‘Fantatsika fa hitsangana izy ireo amin’ny fitsanganan’ny maty’
NANOME ny fiainana ho an’ny olombelona ilay Andriamanitra Tsitoha, ary afaka manome izany indray an’ireo maty. Izy koa no nanome ny loharanom-panazavana mendri-pitokiana indrindra mikasika ny fiainana sy ny fahafatesana: ny Baiboly, izay voaforon’ny tapany roa, ny Soratra hebreo sy ny Soratra grika kristiana. Mirakitra ity hafatra marina ity izy: afaka miverina ary tena hiverina ho amin’ny fiainana tokoa ny ankamaroan’ny maty. — Jaona 5:28, 29.
Ho fanoharana, dia aoka horaisintsika ny tantara marina mikasika an’i Lazarosy avy any Betania, lehilahy izay fantatr’i Jesosy Kristy tsara. Narary Lazarosy ary avy eo dia maty. Taoriana kelin’izay dia nilaza tamin’i Marta anabavin’i Lazarosy i Jesosy nanao hoe: “Hitsangana ny anadahinao [efa maty]”. Ary izy namaly hoe: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 11:23, 24). Fantany tokoa izany. Niorina tamin’ny filazana azo antoka izy ka tsy nisalasala mihitsy ny amin’ny hitsanganan’i Lazarosy anadahy malalany “amin’ny andro farany”.
Manazava amin’ny antsipiriany izay nitranga nanaraka izany ny fitantarana marina voasoratra ao amin’ny Jaona toko faha-11. Natsangan’i Jesosy i Lazarosy na dia efa maty efatra andro aza. Manaporofo io fananganana amin’ny maty io fa afaka mitana ny fampanantenany hanangana ny maty “amin’ny andro farany” Andriamanitra. Aiza anefa no nantenain’i Marta hifankahitana amin’i Lazarosy? Tao an-tsain’ireo Jiosy hafa nahatoky, aiza no hitranga ny fananganana ny maty amin’ny ho avy?
‘Lalana izay tsy hiverenana intsony’?
Nanao ny tany ho fonenana voajanahary ho an’ny olona Andriamanitra. Izany no nambaran’ny mpanao salamo tamin’ireto teny ireto: “Ny lanitra dia an’i Jehovah; fa ny tany nomeny ho an’ny zanak’olombelona.” (Salamo 115:16). Tsy misy na inona na inona ao amin’ny Soratra Masina manondro fa ho nahazo ny fiainana mandrakizay tany amin’ny toerana hafa noho ny tany i Adama sy Eva raha tsy nivadika hatrany tamin’Andriamanitra. Moa ve ny “hazon’aina” tsy tetỳ an-tany, tao amin’ny Paradisa niainan’ny mpivady olombelona voalohany, talohan’ny nidirany tao amin’ny lalan’ny tsy fankatoavana ny Mpamorona azy (Genesisy 2:9; 3:22)? Koa satria Andriamanitra tsy nilaza zavatra mifanohitra amin’izany mihitsy, ireo mpanompony mahatoky izay hiaina any ivelan’ny zaridainan’i Edena (nanomboka tamin’i Abela, zanak’i Adama tia fivavahana) dia tsy maintsy hampifandray ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny hany fonenana nananan’ny olombelona dia: ny tany.
‘Andraso kely aloha, hoy angamba ny fanoheran’ny olona maro izay mahafantatra ny Baiboly. Moa ve i Joba tsy nilaza toy izao ao amin’ny toko faha-16 andininy faha-22 amin’ilay boky mitondra ny anarany: “Dia handeha any amin’ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho”? Mbola miteny toy izao koa izy ao amin’ny Joba 7:9: “Izay midina any amin’ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony.” Ary eo amin’ny andininy faha-10 dia manampy toy izao izy: “Tsy hiverina any an-tranony intsony izy, ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.” ’
Araka izany, hoy ny teolojiana sasany, moa ve ireo andininy ireo mbamin’ny fanambarana hafa mitovy amin’izany tsy mampiseho fa nihevitra ny fahafatesana ho toy ny ‘lalana izay tsy hiverenana intsony’ i Joba? Moa ve ireo teny ireo midika fa tsy nino ny fitsanganan’ny maty ho avy i Joba? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo dia ilaintsika ny mandinika ireo teny ireo miaraka amin’ny teny manodidina azy ary mampitaha izany amin’ny hevitra hafa nasehon’i Joba mikasika izany.
