Ny tokony hataontsika mba hahavoavonjy
NAHOANA no mila ny hovonjena isika? Satria isika rehetra dia iharan’ny vokatra manimban’ny fahotana dia: ny tsy fahatanterahana, ny fijaliana, ny aretina, ny alahelo ary farany, ny fahafatesana. Nanazava ny apostoly Paoly fa izany no izy satria Adama razambentsika dia nikomy nanohitra ny lalàn’Andriamanitra. Nanoratra izy hoe: “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romana 5:12). Nahoana ny fahotan’i Adama no nahatonga ny fahafatesana hahatratra ny olona rehetra? Mazava ho azy fa izany dia noho ny lamina voajanahary.
Rehefa nanota i Adama, dia voaheloka ho faty izy, mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra. Sady ara-drariny no ilaina izany. Ara-drariny, satria tsy zo ny aina, fa fanomezan’Andriamanitra; tamin’ny fanotana an-tsitrapo, dia verin’i Adama izay rehetra fanantenana an’io fanomezana io (Romana 6:23). Nilaina ny fanamelohana an’i Adama ho faty, satria tsy misy olona tsy tanteraka azo avela hanohy hiaina sy hanimba tsy misy farany izao rehetra izao. Vokatr’izany, rehefa nanota i Adama, dia nanomboka nihamaty izy ary nitsahatra tsy nanana fiainana lavorary, tsy nisy ota izay ho nampandovainy ny zanany. Tsy afaka nanome ho azy ireo afa-tsy fiainana voaloton’ny tsy fahatanterahana sy ny ota izy. — Romana 8:18-21.
Kanefa, aoka tsy hohadinointsika fa matoa mahazo anjara amin’izany fiainana izany isika ankehitriny na dia androm-piainana fohy monja aza, dia noho ny fahasoavan’Andriamanitra fotsiny (Joba 14:1). Tsy voatery hamela an’i Adama sy Eva hanana zanaka alohan’ny hahafatesany, Andriamanitra. Namela azy ireo hanana izany izy mba hanaporofoana fa hisy olombelona tsy tanteraka hanohana ny fiandrianany amin’ny tsy fivadihany eo anatrehany. Namela izany koa Andriamanitra satria fantany fa hanavotra na hamonjy izay taranak’ireo mpikomy voalohany mankatò azy izy. Ahoana no hanaovany izany?
Fandaharam-pamonjena
Tsy afaka nanafoana fotsiny ny didim-pitsarany ara-drariny i Jehovah Andriamanitra. Tsy afaka hanadino an-tsitrapo ny fahotana voalohany nataon’i Adama sy izay rehetra nanampin’ny olombelona izany hatramin’izay izy. Raha toa ka tsy niraharaha ny lalàny ara-drariny Andriamanitra, dia ho rava ny fanajana sy fatokiana ny rafi-pitsarany manontolo. Alao sary an-tsaina ny tabataba haposaky ny mpitsara olombelona iray izay, noho ny haitraitrany manokana, dia hamela an-tsitrapo mpanao heloka bevava iray tsy ho voasazy. Mifanohitra amin’izany, ny mpitsara be fangoraham-po dia afaka hanao izay ilaina ara-drariny mba handoavan’ny mpilatsaka an-tsitrapo iray ny onitra noferan’ny fitsarana ho an’ny olo-meloka iray. Tamin’ny heviny sasany, dia izany no nataon’Andriamanitra ho antsika.
Nanao izay ilaina i Jehovah mba hanomezan’ny Zanany lahy, Jesosy Kristy, ny ain’olombelona lavorary nananany ho solon’ny aina lavorary verin’i Adama. Niantsoroka an-tsitrapo ny fanamelohana izay manasazy ny fahotantsika, dia ny fahafatesana, i Jesosy (Isaia 53:4, 5; Jaona 10:17, 18). Milaza toy izao ny Baiboly: “Ny Zanak’olona (...) tonga mba (...) hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28; 1 Timoty 2:6). Tsy misy olon-kafa afaka nanao izany. Naningana i Jesosy satria teraka tsy nisy ota izy, nitoetra ho olombelona lavorary sy tsy nanota hatramin’ny fahafatesany (Hebreo 7:26; 1 Petera 2:22). Noho ny tsy fivadihany hatramin’ny fahafatesana, dia afaka nandoa ny vidiny ara-dalàna notakina hisolo ny fahotantsika izy.
Tsaroantsika anefa fa Andriamanitra, ilay Mpitsara fara tampony, dia tsy voatery velively hanafaka ny olona rehetra. Mihevitra ny ain’olombelona lavorary izay nataon’i Jesosy sorona, ho toy ny fandoavana ny trosantsika noho ny fahotana, izy. Kanefa, Jehovah Andriamanitra dia tsy hampihatra io fandaharana io ho an’ny mpanota an-tsitrapo, tsy mibebaka, na tsy mahay mankasitraka. Tsy mampanantena famotsoran-keloka faobe na famonjena ny olona rehetra ny Baiboly fa manome fepetra tsy maintsy hofenoina mba ho voavonjy amin’ny vokatry ny ota nolovana.
