-
FilipyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nisy fahagagana nitranga anefa rehefa nisasaka ny alina: Raha mbola ren’ny voafonja hafa nivavaka sy nihira fiderana ho an’Andriamanitra i Paoly sy Silasy, dia nisy horohoron-tany, ka nivaha ny fatoran’ny voafonja ary nivoha ireo varavaran’ny fonja. Saika hamono tena ilay mpiambina ny fonja, satria noheveriny fa nandositra ireo voafonja nasaina nambenany, ka tsy maintsy homelohina ho faty izy. Niantsoantso anefa i Paoly hoe: “Aza ratraina ny tenanao, fa ato daholo izahay rehetra!” Nihaino tsara an’i Paoly sy Silasy ilay mpiambina sy izay rehetra tao an-tranony. Nikarakara ny ratran’izy roa lahy izy ireo, ary lasa Kristianina vita batisa.—As 16:25-34; SARY, Boky Faha-2, p. 749.
-
-
FonjaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny mpiambina fonja no tompon’andraikitra tamin’ny voafonja, araka ny fanaon’ny Romanina tamin’ny taonjato voalohany. (As 12:19) Saika hamono tena àry ilay mpiambina tany Filipy, satria nihevitra fa nitsoaka ireo voafonja. (As 16:27) Matetika no nijoro teo am-baravaran’ny fonja ny mpiambina, na nasiana boloky hazo ny tongotry ny voafonja, na nasiana rojo vy ny tanany ary nafatotra tamin’ny tanan’ny mpiambina mba tsy ho afa-mitsoaka izy. (As 5:23; 12:6-10; 16:22-24) Nisy voafonja azo novangiana.—Mt 25:36; As 23:35; 24:23, 27; 28:16-31; jereo FATORANA; MPIAMBINA FONJA.
-