EOTYKA
(Eotỳka) [Tsara Vintana; Mahomby].
Tovolahy tany Troasy. Izy no olona farany tantarain’ny Soratra Masina hoe natsangana tamin’ny maty tamin’ny fomba mahagaga. Nitohy hatramin’ny misasakalina ny lahatenin’i Paoly ho an’ireo rahalahy tany Troasy, tamin’ny dia misionera fahatelo nataony. Resin-tory tanteraka i Eotyka, ka nianjera avy teo am-baravarankelin’ny rihana faharoa. Efa vizana mantsy izy, sady angamba nafana tao amin’ilay efitra ambony rihana noho ireo jiro maro be tao. Feno hipoka koa ilay efitra. Tsy torana fotsiny anefa i Eotyka. Toa nanatri-maso an’izay nitranga mantsy i Lioka dokotera, mpanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, izay nilaza hoe: “Rehefa narenina izy, dia hita fa maty.” Niantoraka teo amin’i Eotyka i Paoly sady namihina azy, toy ny nataon’i Elisa tamin’izy nanangana tamin’ny maty ny zanakalahin’ilay Sonemita. Velona indray àry i Eotyka satria hoy i Paoly: “Aza miantsoantso intsony fa efa niverina ny ainy.”—As 20:7-12; jereo koa 2Mp 4:34.