-
Herin’ny MaizinaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Resahin’ny Soratra Grika Kristianina fa be mpilalao ody nanerana ny Fanjakana Romanina, tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoly. Mpilalao ody, ohatra, i Barjesosy tany amin’ny nosy Sipra. Nilaza i Paoly fa “feno an’izao karazam-pitaka sy faharatsiana rehetra izao, sady zanaky ny Devoly” izy io. (As 13:6-11) Tsy nampiasa herin’ny maizina intsony kosa izay lasa Kristianina. Anisan’ireny i Simona avy any Samaria. (As 8:5, 9-13) “Maro tamin’ireo zatra nampiasa herin’ny maizina” tany Efesosy koa “no nanangona ny bokiny ka nandoro izany teo anatrehan’ny rehetra. Dia natambatr’izy ireo ny tokom-bidin’izany ka hitany fa farantsa volafotsy dimy alina [na 37 200 dolara, raha denaria ilay farantsa].” (As 19:18, 19) Nilaza tamin’ireo Galatianina i Paoly fa anisan’ny “asan’ny nofo” ny filalaovana ody. Nampitandrina àry izy hoe: “Tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.” (Ga 5:19-21) Ho any ivelan’io Fanjakana be voninahitra io ireo mikiry manao ny asan’ny maizina, izay fanao avy tany Babylona. (Ap 21:8; 22:15) Horinganina miaraka amin’i Babylona Lehibe izy rehetra. Mamitaka an’ireo firenena amin’ny filalaovana ody koa mantsy izy io.—Ap 18:23; jereo HERIN’ANDRIAMANITRA (Nampiasaina tsara ny herin’Andriamanitra).
-
-
Filalaovana OdyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Misy ifandraisany amin’ny fampiasana herin’ny maizina. Betsaka ny Efesianina lasa mpino rehefa nitorian’i Paoly, ary “maro tamin’ireo zatra nampiasa herin’ny maizina no nanangona ny bokiny ka nandoro izany teo anatrehan’ny rehetra.” (As 19:19) Avy amin’ny teny grika hoe perierga (“fitia te hahafantatra”) ny hoe “herin’ny maizina”, ary midika ara-bakiteny hoe “zavatra manodidina ny asa”, ka tsy tena ilaina. Io teny io no ilazana ny hery ananan’ireo midikiditra amin’ny zavatra tsy azo atao, noho ny fanampian’ny fanahy ratsy.—Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao, Boky 1, p. 261.
-