Fepetra takina mba ho voavonjy
Inona àry no takina mba ho voavonjy? Ny fepetra voalohany dia izay nomen’ny apostoly Paoly an’ilay mpiambina tranomaizina filipiana: “Minoa an’i Jesosy Tompo dia hovonjena hianao.” (Asan’ny apostoly 16:31). Ny zava-dehibe voalohany indrindra, raha tiantsika ny hovonjena, dia ny manaiky amim-pahatsorana ny vidin’ny ra nalatsak’i Jesosy. Ary hidika inona ho antsika ny famonjena? Ahitana valiny iray amin’ireto tenin’i Jesosy momba ny ondriny ireto: “Ary izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay.” (Jaona 10:28). Ho an’ny ankamaroantsika, ny famonjena dia hidika fiainana mandrakizay eo amin’ny tany voaverina ho paradisa tonga lafatra. (Salamo 37:10, 11; Apokalypsy 21:3, 4). Kanefa, ho an’ny “ondry vitsy”, izany dia hidika hoe miara-manjaka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra izy ireny. — Lioka 12:32; Apokalypsy 5:9, 10; 20:4.
Araka ny filazan’ny sasany, dia ampy ny mino an’i Jesosy mba hovonjena. Toy izao no vakina ao amin’ny trakitra ara-pivavahana iray: “Zavatra tokana no ilaina mba hankanesana any an-danitra: Manaiky an’i Jesosy ho Mpamonjy ny tena manokana, mankatò azy amin’ny maha-Tompo sy Mpampianatra, ary manaiky azy ho toy izany eo imason’ny olona rehetra.” Izany no mahatonga ny maro hino fa ampy ny miova haingana sy mihetsi-po mba hahazoana antoka fa hanana fiainana mandrakizay. Kanefa, ny mianina amin’ny famenoana fepetra lehibe iray momba ny famonjena, saingy tsy miraharaha ny hafa, dia toy ny mamaky tapany mafonja iray ao amin’ny fanekena ary tsy mihevitra ny sisa.
Manjary miharihary io hevitra io rehefa mihaino ny fanamarihan’ny olona izay, tamin’ny fotoana sasany dia nihevitra fa ampy ny miaiky fa mino an’i Jesosy mba hovonjena. Bernice, ohatra, dia nanazava hoe: “Notezaina tao amin’ny finoan’ny Eglizin’ireo rahalahy aho nefa tamin’ny farany dia nanontany tena toy izao: Raha tsy miankina afa-tsy amin’i Jesosy ny fiainana mandrakizay, nahoana izy no nilaza hoe: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra anao, izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy izay efa nirahinao?” — Jaona 17:3.
Nandritra ny sivy taona, dia nino mafy ny tenany ho “voavonjy” i Norman. Kanefa nahalala izy tatỳ aoriana fa tokony hanao mihoatra noho ny fiaikena amin’ny feo avo fa Jesosy no Mpamonjy azy. “Takatro, hoy izy, noho ny Baiboly fa tsy ampy ny miaiky eo anatrehan’Andriamanitra fa mpanota ny tena ary mila famonjena. Tokony hanao asa mifanaraka amin’ny fibebahana isika.” — Matio 3:8; Asan’ny apostoly 3:19.
Raha zava-dehibe tokoa ny mino an’i Jesosy mba hovonjena, dia tsy ampy izany. Niresaka ny amin’ny olona izay niaiky fa nino azy i Jesosy, ary nanao “asa lehibe” tamin’ny anarany mihitsy aza izy ireo, kanefa tsy nahafantatra azy izy. Nahoana? Satria izy ireo “mpanao meloka” ary tsy nanao ny sitrapon’ny Rainy (Matio 7:15-23). Jakoba mpianatra dia mampahatsiahy antsika ny ilàna ho tonga ‘mpankatò ny teny fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany ka hamita-tena’. Nilaza koa izy hoe: “Hianao mino fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany, — ny demonia koa mba mino izany, ka dia mangovitra. (...) ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.” — Jakoba 1:22; 2:19, 26.
Kanefa, mandroso hevitra ny sasany fa izay tena voavonjy dia efa manao avy hatrany izany rehetra izany. Izany ve no hita ao amin’ny fampiharana? Denis, izay ‘nandray an’i Jesosy’ fony izy mbola tanora dia nilaza toy izao: “Ireo ‘voavonjy’ fantatro dia tsy mahatsapa ny tena ilàna handinihana ny Soratra Masina, satria mihevitra izy ireny fa efa manana izay rehetra ilaina mba hahazoana famonjena.” Noho ny fihatsarambelatsihiny sy ny asany mifanohitra amin’ny kristianisma tokoa, dia olona maro izay mihevi-tena ho voavonjy no mampihem-bidy izay rehetra mahakasika ny famonjena.
