LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA
Teny ampiasain’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Tesalonianina 2:2, 3, tamin’izy nilaza mialoha fa hisy fivadiham-pinoana (apôstasia) lehibe ho fanoherana ny Kristianina, alohan’ny “andron’i Jehovah.” Tsy fialana na fihemorana fotsiny io fivadiham-pinoana io, fa fivadihana sy fikomiana ary tetika sy finiavana hikomy. Nampiasaina hilazana mpikomy teo amin’ny sehatra politika ny hoe apôstasia, tao amin’ny taratasy papyrus tranainy.
Fikomiana ara-pivavahana. Tsy eo amin’ny sehatra politika ilay fikomiana voaresaka eto, fa eo amin’ny fivavahana, satria fikomiana tamin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, izany hoe tamin’ny fiangonana kristianina koa.
Efa voalaza mialoha. Efa niresaka momba an’io fivadiham-pinoana io ny apostoly Paoly sy Petera, na am-bava izany na an-tsoratra. I Jesosy Kristy Tompo koa aza efa nampitandrina fa ho avy izany. Nilaza fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary izy (Mt 13), ka nanazava fa hamafy “tsimparifary” (Kristianina sandoka, na “ny zanak’ilay ratsy”) eo amin’ny “vary” (“ny zanak’ilay fanjakana”) ny Devoly. Havela hiaraka eo izy ireo mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. Amin’izay ny “tsimparifary” vao havahana ka ‘hodorana.’
Nampitandrina an’ireo mpiandraikitra kristianina tany Efesosy i Paoly fa hisy “amboadia masiaka” hiditra eo amin’ireo tena Kristianina, rehefa lasa izy. Tsy hiantra ny ondry izy ireny, ary hitaona “ny mpianatra” hanaraka azy. Tsy hoe hitaona olona ho lasa mpianany fotsiny àry izy ireny, fa ny mpianatr’i Kristy mihitsy no hotaominy. (As 20:29, 30) Hoy i Paoly: ‘Fa milaza marimarina ny fanambarana avy amin’ny fanahy fa hiala amin’ny finoana ny sasany any aoriana any, satria mihaino fanambarana mamitaka avy amin’ny fanahy sy mihaino fampianaran’ny demonia. Hiala koa izy ireny noho ny fihatsarambelatsihin’ny mpandainga, izay manana feon’ny fieritreretana toy ny voatomboky ny vy mahamay [donto ka tsy manenjika azy intsony ny eritreriny satria mpandainga izy sady mihatsaravelatsihy]. Mandrara tsy hanambady izy ireny, ary mamoaka didy mampifady sakafo. Noforonin’Andriamanitra mba hohanina sy hisaorana anefa izany.’—1Ti 4:1-3.
Nilaza tamin’i Timoty i Paoly tatỳ aoriana hoe: ‘Ho avy ny fotoana tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana mahasoa ka hanangonany mpampianatra ho an’ny tenany, araka izay iriny, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny. Ary tsy hihaino ny fahamarinana intsony izy.’—2Ti 4:3, 4.
Nampifandraisin’ny apostoly Petera ilay fivadiham-pinoana eo amin’ny Kristianina sy ilay fivadiham-pinoana teo amin’ny Israely. Hoy izy: “Nisy mpaminany sandoka koa anefa teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, ary hisy mpampianatra sandoka koa eo aminareo. Ireny indrindra no hampiditra mangingina sekta mampidi-doza, sady handa an’ilay tompo nividy azy, ka hahatonga fandringanana haingana ho an’ny tenany. Baranahiny ny fitondran-tenan’izy ireny, ary maro no hanaraka izany. Noho ireny àry no hanevatevana ny lalan’ny fahamarinana.” Hanararaotra ny Kristianina izy ireny, hoy ihany i Petera. “Tsy rendremana [anefa] ny fandringanana” azy ireny.—2Pe 2:1-3.
Tsy olon-tokana ilay “lehilahy.” Tsy olona iray ilay “lehilahy” resahin’ny 2 Tesalonianina 2:1-12, fa manondro antokon’olona. Asehon’ireo andinin-teny eo aloha mantsy fa efa teo io “lehilahy” io taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly, ary mbola eo hatramin’ny fanatrehan’ny Tompo.
Mivadika amin’Andriamanitra. Ny lalàn’i Jehovah Andriamanitra Mpanjakan’izao Rehetra Izao no dikain’io antokon’olona mivadi-pinoana io. Meloka ho nivadika tamin’Andriamanitra izy. Teny ilazana azy koa ny hoe “zanaky ny fandringanana”, tahaka an’i Jodasy Iskariota, ilay namadika an’i Jesosy Kristy ka nahatonga azy ho faty. Tsy maintsy haringana mandrakizay toa an’i Jodasy io lehilahy io. Tsy i “Babylona Lehibe” izy io, na dia miady amin’Andriamanitra koa aza i “Babylona Lehibe.” Vehivavy mantsy i “Babylona Lehibe”, ary mpivaro-tena. Azo inoana anefa fa anisan’i Babylona Lehibe io “lehilahy” io, satria mikomy amin’Andriamanitra.—Jn 17:12; Ap 17:3, 5.