Tsy nahafantatra ny anton’ny fijaliany i Joba. Nandritra ny fotoana kelikely dia nihevitra tamim-pahadisoana izy fa Andriamanitra no tompon’andraikitra tamin’izany (Joba 6:4; 7:17-20; 16:11-13). Tao anatin’ny fahakiviana dia nihevitra izy fa ny hany toerana mety hahitany fanamaivanana haingana dia ny fasana (Joba 7:21; 17:1; jereo 3:11-13). Any, raha araka ny fijerin’ireo niara-niaina taminy, dia ho voafina izy, tsy hiverina any an-tranony, tsy ho fantatra intsony, tsy hiverina ary tsy hanana fanantenana ny amin’izany na dia kely akory aza alohan’ny fotoana noferan’Andriamanitra. Raha amin’ny tenany ihany tsy misy fandraisan’Andriamanitra anjara, dia tsy afaka hitsangana amin’ny maty i Joba sy ireo taranak’i Adama hafa rehetraa. — Joba 7:9, 10; 10:21; 14:12.
Ny finoana ny fitsanganan’ny maty
Na dia izany aza, dia tsy hoe satria i Joba tsy nahafantatra izay nanjo azy sady tsy nijery afa-tsy ny lafiratsin-javatra momba ny ampitso, dia hoe tsy nino ny fananganana ny maty izy. Ireo teny voasoratra ao amin’ny Joba 14:13-15 dia mampiseho fa nino tokoa ny fananganana ny maty ho avy izy. Ao amin’io teny io, dia nasehon’i Joba ny faniriany ‘ho voafina any amin’ny fiainan-tsi-hita’ ‘mandra-pahatsiaron’Andriamanitra’ azy. Ankoatra izany, ao amin’ny Joba 19:25-27, io lehilahy nanam-pinoana sy tsy nivadika io dia nilaza fa nanana ‘mpanavotra’ ary ho avy ny andro izay ‘hahitany an’Andriamanitra’. Eny nino ny fitsanganana amin’ny maty i Joba. Nino mafy izy fa Andriamanitra dia afaka mamerina ho amin’ny fiainana indray ary hanao izany aminy, sahala amin’i Abrahama, talohany, izay natoky fa ‘mahay manangana ny maty’ Andriamanitra. — Hebreo 11:10, 16, 19, 35.
Nino ary mbola mino ny Jiosy fa hisy fananganana ny maty ho avy eto an-tany. Ny Encyclopœdia Judaica (1971) dia manambara hoe: “Ny finoana fa amin’ny farany dia hiverina ho amin’ny fiainana ao amin’ny vatany ny maty ka hiaina indray eto an-tany” dia “hevitra inoana fototra” ao amin’ny jodaisma. Mbola azo vakina ao koa hoe: “Raisin’ireo Jiosy tia fivavahana ho tena zava-dehibe sy ara-bakiteny aoka izany io hevitra io hany ka iriny ny halevina amin’ny fomba fitafy sasany, miaraka amin’ny taovany rehetra, ary any Isiraely.”
Aoka homarihintsika fa tsy milaza ny Baiboly hoe amin’ny fitsanganana dia hangonin’Andriamanitra indray ireo vatana lo nananan’ny maty. Ny ataoma izay nahaforona ny vatan’olombelona maty hatramin’ny ela dia efa niparitaka tanteraka hatraiza hatraiza, ary ny ankamaroany dia tafiditra ao amin’ny fiainan’ny zavamaniry sy ny biby — eny, ao anatin’ny vatan’olon-kafa mihitsy aza, izay maty koa avy eo. Miharihary anefa fa, amin’ny fitsanganan’ny maty, ny ataoma iray dia tsy ho azo ampiasaina afa-tsy ao amin’ny vatan’olona hatsangana iray ihany. Araka ny sitrapony, Andriamanitra dia hamerina ny olombelona ho amin’ny fiainana miaraka amin’ny vatana mety, izay tsy hahitana ireo fahatapahana na fahasimbana hafa nihatra taminy talohan’ny nahafatesany. — Jereo 1 Korintiana 15:35-38.
