-
AkoilaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
AKOILA
(Akoìla) [avy amin’ny teny lat., ary midika hoe “Voromahery”].
Lehilahy jiosy teraka tany Ponto, tany amin’ny faritra avaratr’i Azia Minora. Voatonona miaraka amin’ny anarany foana ny an’i Prisila vadiny sady namany tsy nivadika taminy. Niorim-ponenana tao Korinto izy ireo, rehefa noroahin’i Klaodio Mpanjaka hiala tany Roma ny Jiosy, tamin’ny taona 49 na tany am-piandohan’ny taona 50 tany ho any. (As 18:1, 2) Noraisin’izy mivady tsara tao an-tranony i Paoly rehefa tonga tao Korinto, tamin’ny fararanon’ny taona 50. Lasa mpinamana be izy ireo. Samy mpanao tranolay mantsy izy ireo ka niara-niasa, sady azo inoana koa fa nanampy an’i Paoly tamin’ny fanorenana fiangonana vaovao tao i Akoila sy Prisila.—As 18:3.
-
-
Fanisan-taonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Azo fantarina hoe oviana i Paoly no tany Korinto voalohany satria i Galio no governoram-paritra tamin’izay. (As 18:1, 11-18) Milaza ny lahatsoratra GALIO fa toa teo anelanelan’ny fahavaratra 51 A.K. sy ny fahavaratra 52 A.K. i Galio no governoram-paritra, na dia misy manam-pahaizana milaza aza fa teo anelanelan’ny 52/53 A.K. izany. Nanompo herintaona sy tapany tany Korinto i Paoly, izany hoe nanomboka tamin’ny fararano 50 A.K. ka hatramin’ny lohataona 52 A.K. Manamafy izany ny nahatongavan’i Akoila sy Prisila tany Korinto. Vao tonga avy tany Italia ireo mpiara-miasa tamin’i Paoly ireo satria nandidy ny hialan’ny Jiosy rehetra tany Roma i Klaodio Mpanjaka. (As 18:2) Nilaza i Paul Orose, mpahay tantara tamin’ny taonjato fahadimy, fa namoaka an’io didy io i Klaodio tamin’ny taona fahasivy nitondrany, izany hoe tamin’ny 49 A.K. na teo am-piandohan’ny 50 A.K.
-
-
KlaodioFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
“Nandidy ny hialan’ny Jiosy rehetra tany Roma” i Klaodio tamin’ny taona 49 na tany am-piandohan’ny taona 50, tamin’ny taona fahasivy nanjakany. Nanamarina izany i Suétone, Romanina mpahay tantara sy mpanoratra tantaram-piainana. (Ny Fiainan’ireo Kaisara, Klaodio, XXV, 4) Voatery nandao an’i Roma àry i Akoila sy Prisila, mpivady kristianina jiosy, ka nankany Korinto. Tany izy ireo no nihaona tamin’ny apostoly Paoly, izay nety ho tonga tany tamin’ny faramparan’ny taona 50. (As 18:1-3) Tsara fanahy tamin’ireo Jiosy i Klaodio tamin’izy vao nanomboka nanjaka. Navelany hanaraka ny fivavahan’izy ireo mihitsy aza izy ireo, ary nomeny fahafahana sasany. Jiosy maro tao Roma anefa no toa tia nirotaka, ka noroahin’i Klaodio hiala tao.
-
-
SesitanyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tamin’ny taonjato voalohany. Nisy Jiosy tany Tesalonika, Atena, Korinto, Efesosy, Roma, sy Babylona ary tanàna hafa tamin’izany. (As 17:1, 16, 17; 18:1, 4, 19) Maro no tany Babylona, ary nitory tany i Petera. (1Pe 5:13) Nisy Jiosy “maro be” tany Babylonia tamin’ny taonjato voalohany T.K., hoy i Josèphe. (Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 14 [ii, 2]) Noroahin’i Klaodio mpanjaka romanina anefa ny Jiosy rehetra tao Roma tamin’ny taona 49 na teo am-piandohan’ny taona 50 A.K. Anisan’izany ny Jiosy lasa Kristianina, toa an’i Akoila sy Prisila (Priska), izay hitan’i Paoly tany Korinto tamin’ny taona 50 tany ho any, taoriana kelin’ny nivoahan’ilay didy. (As 18:2) Niaraka tamin’i Paoly nankany Efesosy izy mivady nefa efa tao Roma indray, rehefa nanoratra ho an’ny Romanina i Paoly (t. 56) tany Korinto. Efa maty mantsy i Klaodio ary i Néron no nitondra. Maro koa ny Jiosy niverina tany Roma.—As 18:18, 19; Ro 16:3, 7, 11.
-
-
ItaliaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Efa ela no tonga tany Italia ny Fivavahana Kristianina. Nisy Jiosy avy any Roma sy Italianina niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy mantsy nahita ny nilatsahan’ny fanahy masina sy nihaino ny fanazavan’i Petera, tamin’ny Pentekosta taona 33. Azo antoka fa anisan’ireo olona “tokony ho telo arivo” natao batisa tamin’iny andro iny ny sasany taminy. (As 2:1, 10, 41) Mety ho izy ireo no Kristianina voalohany teo anivon’ny fiangonan’i Roma, rehefa tafaverina tany Italia izy ireo. Nandefasan’i Paoly taratasy io fiangonana io, tatỳ aoriana. (Ro 1:1-7) Anisan’izy io angamba i Akoila sy Prisila tany Italia, tamin’i Klaodio Mpanjaka nandidy an’ireo Jiosy hiala tany, tamin’ny taona 49 na tany am-piandohan’ny taona 50. Tonga tany Korinto izy mivady, taloha kelin’ny nitsidihan’i Paoly voalohany azy io tamin’ny diany misionera faharoa.—As 18:1, 2.
-