Ny Fotoana Hitadiavana An’Andriamanitra
NY SARY eto amin’ity pejy ity dia ny an’ny Acropole any Atena, izay foibem-pivavahana tamin’andriamanitra sy andriamanibavy maro be taloha. Eo ambanin’ny Acropole no misy ny Areopago, izay lazaina fa toerana nanaovana ny fitsarana fahiny. Teo amin’io toerana voafaritra io, efa ho 2 000 taona lasa izay, no nitsanganan’ny apostoly Paoly ka nanaovany lahateny iray tena niavaka tokoa. Izao manaraka izao ny teny sasany tamin’izay nolazainy:
“Ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny [Andriamanitra] ambonin’ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan’andro sy ny faritry ny fonenany, mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika”. — Asan’ny Apostoly 17:26-28.
Ho hafa tokoa re ny tantara raha toa ny olombelona tamin’ny ankapobeny ka mba nanisy fiheverana ireo teny nataon’i Paoly ireo! Ady firy, ary fahoriana toy inona moa no ho voasoroka raha toa ny olombelona ka niaiky ny tombontsoa iombonan’izy ireo amin’ny maha-taranak’olon-tokana noforonin’i Jehovah, ilay Tompo Andriamanjaka.
Amin’izao andro izao, ny taranak’olombelona dia rotidrotiky ny fitiavan-tanindrazana, ny fanavakavahana eo amin’ny saranga, ny fankahalana ara-pirazanana, ary ireo tsy fitoviana ara-tsôsialy. Mbola mihatra ihany anefa ny tenin’i Paoly. Isika rehetra dia taranak’izany lehilahy noforonin’Andriamanitra izany. Amin’izany heviny izany, isika rehetra dia mpirahalahy sy mpirahavavy. Ary mbola tsy diso aoriana loatra akory izao mba hitadiavana an’Andriamanitra raha mbola mety ho hita izy.
Mbola maka endriny lehibe kokoa mihitsy aza ny tenin’i Paoly rehefa jerentsika ireo teny farany tamin’ilay lahateniny. Hoy izy: “Izy [Andriamanitra] efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray votendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty.”
Zava-nisy ara-tantara ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, ary araka ny nasehon’i Paoly, izany dia fanomezana antoka fa hisy andro fitsarana ny taranak’olombelona. Rahoviana? Fantatsika fa izany dia efa ho 2 000 taona akaiky kokoa noho ilay fotoana nitsanganan’i Paoly teo amin’ny Areopago ka nanononany ireo teny ireo. Tsy azo lavina fa ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly dia milaza fa tena akaiky tokoa izy io. Hevitra mampisaintsaina re izany! Mahadodona toy inona moa ny hitadiavantsika an’Andriamanitra amim-pahatsorana tanteraka, satria, araka ny nambaran’i Paoly tamin’ireo Ateniana, “ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka”! — Asan’ny Apostoly 17:30, 31.