-
LydiaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
LYDIA
(Lydià).
Anisan’ireo lasa Kristianina voalohany tany Eoropa io vehivavy io sy ny ankohonany, rehefa nitorian’ny apostoly Paoly tao Filipy (taona t. 50). Nipetraka tao Tyatira (tany Azia Minora), izay nalaza tamin’ny fandokoana lamba, izy vao nifindra tao Filipy tany Makedonia. Nivarotra loko volomparasy na lamba volomparasy izy. Mety ho izy no nifehy ny ankohonany (toa anisan’izany ny mpanompony), ka mety ho maty vady izy na tsy nanambady.—As 16:14, 15.
“Mpivavaka tamin’Andriamanitra”, na angamba niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, i Lydia. Mety ho vitsy ny Jiosy tao Filipy ary tsy nisy synagoga tao, ka nivory teo amoron’ny renirano tany ivelan’ny tanàna izy sy ny vehivavy hafa tia fivavahana, rehefa Sabata. Nihaino tsara izy fony nitory teo i Paoly. Rehefa vita batisa izy sy ny ankohonany, dia niangaviany ry Paoly hoe: “Raha heverinareo fa mendri-pitokisana eo anatrehan’i Jehovah aho, dia mba midira ao an-tranoko.” Tsy afaka nanda izany fiangaviana tamin’ny fo izany ry Paoly. Hoy i Lioka, izay niara-dia taminy sy nanoratra ny Asan’ny Apostoly: “Tsy namelany izahay raha tsy tonga.”—As 16:11-15.
Rehefa nafahana avy tao am-ponja i Paoly sy Silasy tatỳ aoriana, dia nankao amin’i Lydia indray, nampahery an’ireo rahalahy tao ary niala tao Filipy.—As 16:36-40.
Hoy i Paoly tamin’ny Filipianina, angamba noho i Lydia tia nandray vahiny: “Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva aho isaky ny mahatsiaro anareo sy isaky ny mitalaho amim-pifaliana ho anareo. Misaotra azy aho noho ny fandraisanareo anjara hampandroso ny vaovao tsara, hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny.”—Fi 1:3-5.
-
-
TyatiraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
‘Mpivarotra lamba volomparasy, avy ao amin’ny tanànan’i Tyatira’ i Lydia, ilay lasa Kristianina tamin’ny dian’i Paoly voalohany tany Filipy, any Makedonia. Nanana solontena tany ampitan-dranomasina ireo mpamokatra lamba volomparasy tany Tyatira, ka mety ho i Lydia no solontenan’izy ireo tany Filipy. Nanan-katao i Lydia matoa nanana trano malalaka azo nampiantranoana an’i Paoly sy ireo namany, nandritra ny fotoana nijanonan’izy ireo tany Filipy.—As 16:12-15.
-