Moa ve ireo tafatsangana ho fantatry ny sakaizany sy ny havany izay haverina ho amin’ny fiainana koa? Toa ara-dalàna ny hiheverana izany, satria raha tsy ho afaka hamantatra ny maty hatsangana isika, ary raha torak’izany koa izy ireo, dia ahoana no hahalalantsika fa tena naverina ho amin’ny fiainana tokoa ireo olo-malalantsika efa maty? Na dia efa nanomboka ho lo aza ny vatan’i Lazarosy, dia nahalala azy ny fianakaviany sy ireo olom-pantany rehefa avy nanangana azy i Jesosy. Mahazo manantena àry isika, fa Jehovah Andriamanitra dia hiahy amim-pitiavana ny hifankahitantsika indray sy ny hifankafantarantsika amin’ny fitsanganan’ny maty eto an-tany.
Fanantenana ho any an-danitra natokana ho an’ny olona sasany
Araka ny voalaza etsy ambony, dia ny tany no fonenana nomen’Andriamanitra ny olombelona. Nambaran’i Jesosy Kristy anefa fa hisy olona izay voafetra ny isany, hatsangana mba hiara-hiaina aminy any an-danitra amin’ny maha-zavamiaina tsy mety lo sy tsy mety maty (2 Timoty 1:10). Nandritra ny fotoana kelikely, rehefa avy nosantaran’i Jesosy ny ‘lalana vaovao sady velona’ mitarika ho amin’ny fiainana any an-danitra, dia nasaina avokoa ny kristiana rehetra handray anjara amin’izany fanantenana izany (Hebreo 9:24; 10:19, 20). Firy moa amin’ny farany no hahazo izany valisoa izany? Ny ‘fanambarana’ ara-tsindrimandry ‘izay nomen’Andriamanitra an’i Jesosy mba hasehony amin’ny mpanompony izay zavatra ho tonga’ dia mametra ho 144 000 ny isan’ireo izay “navotana niala tamin’ny tany”. — Apokalypsy 1:1; 7:4-8; 14:1, 3.
Nahoana moa io isan’olona ‘navotana niala tamin’ny tany’ ho amin’ny fiainana any an-danitra io no vitsy toy izany? Io boky io ihany, izany hoe ny Apokalypsy no manome antsika ny antony eo amin’ny toko faha-20 ka ny andininy faha-5 sy faha-6 manao hoe: “Izany no fitsanganana voalohany. Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.” — Jereo Apokalypsy 5:9, 10.
Ny vahoakan’ny Mpanjaka eto an-tany
Miharihary tokoa fa tsy ho mpanjaka sy ho mpisorona avokoa akory ny olombelona rehetra, satria iza no ‘hanjakany’ raha izany? Io antoko nofidina manokana io, narafitra manodidina ireo apostolin’i Jesosy nahatoky, dia hanapaka ny tany izay ny tapany aminy dia honenan’ny ‘olona betsaka’ voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17. Ankehitriny, ireo olona an-tapitrisany maro ireo dia miandry ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” izay manatona manao dingan-dava ary hanadio ny tany amin’ny tsy fahamarinana rehetra. Noho ny fahasoavan’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, dia ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe izy ireo ary tsy handalo fahafatesana. — Apokalypsy 16:14; 21:14; Ohabolana 2:21, 22.
‘Inona anefa no holazaina ny amin’ireo izay maty, ireo olo-malala izay nafoiko ohatra?’ hoy angamba ny fanontanianao. Mikasika ireo olona hafa ireo, dia ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza tamin’i Marta hoe ‘na dia maty aza (izy ireo), dia ho velona indray’. (Jaona 11:25.) Hitranga eto an-tany io fananganana amin’ny maty io. Mandritra ny fanjakan’i Kristy sy ny 144 000 mpanjaka sady mpisorona hikambana aminy any an-danitra, dia hisy maty an-tapitrisany maro dia maro, izay manana fahatsiarovana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, hatsangana sy homena fahafahana hianatra hanaraka ny fanompoam-pivavahana marina amin’i Jehovah. Raha miseho ho mahatoky izy ireo dia handray ny valisoa dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa izay hitatra manerana ny tany. Izany fisehoan-javatra izany dia hitranga mandritra ‘ny andro farany’ izay noresahan’i Marta rehefa nanaiky ny filazan’i Jesosy izy, filazana fa haverina ho amin’ny fiainana i Lazarosy anadahiny. — Jaona 5:28, 29; 11:24; Lioka 23:43.
