-
Fivavahana Jiosy, Olona Niova ho Amin’nyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Lasa Kristianina. Resahin’ny Soratra Grika Kristianina fa nisy tso-po ireo voafora nanaraka ny Fivavahana Jiosy. “Jiosy sy olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy” ireo olona maro nihaino an’i Petera sy lasa Kristianina tamin’ny Pentekosta taona 33. (As 2:10) Nankatò ny lalàn’i Jehovah ireo olona avy any amin’ny tany maro ireo matoa tonga tao Jerosalema. Nankany Jerosalema koa ilay tandapa etiopianina nataon’i Filipo batisa, ary namaky ny Tenin’Andriamanitra rehefa nody. (As 8:27-38) Tsy lehilahy novosirina izy matoa afaka nanaraka ny Fivavahana Jiosy. (De 23:1; jereo ETIOPIA, ETIOPIANINA.) Lehilahy “feno fanahy masina sy fahendrena” teo anivon’ny fiangonana kristianina voalohany i “Nikoleo avy any Antiokia, ilay niova ho amin’ny fivavahana jiosy.” Nomena andraikitra hizara sakafo izy.—As 6:2-6.
-
-
RomaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tonga ny Fivavahana Kristianina. Nisy “mpivahiny avy any Roma, dia Jiosy sy olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy” nahita ny vokatry ny filatsahan’ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta 33. Azo inoana fa anisan’ireo 3000 natao batisa tamin’izay ny sasany taminy. (As 2:1, 10, 41) Nitory izy ireo rehefa tafaverina tany Roma, ka nisy fiangonana niroborobo tao. Nilaza ny apostoly Paoly fa “re laza eran’izao tontolo izao” ny finoan’izy ireo. (Ro 1:7, 8) Samy nilaza koa i Tacite (Ny Tantara, XV, XLIV) sy Suétone (Ny Fiainan’ireo Kaisara, Néron, XVI, 2) fa nisy Kristianina tao Roma.
-