Manohitra an’Andriamanitra ilay “lehilahy mpandika lalàna” ka lasa “satana”, izany hoe “mpanohitra.” “Araka ny asan’i Satana” tokoa ny fanatrehany. (2Te 2:9) Iza àry io “lehilahy mpandika lalàna” io? “Zava-miafina” izany tamin’ny andron’i Paoly, izany hoe zava-miafina ara-pivavahana. (2Te 2:7) Mbola zava-miafina amin’ny olona maro ankehitriny koa izany, satria miseho ho mpivavaka be io “lehilahy” io mba hanaronana ny ratsy ataony. Manao fampianaran-diso manohitra na manafoana ny lalàn’Andriamanitra izy, ka manao ny tenany ho ambony noho i Jehovah Andriamanitra sy ireo “andriamanitra” hafa (ireo olo-mahery eto an-tany) ary ireo olo-masin’Andriamanitra (ireo voahosotra rahalahin’i Kristy). (Ampit. 2Pe 2:10-13.) Mihatsaravelatsihy izy, ary manao fampianaran-diso nefa mihambo ho Kristianina, ka mipetraka “ao amin’ny tempolin’Ilay Andriamanitra”, izany hoe izay lazain’ireny mpampianatra sandoka ireny ho tempolin’Andriamanitra.—2Te 2:4.
Ilay zava-misakana. Niresaka momba ny “zava-misakana” iray i Paoly. (2Te 2:6) Toa ireo apostoly izy io. Nilaza tamin’ny mpiandraikitra tany Efesosy i Paoly fa rehefa lasa izy dia hisy olona toy ny amboadia hiditra eo amin’izy ireo. (As 20:29) Imbetsaka izy no nampitandrina momba ilay fivadiham-pinoana, na tamin’izy nanoratra ny Tesalonianina Faharoa izany, na tamin’izy nananatra an’i Timoty. Izay ren’i Timoty taminy dia nasainy nampitaina tamin’ireo lehilahy mendri-pitokisana, izay nahay nampianatra ny hafa. Nilaza izy fa “andry sy tohana ho an’ny fahamarinana” ny fiangonan’ilay Andriamanitra velona. Tiany hatanjaka tsara ny fiangonana, dieny mbola tsy nahazo vahana ilay fivadiham-pinoana lehibe.—2Ti 2:2; 1Ti 3:15.
Nasain’i Kristy nampitandrina momba ny sekta ny apostoly Jaona, ela be tatỳ aoriana. Izany no nahatonga azy hanoratra momba ny sektan’i Nikoleo, sy ny mpaminany sandoka toa an’i Balama, ary ilay vehivavy Jezebela izay nihambo ho mpaminanivavy.—Ap 2:6, 14, 15, 20.
Efa am-perinasa tamin’ny andron’ny apostoly. “Efa miasa sahady ilay zava-miafina”, hoy i Paoly. (2Te 2:7) Nisy olona, ohatra, nanao fampianaran-diso ka nampikorontan-tsaina an’ireo teo anivon’ny fiangonan’i Tesalonika. Anisan’ny antony nanoratan’i Paoly ny taratasiny faharoa ho azy ireo izany. Efa nisy antikristy koa tamin’i Jaona nanoratra ny taratasiny, ary azo inoana fa talohan’izay aza. Niresaka momba ny “ora farany”, na ny fe-potoana farany nisian’ny apostoly, izy, ka nanao hoe: “Araka ny efa renareo, dia ho avy ny antikristy. Ary efa misy antikristy maro sahady izao ... Niala tamintsika izy ireny, fa tsy mba namantsika. Mbola ho niaraka tamintsika ihany mantsy izy raha namantsika. Niala anefa izy, mba haseho mazava fa tsy ny rehetra no namantsika.”—1Jn 2:18, 19; jereo ANTIKRISTY.
Naharihary. Rehefa maty ireo apostoly, dia tsy niafina intsony ilay “lehilahy mpandika lalàna” izay nihatsaravelatsihy sy nanao fampianaran-diso. (2Te 2:3, 6, 8) Nilaza i Paoly fa nahazo fahefana lehibe io “lehilahy” io, saingy teo ambany fifehezan’i Satana, ka nanao ‘fahagagana, mbamin’ny famantarana sy fambara mandainga rehetra.’ Lazaina hoe “ireo ho ringana [a.b.t.: mandringana ny tenany]” ireo olona voafitak’io antokon’olona mpandika lalàna io. Ho ringana izy ireo “ho valin’ny tsy naneken’izy ireo ny fitiavana ny fahamarinana mba hahavoavonjy azy.” Nilaza i Paoly fa ‘nino lainga’ izy ireo ka “homelohina daholo izy rehetra satria tsy nino ny fahamarinana, fa finaritra tamin’ny tsy fahamarinana kosa.”—2Te 2:9-12; jereo FITSANGANANA AMIN’NY MATY (Manota amin’ny fanahy masina).
Haringana. Tsy maintsy haringan’i Jesosy Tompo “amin’ny fofonain’ny vavany” io antokon’olona “mpandika lalàna” io, ary hofoanany “amin’ny alalan’ny fisehoan’ny fanatrehany.” Ho hita maso ny hanafoanana an’io mpanohitra an’Andriamanitra io, ary ho porofo tsy azo lavina izany fa mipetraka mba hitsara i Jesosy Kristy. Tsy hitsara araka izay mety aminy izy. Inona àry no dikan’ilay hoe handringana “amin’ny fofonain’ny vavany” i Jesosy? Azo inoana fa midika izany hoe hanome baiko izy mba hampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’io antokon’olona ratsy fanahy io.—2Te 2:8; ampit. Ap 19:21, izay miresaka momba ny ‘sabatra lava lela nivoaka avy tamin’ny vavany.’