Fanantenana miorina amin’ny antoka maro
Ireo fananganana amin’ny maty voalaza ao amin’ny Baiboly dia miantoka ny maha-marim-pototra ny fanantenana ny fananganana amin’ny maty omen’io boky io. Ny Soratra Masina dia milaza ireo fananganana nataon’ny mpaminany Elia sy Elisa tamin’ny andro talohan’ny kristianisma, nataon’ny Zanak’Andriamanitra (anisan’izany ny an’i Lazarosy), nataon’ny apostoly Petera sy Paoly ary indrindra ilay nataon’i Jehovah Andriamanitra mba hamerenana indray eo amin’ny fiainana ny Zanany. Ho hitanao ireo fitantarana ireo ao amin’ny Baibolinao manokana ao amin’ireto andininy manaraka ireto: 1 Mpanjaka 17:17-24; 2 Mpanjaka 4:32-37; Matio 28:1-10; Lioka 7:11-17; 8:40-56; Jaona 11:38-44; Asa 9:36-42; 10:38-42; 20:7-12b.
Koa satria mafy orina aoka izany ny fanantenana ny fitsanganan’ny maty dia afaka nanome toky ny Ateniana i Paoly nanao hoe: “Andriamanitra (...) dia nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty.” — Asa. 17:30, 31.
Marina tokoa fa ny fananganana an’i Jesosy no antoka lehibe indrindra ny amin’ny maha-marim-pototra ny fanantenana ny fananganana amin’ny maty. Manana antony mafy orina hatokiana tanteraka ny hery sy ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitra àry isika. Azontsika atao koa ny maneho fiekena mafy mitovy amin’ny an’i Marta amin’ny filazana hoe: ‘Fantatsika fa hitsangana ireo maty amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.’
Nizara ho antoko telo ny mpihaino an’i Paoly teo amin’ny havoanan’i Marsa rehefa avy nanao fanambarana momba “ny fitsanganan’ny maty” izy: “Nihomehy ny sasany, ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay amin’izany zavatra izany. (...) Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino.” — Asa. 17:32-34.
Ary ianao, ahoana no fiheveranao ny fanantenana fananganana amin’ny maty? Hitana ny fampanantenana nataony hanangana maty an-tapitrisany maro, ary an-davitrisany maro mihitsy aza, Jehovah. Izay ataonao no mamaritra indrindra raha ho eo ianao mba hahita azy ireo indray sy mba ho hitany. Moa ve ianao vonona ny hianatra sy hanaraka izay takin’Andriamanitra ka tokony hofenoina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay? Ho faly tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah hanome anao fanazavana bebe kokoa momba ny fanantenana azonao velomina, dia ny hifankahita indray amin’ireo olo-malalanao efa maty, ary momba izay tokony hataonao mba ho tafita velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra. — Jaona 17:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mitovy hevitra amin’izany ny mpanao salamo rehefa nanoratra toy izao mikasika ny tarehin-javatra nisy tamin’ny androny, talohan’izay mety ho fandraisan’Andriamanitra anjara: “Fa nahatsiaro Izy [Andriamanitra] fa nofo ihany ireo [ny Isiraelita], dia rivotra [na ny herim-piainana avy amin’Andriamanitra] izay mandalo ka tsy miverina intsony.” — Salamo 78:39.
b Mba handalinana amin’ny antsipiriany kokoa ny amin’ny fananganana amin’ny maty natao tamin’ny andron’ny Baiboly, sy ny amin’ny fanantenana omen’ny Soratra masina momba ny fananganana amin’ny ho avy eo ambanin’ny fanjakan’i Kristy, dia jereo ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany eo amin’ny toko faha-20 izay mitondra ny lohateny hoe: “Ny fananganana ny maty — hatao ho an’iza, ary ho aiza?” Afaka mahazo io boky io ianao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy anao na amin’ny fanoratana any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza eo amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity.