Akoila sy Prisila — Mpivady Fakan-tahaka Iray
“VELOMA amin’i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin’i Kristy Jesosy; izy mivady dia nanolotra ny tenany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin’ny jentilisa koa.” — Romana 16:3, 4.
Asehon’ireo tenin’ny apostoly Paoly tamin’ny kongregasiona kristiana tany Roma ireo fa nanana fanajana lehibe sy fiheverana mafana ho an’io mpivady io izy. Nataony azo antoka fa tsy hadinony izy ireo, fony izy nanoratra ho an’ny kongregasionany. Iza moa anefa ireo “mpiara-miasa” roa tamin’i Paoly ireo, ary nahoana izy ireo no tsy foiny sy tsy foin’ireo kongregasiona aoka izany? — 2 Timoty 4:19.
Jiosy iray tany am-pielezana (Jiosy naely), izay teraka tany Ponto, faritra iray any avaratr’i Azia Minora, i Akoila. Izy sy i Prisila (Prisca) vadiny dia niorim-ponenana tany Roma. Nisy fiaraha-monina jiosy lehibe iray tao amin’io tanàna io, fara faharatsiny hatramin’ny namaboan’i Pompée an’i Jerosalema tamin’ny 63 al.f.i., fony nentina ho andevo tany Roma ny babo be dia be. Raha ny marina, ireo soratra romana dia mampiharihary ny nisian’ny synagoga roa ambin’ny folo na mihoatra tao amin’ilay tanàna fahiny. Jiosy maro avy tany Roma no tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta tamin’ny 33 am.f.i., fony izy ireo nandre ny vaovao tsara. Angamba tamin’ny alalan’izy ireo no nahatongavan’ny hafatra kristiana voalohany hatrany amin’ilay renivohitry ny Empira Romana. — Asan’ny Apostoly 2:10.
Kanefa, noroahina avy tao Roma ny Jiosy tamin’ny taona 49 na tamin’ny fiandohan’ny 50 am.f.i., noho ny didin’ny Emperora Klaodio. Noho izany, dia tany amin’ny tanàna grikan’i Korinto no nihaonan’ny apostoly Paoly tamin’i Akoila sy i Prisila. Fony tonga tany Korinto i Paoly, dia nanolotra tamin-katsaram-panahy ny handray azy ho vahiny sy nanolotra azy asa i Akoila sy i Prisila, satria samy iray raharaha izy ireo — ny fanaovana lay. — Asan’ny Apostoly 18:2, 3.
Mpanao lay
Tsy asa mora izany. Ny fanaovana lay dia nahatafiditra fanapahana sy fanjairana mitambatra tapa-damba na hoditra henjana sy marokoroko. Araka ilay mpanoratra tantara antsoina hoe Fernando Bea, izany dia “asa iray nitaky fahaizana sy fitandremana” avy tamin’ny mpanao lay, izay nampiasa “lamba marokoroko sy henjana, fampiasa amin’ny filasiana rehefa manao dia lavitra, ka manome fialofana amin’ny masoandro sy ny orana, na hamonosana entana any anatin’ny lakalin-tsambo”.
Mampipoitra fanontaniana iray izany. Moa ve i Paoly tsy nilaza fa ‘nobeazina teo anilan’ny tongotr’i Gamaliela’ ny tenany, ka araka izany, dia nanomana azy hikatsaka asa iray nalaza tamin’ireo taona ho avy izany? (Asan’ny Apostoly 22:3). Na dia marina aza izany, dia noheverin’ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ho mendri-kaja ny mampiana-draharaha ny zazalahy iray, na dia tsy maintsy hahazo fampianarana ambony kokoa aza izy. Noho izany, dia azo inoana fa samy nahazo ny fahaizany nanao lay, fony izy ireo tanora, ry Akoila sy Paoly. Voaporofo fa tena nilaina izany fanandraman-javatra izany tatỳ aoriana. Tamin’ny naha-Kristiana azy ireo anefa, dia tsy nihevitra ny asa ivelan’ny fivavahana toy izany ho ny zava-kendreny voalohany indrindra izy ireo. Nohazavain’i Paoly fa ilay asa niarahany nanao tamin’i Akoila sy i Prisila tao Korinto dia fomba iray fotsiny hanohanana ny asany lehibe indrindra, izany hoe ny fanambarana ny vaovao tsara ‘mba tsy hahavaky tratra na iza na iza’. — 2 Tesaloniana 3:8; 1 Korintiana 9:18; 2 Korintiana 11:7.
Niharihary fa nahafaly an’i Akoila sy i Prisila ny nanao izay rehetra azony natao mba hanamorana kokoa ny fanompoana misioneran’i Paoly. Iza no mahalala hoe impiry ireo mpinamana telo mianadahy ireo no niato tamin’ny asany mba hanaovana fanambarana tsy ara-potoana tamin’ireo clients na ireo mpandalo! Ary na dia ambany sy namizana aza ny asany fanaovana lay, dia faly izy ireo nanao izany, ka niasa “andro aman-alina” mihitsy aza mba hampandrosoana ny tombontsoan’Andriamanitra — tsy misy hafa amin’ny asa fameloman-tena tapa-potoana na asa misy tsindraindray ataon’ny Kristiana amin’ny andro maoderina, mba hanokanana ny ankabeazan’ny fotoana sisa tavela hanampiana ny olona handre ny vaovao tsara. — 1 Tesaloniana 2:9; Matio 24:14, NW; 1 Timoty 6:6.
Ohatra amin’ny fitiavana mandray vahiny
Azo inoana fa nampiasa ny tranon’i Akoila ho toeram-piaingan’ny asany misionera nandritra ny 18 volana nijanonany tao Korinto, i Paoly. (Asan’ny Apostoly 18:3, 11). Azo ampoizina àry fa fahafinaretana ho an’i Akoila sy i Prisila koa ny nandray an’i Silasy (Sylvain) sy i Timoty ho vahiny, rehefa tonga avy tany Makedonia izy ireo. (Asan’ny Apostoly 18:5). Ny taratasy roa nosoratan’i Paoly ho an’ny Tesaloniana, izay tonga anisan’ny kanônan’ny Baiboly tatỳ aoriana, dia mety ho nosoratan’ilay apostoly fony izy nitoetra niaraka tamin’i Akoila sy i Prisila.
Mora ny maka sary an-tsaina fa tena foiben’ny asa teokratika ny tranon’i Prisila sy i Akoila tamin’izany fotoana izany. Azo inoana fa notsidihin’ny namana malala maro izy io matetika — ry Stefanasy mianakavy, ny Kristiana voalohany tao amin’ny provans’i Akaia, izay nataon’ny tenan’i Paoly batisa; i Titosy Josto, izay namela an’i Paoly hampiasa ny tranony mba hanaovana lahateny; i Krispo, mpanapaka ny synagoga, izay nanaiky ny fahamarinana niaraka tamin’ny ankohonany rehetra. (Asan’ny Apostoly 18:7, 8; 1 Korintiana 1:16). Avy eo, dia tao ry Fortonato sy Akaïko; i Gaio, izay tao an-tranony no mety ho nanaovana ny fivorian’ny kongregasiona; i Erasto, mpitahiry ny volam-panjakana tao an-tanàna; i Tertio, ilay mpitan-tsoratra izay nampanoratin’i Paoly ny taratasiny ho an’ny Romana; ary i Foiby, anabavy nahatoky tao amin’ny kongregasionan’i Kenkrea teo akaiky, izay, azo inoana fa nitondra ilay taratasy avy tao Korinto nankany Roma. — Romana 16:1, 22, 23; 1 Korintiana 16:17.
Ireo mpanompon’i Jehovah amin’ny andro maoderina izay manana fahafahana hampiseho fitiavana mandray vahiny amin’ny mpanompo mpitety faritany iray, dia mahafantatra fa afaka ny hampahery sy mendrika hotadidina toy inona moa izany. Ireo fanandraman-javatra mampahery notantaraina tamin’ny fotoana toy izany dia afaka ny ho tena loharanom-pamelombelomana ara-panahy ho an’ny rehetra. (Romana 1:11, 12). Ary, toy ny nataon’i Akoila sy i Prisila, ireo izay mamoha ny tranony ho an’ireo fivoriana, angamba amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, dia manana ny fifaliana sy ny fahafaham-po afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina, amin’izany fomba izany.
Akaiky aoka izany ny fisakaizan’izy ireo tamin’i Paoly, hany ka niaraka taminy i Akoila sy i Prisila rehefa nandao an’i Korinto izy tamin’ny lohataonan’ny 52 am.f.i., ka nanatitra azy hatrany Efesosy. (Asan’ny Apostoly 18:18-21). Nijanona tao amin’io tanàna io izy ireo, ka nametraka ny fototra ho amin’ny fitsidihan’ilay apostoly nanaraka. Tao no nandraisan’ireo mpampianatra ny vaovao tsara nahay ireo ‘ho ao aminy’ ilay Apolosy nahay nandaha-teny, ka nananany fifaliana nanampy azy io, hahatakatra ‘marimarina kokoa ny lalan’Andriamanitra’. (Asan’ny Apostoly 18:24-26). Rehefa nitsidika an’i Efesosy indray i Paoly nandritra ny dia misionerany fahatelo, tokony ho tamin’ny ririnina tamin’ny 52/53 am.f.i., dia efa masaka ho amin’ny fijinjana ny saha novolen’io mpivady nahery fo io. Nandritra ny telo taona teo ho eo, dia nitory sy nampianatra tao momba ny “làlana”, i Paoly, raha mbola tao an-tranon’i Akoila no natao ny fivorian’ny kongregasionan’i Efesosy. — Asan’ny Apostoly 19:1-20, 26, fanamarihana ambany pejy; 20:31; 1 Korintiana 16:8, 19.