Kanefa, maro no manantitrantitra izay nolazain’ny Soratra Masina hoe: “Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:36). Ary manatsoaka hevitra avy amin’izany izy ireny fa rehefa avy nanaiky an’i Jesosy Kristy Tompo ho Mpanavotra azy manokana, dia tsy mety ho very intsony mihitsy izy ireny. “Voavonjy indray mandeha, voavonjy mandrakizay”, izany no foto-keviny. Izany tokoa ve anefa no lazain’ny Soratra Masina? Mba hamaliana io fanontaniana io dia tokony handinika izay rehetra lazain’ny Baiboly ny amin’io foto-kevitra io isika. Tsy maniry ‘hamita-tena isika’ amin’ny tsy famakiana afa-tsy andalan-teny notsongaina avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.
“Voavonjy indray mandeha, voavonjy mandrakizay” ve?
Toy izao ny fampitandremana nomen’i Joda teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra: “Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin’ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina”. (Joda 3). Nahoana no nanoratra izany i Joda? Satria fantany fa misy kristiana mety mbola hanary ny ‘famonjena iombonany’. Nanampy izy hoe: “Ary ta-hampahatsiaro anareo aho (...) fa rehefa novonjen’ny Tompo [Jehovah, MN ] ho afaka tany Egypta ny olona [ny Isiraelita], dia naringany ihany taorian’izany izay tsy nino.” — Joda 5.
Tsy hisy heviny ny fampitandreman’i Joda raha toa ny kristiana ka tsy manatrika loza mitovy amin’izay hitan’ny Isiraelita. Tsy nisalasala ny amin’ny vidin’ny sorom-panavotan’i Jesosy i Joda. Io sorom-panavotana io no namonjy antsika tamin’ny fahotan’i Adama ary hiaro izay rehetra mino azy i Jesosy. Tsy misy olona mahazo mandrombaka azy ireny eo an-tanany. Mifanohitra amin’izany, dia mety hamoy io fiarovana io isika. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanaovana izay nataon’ny maro tamin’ny Isiraelita rehefa avy novonjena avy tany Egypta izy ireo: Nifidy an-tsitrapo ny tsy hankatò an’Andriamanitra izy ireny. — Deoteronomia 30:19, 20.
Alao sary an-tsaina fa novonjena tamin’ny trano nirehitra iray ianao. Hevero ny fanamaivanana ho tsapanao rehefa nanalavitra soa aman-tsara ilay trano ianao, ary niteny taminao toy izao ilay mpanavotra anao: “Voavonjy ianao izao.” Ho afaka marina tokoa tamin’ny fahafatesana ianao. Kanefa, inona no hitranga raha nanapa-kevitra noho ny antony mampiseho hadalana ianao fa hiverina ao amin’ilay trano? Hotandindomin-doza indray ny ainao.
Ny kristiana dia olona azo vonjena. Manana fahatsinjovana ny hahazo fiainana mandrakizay izy ireny, satria ankasitrahan’Andriamanitra. Amin’ny fitambarany, dia manana antoka ny hovonjena amin’ny fahotan’i Adama sy ny vokany rehetra izy ireny. Kanefa amin’ny isam-batan’olona, dia tsy hovonjena na hahazo ny fiainana mandrakizay ny kristiana raha tsy manohy mameno ireo fepetra rehetra takin’Andriamanitra. Nosoritan’i Jesosy izany hevitra izany rehefa nampitaha ny tenany tamin’ny voaloboka ary nampahafantatra ny mpianany ho sampan’io voaloboka io izy. Hoy izy: “Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny [Andriamanitra] (...) Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.” (Jaona 15:2; Hebreo 6:4-6). Izay manary ny finoana an’i Jesosy dia manary koa ny fiainana mandrakizay.
“Izay maharitra (...) no hovonjena”
Misy zavatra maro be hatao àry mba hovonjena. Tokony handray fahalalana marina ny amin’ny fikasan’Andriamanitra sy ny fomba famonjeny isika. Manaraka izany, dia tokony haneho finoana an’ilay Fiasana lehibe indrindra ho an’ny famonjena, dia Jesosy Kristy, sy hanao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny andro sisa iainantsika, isika (Jaona 3:16; Titosy 2:14). Ny famonjena dia azo antoka ho an’ireo izay mahafeno ireo fepetra ireo. Kanefa, tokony haharitra hatramin’ny faran’ny fiainantsika na ny fandehan-javatra isika. “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena”, ary ireo ihany. — Matio 24:13.
Nanaiky ny hafatra famonjena izay notorin’i Paoly sy Silasy taminy ilay mpiambina ny tranomaizina tany Filipy sy ny ankohonany. “Ary natao batisa tamin’izay izy mbamin’izay azy rehetra.” (Asan’ny apostoly 16:33). Afaka manahaka io fihetsika manorina io isika. Amin’izany fomba izany, dia hamatotra fifandraisana akaiky sy voatahy amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany, Jesosy Kristy, isika ary hatoky tanteraka ny fandaharana izay noraisin’Andriamanitra ho famonjena. Ilay mpiambina ny tranomaizina tany Filipy dia “nifaly indrindra (...) mbamin’izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an’Andriamanitra.” (Asan’ny apostoly 16:34.) Raha manao toy izany isika, dia afaka koa ‘hifaly indrindra’.
[Sary, pejy 7]
Inona no hitranga raha toa ka mihazakazaka hiditra indray ao amin’ny trano mirehitra ianao rehefa avy novonjena tamin’izany?