SOSTENA
(Sostèna) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mamonjy” sy hoe “tanjaka”].
Mpitantana ny synagogan’i Korinto fony i Paoly nitsidika tao. Mety ho izy no nandimby an’i Krispo izay lasa Kristianina. Notorin’ny Jiosy i Paoly noho ny fampianarany, nefa tsy nety nitsara azy io i Galio Governoram-paritra, ka i Sostena no nosamborin’ny olona sy nokapohiny. “Grika” tsy tia Jiosy ireo olona ireo, hoy ny sora-tanana sasany, fa “Jiosy” kosa, hoy ny hafa. Samy teny nasisika anefa ireo, satria tsy resahin’ny sora-tanana telo tranainy indrindra hoe iza no namely an’i Sostena.—As 18:8, 12-17.
Mety ho iny fikapohana an’i Sostena iny no nahatonga azy ho lasa Kristianina, sy hiaraka tamin’i Paoly tany Efesosy tatỳ aoriana. Notononin’i Paoly mantsy i Sostena (anarana grika tsy fahita firy), rehefa niarahaba an’ireo Korintianina izy, ary nataony hoe “rahalahintsika” i Sostena.—1Ko 1:1.