Tatỳ aoriana, rehefa niverina tany Roma izy ireo, dia nanohy ‘nanaraka ny lalan’ny fitiavana mandray vahiny’ ireo naman’i Paoly roa ireo, ka namela ny tranony ho azo nampiasaina tamin’ireo fivoriana kristiana. — Romana 12:13, NW; 16:3-5.
“Nanolotra ny tenany hamonjy” an’i Paoly izy ireo
Angamba niantrano tao amin’i Akoila sy i Prisila koa i Paoly fony izy tany Efesosy. Nitoetra niaraka tamin’izy ireo ve izy tamin’ny fotoana nitrangan’ilay tabataba nataon’ireo mpanefy volafotsy? Araka ny fitantarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 19:23-31, rehefa nikomy tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara ireo mpanefy mpanao sarin-tempoly, dia tsy maintsy nisakana an’i Paoly tsy hahatandindomin-doza ny ainy tamin’ny fandehanana teo anoloan’ilay vahoaka romotra, ireo rahalahy. Misy mpivaofy teny sasany ao amin’ny Baiboly manao teoria fa mety ho tamin’ny toe-javatra nampidi-doza toy izany indrindra no nahatsapan’i Paoly fa ‘efa nafoiny mihitsy aza ny ainy’, ka nidiran’i Akoila sy i Prisila an-tsehatra tamin’ny fomba iray, ary ‘nanoloran’izy ireo ny tenany hamonjena’ azy. — 2 Korintiana 1:8; Romana 16:3, 4.
Rehefa “nitsahatra ny tabataba”, dia nandao tamim-pahendrena ilay tanàna i Paoly. (Asan’ny Apostoly 20:1). Tsy isalasalana fa niatrika fanoherana sy fanesoana koa i Akoila sy i Prisila. Nahatonga azy ireo ho kivy ve izany? Nifanohitra tamin’izany, fa nanohy tamin-kerim-po ny ezaka kristiana nataony kosa i Akoila sy i Prisila.
Mpivady nifankahazo am-po
Taorian’ny nifaranan’ny fanapahan’i Klaodio, dia niverina tany Roma i Akoila sy i Prisila. (Romana 16:3-15). Kanefa, ny filazana farany momba azy ireo ao amin’ny Baiboly dia ahitantsika azy ireo tafaverina tany Efesosy. (2 Timoty 4:19). Eto indray, toy ny tamin’ny fanisiana firesahana hafa rehetra ao amin’ny Soratra Masina, dia resahina miaraka io mpivady io. Mpivady nifankahazo am-po sy tafaray re izany! Tsy afaka nieritreritra an’io Akoila rahalahy malala io i Paoly, ka tsy hahatsiaro ny fiaraha-miasa tamim-pahatokiana nasehon’ny vadiny. Ary ohatra tsara dia tsara re izany ho an’ireo mpivady kristiana amin’izao andro izao, satria ny fanampiana tsy mivadika ataon’ny vady iray be fandavan-tena dia mamela ny olona iray hanao betsaka “amin’ny asan’ny Tompo” ary, indraindray aza, mihoatra noho izay mety ho azon’ny mpitovo iray atao. — 1 Korintiana 15:58.
Nanompo tany amin’ny kongregasiona maromaro samy hafa i Akoila sy i Prisila. Sahala amin’izy ireo, dia Kristiana be zotom-po maro amin’ny andro maoderina no nanao ny tenany ho azo ampiasaina mba hifindra toerana any amin’izay ilana fanampiana. Izy ireo koa dia mahita fifaliana sy fahafaham-po, izay avy amin’ny fahitana ny tombontsoan’ilay Fanjakana mitombo ary amin’ny fahafahana mamboly fisakaizana kristiana mafana sy sarobidy.
Tamin’ny ohatra niavaka nomen’izy ireo ny amin’ny fitiavana kristiana, dia nahazo ny fankasitrahan’i Paoly sy ny hafa, i Akoila sy i Prisila. Vao mainka zava-dehibe kokoa anefa, fa nanorina laza tsara dia tsara teo anatrehan’ny tenan’i Jehovah izy ireo. Manome toky antsika toy izao ny Soratra Masina: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany.” — Hebreo 6:10.
Mety tsy hanana fahafahana hampiasa ny tenantsika amin’ny fomba mitovy amin’izay nataon’i Akoila sy i Prisila isika, kanefa afaka manahaka ny ohatra faran’izay tsara navelan’izy ireo isika. Hanana fahafaham-po lalina isika rehefa manokana ny herintsika sy ny fiainantsika ho amin’ny fanompoana masina, ka tsy manadino na oviana na oviana ny “hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra”. — Hebreo 13:15, 16.