositra azy ireo izy toy ny tamin’ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny Trano rantsan-kazo. Nandao an’i Jerosalema àry izy ary nankany andafin’i Jordana, tany amin’izay nanombohan’i Jaona nanao batisa, efa ho efa-taona izay. Ny nisy an’io toerana io dia toa teo akaikin’ny morony atsimo amin’ny ranomasin’i Galilia, lalana tokony ho roa andro avy eo Jerosalema.
Maro be ny olona tonga nanatona azy tamin’io toerana io ka niaiky hoe: “Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin’ity Lehilahy ity dia marina avokoa.” Tamin’izany dia maro no nino azy. Jaona 10:22-42; 4:26; 8:23, 58; Matio 16:20.
◆ Ahoana moa no fomba nirin’i Jesosy hamantaran’ny olona azy fa Kristy?
◆ Amin’ny heviny ahoana moa no hoe iray ihany Jesosy sy ny Rainy?
◆ Ahoana moa no toa nahatonga ny Jiosy hilaza fa nanao ny tenany ho andriamanitra i Jesosy?
◆ Tamin’ny fanononana ny Salamo, ahoana moa no nampisehoan’i Jesosy fa tsy nihambo ho nitovy tamin’Andriamanitra akory izy?