ANTONIA, TILIKAMBON’I
(Antônìa).
Lapa voaro mafy tao Jerosalema, izay nitobian’ny miaramila. Nilaza i Josèphe fa maro ny efitra, toerana fandroana, tranon’ny miaramila, ary tokotany tao.—SARY, Boky Faha-2, p. 535.
Teo amin’ny zorony avaratrandrefana amin’ny tokotanin’ny tempoly no nisy ny Tilikambon’i Antonia. Azo inoana fa teo amin’ny toerana nisy azy io i Nehemia no nanorina ilay Lapa (na lapa voaro mafy) resahin’ny Nehemia 2:8. Nandany vola be i Heroda Lehibe nanamboarana ny simba tamin’ny Tilikambon’i Antonia, ary nohamafisiny izy io. Baris no anaran’izy io taloha fa nantsoin’i Heroda hoe Antonia, ho fanomezam-boninahitra an’i Marc Antoine, jeneraly romanina. Izay nataon’i Joany Hirkana (mpisoronabe sady mpitondra teo aloha) ihany no nataon’i Heroda: Notehiriziny tao amin’ny Tilikambon’i Antonia ny akanjo fisoronana, angamba mba hanaraha-maso ny mpisoronabe.
Nilaza i Josèphe fa teo amin’ny vatolampy no naorina ilay lapa voaro mafy, ka 50 hakiho (22 m eo ho eo) ny haavon’ilay vatolampy. Nirefy 40 hakiho (18 m eo ho eo) ny haavon’ny manda vato teo ambonin’io vatolampy io, ary nisy tilikambo ny zorony efatra, ka 50 hakiho (22 m eo ho eo) ny haavon’ny telo tamin’ireo. Fitopolo hakiho (31 m eo ho eo) kosa ny haavon’ilay iray teo atsimoatsinanana izay nahatazanana ny faritry ny tempoly manontolo. (Ny Adin’ny Jiosy, V, 238-247 [v, 8]) Niambenana ny fanafihana avy any avaratra no tena nampiasana an’io lapa voaro mafy io talohan’ny andron’i Heroda, fa tatỳ aoriana kosa izy io lasa nitsikilovana izay nataon’ny Jiosy sy nanaraha-maso izay natao tao amin’ny tempoly. Nisy lalana mantsy nampifandray mivantana ny tempoly sy ilay lapa.
Miendrika efamira ilay lapa ka tsy maintsy nisy tokotany teo afovoany. Misy mihevitra fa teo amin’io tokotany afovoany io i Jesosy no niseho teo anatrehan’i Pilato mba hotsaraina. (Jn 19:13) Milaza izy ireo fa ilay tokotany vato tao amin’io faritra io ilay nantsoina hoe “Gabata.” Ny hafa indray milaza fa teo anoloan’ny lapan’i Heroda i Jesosy no notsarain’i Pilato.—Jereo TOKOTANY VATO.
Azo antoka fa ny Tilikambon’i Antonia no resahina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 21:30-40 sy ny 22:24. Toa teo amin’ny tohatoha-baton’ilay lapa i Paoly no niaro tena sy nitory tamin’ny mpivavaka nafana fo sy nisahotaka. Nentina tao amin’ny toby miaramila izy avy eo mba hofotopotorana. Azo inoana fa naverina tao amin’io lapa io i Paoly rehefa avy nampifanditra an’ireo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy. Tao koa izy tamin’ny zanak’anabaviny tonga nampandre azy hoe nisy nitetika hamono azy.—As 23:10, 16.
Rava tanteraka koa ny Tilikambon’i Antonia tamin’ny taona 70, rehefa nandrava an’i Jerosalema sy ny tempoly i Titus, jeneraly romanina.