FILIPO
(Filìpo) [midika hoe “Mpankafy Soavaly; Tia Soavaly”].
1. Iray tamin’ireo mpianatr’i Jesosy Kristy voalohany indrindra, ary anisan’ny apostoly 12. Ao amin’ny lisitr’ireo apostoly ihany no ahitana ny anaran’i Filipo, ao amin’ny Filazantsaran’i Matio sy Marka ary Lioka. (Mt 10:3; Mr 3:18; Lk 6:14) I Jaona irery kosa no manome tsipiriany momba azy.
Avy any Betsaida, tanàna niavian’i Petera sy Andrea, i Filipo. Any amin’ny morontsiraka avaratry ny Ranomasin’i Galilia i Betsaida. Rehefa nilazan’i Jesosy i Filipo hoe “andao hanara-dia ahy”, dia nitovy be tamin’izay nataon’i Andrea ny omalin’iny ny nataony. Nitady an’i Simona (Petera) rahalahiny i Andrea, ary nitondra azy tany amin’i Jesosy. Toy izany koa no nataon’i Filipo tamin’i Natanaela (Bartolomeo). Hoy izy taminy: “Efa hitanay ilay olona voasoratr’i Mosesy ao amin’ny Lalàna sy voasoratry ny mpaminany, dia i Jesosy, zanak’i Josefa avy any Nazareta. ... Avia ange jereo e!” (Jn 1:40, 41, 43-49) Ary inona no dikan’ilay hoe: ‘Nahita an’i Filipo i Jesosy’? Toa midika izany fa efa nifankahalala izy ireo talohan’izay. Manaporofo izany koa ny tenin’i Filipo tamin’i Natanaela, satria nolazainy ny anaran’i Jesosy sy ny fianakaviany ary ny toerana nipetrahany. Tsy voalaza ny rohim-pihavanana nisy teo amin’i Filipo sy Natanaela (Bartolomeo), fa toa mpinamana fotsiny izy ireo. Voatonona miaraka anefa ny anaran’izy ireo ao amin’ny Baiboly, afa-tsy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:13 ihany.
Niditra tamin’ny fomba nanetriketrika tao Jerosalema i Jesosy, dimy andro talohan’ny Paska taona 33. (Mr 11:7-11) Nisy Grika te hahita an’i Jesosy tamin’izay, ary nangataka tamin’i Filipo mba hitondra azy ireo tany aminy. I Filipo no nohatonin’izy ireo, angamba satria anarana grika ilay hoe Filipo, na koa mety hoe izy no sendra teo ka azon’izy ireo nanontaniana. Nahatsapa anefa i Filipo fa nila nanontany ny hevitr’i Andrea aloha. Lazain’ny andininy hafa mantsy fa tafaraka taminy i Andrea (Jn 6:7, 8), izay angamba nifandray akaiky kokoa tamin’i Jesosy. (Ampit. Mr 13:3.) Nampitain’izy roa lahy tamin’i Jesosy ny fangatahan’ireo Grika ireo (angamba olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy), saingy tsy nentiny izy ireo. (Jn 12:20-22) Hita amin’izany fa mailo i Filipo sady malina. Manaporofo izany koa ny valin-teniny, tamin’izy nanontanian’i Jesosy hoe ahoana no hanomezana sakafo ny vahoaka tonga teo amin’izy ireo. Ary vao mainka mampiharihary izany ilay fangatahany tamin’i Jesosy, taorian’ny fanontaniana somary mivantambantana nataon’i Petera sy Tomasy. Nangataka mantsy i Filipo hoe: “Tompo ô, asehoy anay ny Ray dia ampy ho anay izany.” (Jn 6:5-7; 13:36, 37; 14:5-9) Tena nahay nandanjalanja izy, fa tsy toa an’i Petera izay nivantambantam-piteny sy tsy nifidy teny holazaina. Marina fa fohy ny fitantarana momba an’i Filipo, nefa nahitana fa samihafa toetra ireo olona nofidin’i Jesosy ho apostoly.
Nifanerasera akaiky tamin’i Natanaela (Bartolomeo) sy tamin’ireo zanak’i Zebedio i Filipo. Mety ho izy àry ny iray tamin’ireo mpianatra roa tsy voatonona anarana, izay nisehoan’i Jesosy teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia, tamin’izy tafatsangana tamin’ny maty.—Jn 21:2.
