-
Antonia, Tilikambon’iFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Miendrika efamira ilay lapa ka tsy maintsy nisy tokotany teo afovoany. Misy mihevitra fa teo amin’io tokotany afovoany io i Jesosy no niseho teo anatrehan’i Pilato mba hotsaraina. (Jn 19:13) Milaza izy ireo fa ilay tokotany vato tao amin’io faritra io ilay nantsoina hoe “Gabata.” Ny hafa indray milaza fa teo anoloan’ny lapan’i Heroda i Jesosy no notsarain’i Pilato.—Jereo TOKOTANY VATO.
-
-
AramianinaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Mety ho ny teny aramianina fampiasa tany Galilia no nifampiresahan’i Jesosy sy ny mpianany indraindray. Nisy nilaza toy izao mantsy ny apostoly Petera, ny alina nisamborana an’i Kristy: “Tena naman-dry zareo ianao, satria na ny fitenim-paritra ampiasainao aza dia efa ahalalana an’izany.” (Mt 26:73) Mety ho niteny aramianina i Petera tamin’izay (nefa tsy azo antoka izany), na nampiasa teny hebreo fampiasa tany Galilia fa tsy tany Jerosalema na tany amin’ny faritra hafa tany Jodia. Hoy i Jesosy talohan’izay, rehefa namaky ny faminanian’i Isaia tamin’ny teny hebreo tao amin’ny synagogan’i Nazareta any Galilia: “Androany no tanteraka izany andinin-teny vao renareo izany.” Tsy nadikan’i Jesosy tamin’ny teny aramianina ilay izy. Azo inoana àry fa nahazo teny hebreo ny mpanatrika tao. (Lk 4:16-21) Nisy Jiosy niteny grika sy Jiosy niteny hebreo koa tao Jerosalema, taoriana kelin’ny Pentekosta taona 33.—As 6:1.
-
-
Hebreo, IIFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Miresaka momba ny teny hebreo ny Soratra Grika Kristianina, ary io no porofo mavesa-danja indrindra hoe mbola nampiasaina io fiteny io tamin’ny taonjato voalohany. (Jn 5:2; 19:13, 17, 20; 20:16; Ap 9:11; 16:16) Manam-pahaizana maro anefa no manizingizina fa tokony horaisina hoe “aramianina” ilay hoe “hebreo” ao amin’ireo andinin-teny ireo. Tena ny teny hebreo anefa no resahina ao, araka ny hazavain’ny lahatsoratra hoe ARAMIANINA. Toa sarotra inoana koa hoe ny teny aramianina na syrianina no tian’i Lioka holazaina rehefa nitantara izy hoe niteny tamin’ny mponin’i Jerosalema “tamin’ny teny hebreo” i Paoly. (As 21:40; 22:2; ampit. 26:14.) Fiteny roa samy hafa ny aramianina (syrianina) sy ny “fitenin’ny Jiosy”, ao amin’ny Soratra Hebreo. (2Mp 18:26) Niresaka momba an’io andininy io koa i Josèphe, Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany, ka nilaza fa fiteny samy hafa ny “aramianina” sy ny “hebreo.” (Rakitry ny Ela Jiosy, X, 8 [i, 2]) Tsy misy antony àry tokony hilazan’ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina hoe “hebreo”, raha aramianina na syrianina no tiany holazaina.
-