SKEVA
(Skèva).
Jiosy “lehiben’ny mpisorona.” Anisan’ny ‘Jiosy mpivezivezy mpamoaka demonia’ ny zanany fito lahy. Niezaka namoaka demonia izy ireo tao Efesosy, indray andro, ka niteny hoe: “Mandidy mafy anareo amin’ny alalan’i Jesosy izay torin’i Paoly aho.” Hoy anefa ilay fanahy ratsy: “Fantatro i Jesosy, ary fantatro tsara i Paoly, fa mba iza kosa ianareo?” Niantsambotra tamin’izy ireo ilay lehilahy nisy demonia, ary nandroaka azy ireo niala tao an-trano. Nivoaka nitanjaka sy naratra izy ireo tamin’izay. Nankalazaina àry ny anaran’ny Tompo, ary maro ny olona nino ny vaovao tsara notorin’i Paoly.—As 19:13-20.
Tsy miresaka mpisorona jiosy atao hoe Skeva ny andininy sy asa soratra hafa. Mety ho anarana latinina niantsoana mpisorona hebreo iray koa anefa izy io.