2. Mpitory ny vaovao tsara sady misionera tamin’ny taonjato voalohany. Izy sy Stefana no anisan’ireo fito lahy “tsara laza sady feno fanahy masina sy fahendrena” izay notendrena mba hizara sakafo isan’andro, ho an’ireo mpitondratena niteny grika sy ireo niteny hebreo tany Jerosalema. Tsy tokony hisy fiangarana mantsy ny fizarana ny sakafo tamin’izay. (As 6:1-6) Tena olona araka ny fanahy izy fito lahy ireo, rehefa jerena ny fitantarana momba ny fanompoan’i Filipo (sy ny an’i Stefana), taorian’io asa manokana io. Nanao asa nitovy tamin’izay nataon’ny apostoly Paoly tatỳ aoriana mantsy i Filipo, saingy teo amin’ny faritra kely kokoa fotsiny.
Niparitaka ny Kristianina noho ny fanenjehana, ka ny apostoly ihany sisa no nijanona tao Jerosalema. Lasa tany Samaria àry i Filipo. Nitory ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana izy tany, ary nahavita namoaka demonia sy nanasitrana ny malemy sy ny kilemaina, noho ny herin’ny fanahy masina. Tena faly ny olona maro be tao amin’io tanàna io ka nanaiky an’ilay hafatra ary natao batisa, anisan’izany ny lehilahy atao hoe Simona izay nampiasa herin’ny maizina. (As 8:4-13) ‘Ren’ny apostoly fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tany Samaria, ka nirahiny hankany i Petera sy Jaona’ mba hahazoan’ireo Kristianina vao vita batisa ireo ny fanahy masina.—As 8:14-17.
Taorian’izay, dia notarihin’ny fanahin’i Jehovah i Filipo mba hihaona tamin’ilay tandapa etiopianina, tany amin’ny lalana mankany Gaza. “Olona ambony teo ambany fahefan’i Kandasy mpanjakavavin’ny Etiopianina” izy io. Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia nino an’i Jesosy ilay tandapa ary nangataka an’i Filipo mba hanao batisa azy. (As 8:26-38) Nankany Asdoda sy Kaisaria i Filipo taorian’izay, ka “nitory ny vaovao tsara tany amin’ny tanàna rehetra” nandalovany. (As 8:39, 40) Hita amin’ireo fitantarana fohy ireo fa tena “mpitory ny vaovao tsara” izy.—As 21:8.
Mbola tao Kaisaria (ambohipihaonan’ny olona avy tamin’ny firenena samihafa) no nahitana an’i Filipo, 20 taona teo ho eo tatỳ aoriana, ary mbola nazoto nanompo izy. “Anisan’ireo fito lahy” notendren’ny apostoly no mbola nahalalana azy. Nivahiny tao an-tranon’i Filipo i Lioka sy Paoly tamin’ny taona 56 tany ho any, ary nitantara i Lioka fa “nanan-janakavavy virjiny efatra izay naminany” i Filipo. (As 21:8-10) Matoa ireo zanany efatra ireo efa ampy taona mba haminany, dia mety hidika izany fa efa nanambady i Filipo tamin’izy nanomboka ny fanompoany.
3. Vadin’i Herodiasy ary rain’i Salome. Nipetraka tany Roma izy, rehefa nandao azy ny vadiny ka lasa nanambady an’i Heroda Antipasy, rahalahiny hafa reny. (Mt 14:3, 4; Mr 6:17, 18; Lk 3:19, 20) Zanak’i Heroda Lehibe tamin’i Mariamne II, vadiny fahatelo, i Filipo (zanakavavin’i Simona mpisoronabe i Mariamne II). Idomeanina metisy jiosy àry i Filipo.—Jereo HERODA No. 5.
4. Lehibem-paritra tany Itoria sy Trakonitisy, rehefa nanomboka ny fanompoany i Jaona Mpanao Batisa tamin’ny “taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara”, izany hoe tamin’ny 29. (Lk 3:1-3) Zanak’i Heroda Lehibe tamin’i Kleopatra (avy any Jerosalema) i Filipo. Rahalahiny hafa reny àry i Heroda Antipasy sy Arkelaosy ary Filipo No. 3.—Jereo HERODA No. 6.