Fanontanian’ny Mpamaky
Azo lazaina ve fa nampandefitra ny finoany kristianina ny apostoly Paoly, rehefa nilaza tamin’ny Fitsarana Avo hoe: “Fariseo aho”?
Mila mijery ny zava-nitranga tamin’izay fotoana izay isika, mba hahazoantsika ny tian’i Paoly holazaina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 23:6.
Niteny teo anatrehan’ny vahoaka izy, rehefa avy norotahan’ny Jiosy tao Jerosalema. Nilaza izy fa ‘nampianarina [tao Jerosalema] teo an-tongotr’i Gamaliela, ary nobeazina araka ny fampianarana hentitra momba ny Lalàn’ny’ razamben’ny Jiosy. Nihaino an’i Paoly niaro tena ihany ny vahoaka, nefa tezitra be izy ireo avy eo. Tsy maintsy nitondra an’i Paoly tany amin’ny tobin’ny miaramila àry ilay mpitari-tafika niaro azy. Hoy i Paoly rehefa andeha hokapohina: “Azonareo atao angaha ny mikapoka Romanina mbola tsy voaheloka?”—Asan’ny Apostoly 21:27–22:29.
Nentin’ilay mpitari-tafika teo anatrehan’ny Fitsarana Avo jiosy i Paoly ny ampitson’iny. Nodinihiny tsara ireo olona tao, ary hitany fa nisy Sadoseo sy Fariseo teo. Hoy àry izy: “Ry rahalahy! Fariseo aho, ary zanaky ny Fariseo. Ny amin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty no itsarana ahy.” Koa nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, satria “ny Sadoseo ... milaza fa tsy misy fitsanganana amin’ny maty na anjely na fanahy. Fa ny Fariseo kosa manambara ampahibemaso fa mino izany rehetra izany.” Nisy mpomba ny Fariseo àry nanizingizina mafy hoe: “Tsy hitanay izay fahadisoan’io lehilahy io.”—Asan’ny Apostoly 23:6-10.
Fantatry ny olona tsara fa Kristianina be zotom-po i Paoly. Noho izany, dia tsy ho resiny lahatra mihitsy ny Fitsarana Avo hoe tena Fariseo izy. Tsy ho neken’ny Fariseo ho anisan’izy ireo ny olona tsy manaiky ny fampianarany rehetra. Azo inoana àry fa ny tian’i Paoly holazaina dia hoe nisy lafiny sasany nampitovy azy tamin’ny Fariseo. Azo antoka fa azon’ireo Fariseo nanatrika teo izay tiany holazaina.
Nilaza i Paoly fa ny finoany ny fitsanganana amin’ny maty no antony nitsarana azy. Mazava àry fa te hilaza izy hoe io finoana io no nitoviany tamin’ny Fariseo. Niray hevitra tamin’izy ireo izy fa tsy tamin’ny Sadoseo, raha nisy adihevitra momba ny fitsanganana amin’ny maty. Tsy nino izany mantsy ny Sadoseo.
Tsy nifanohitra tamin’ny zavatra ninoan’i Paoly, ny zavatra ninoan’ny Fariseo momba ny fitsanganana amin’ny maty, ny anjely, ary ny lafin-javatra sasany tao amin’ny Lalàna. (Filipianina 3:5) Afaka nilaza àry i Paoly fa Fariseo izy, tamin’ireo lafin-javatra ireo. Toy izany koa no fahazoan’ireo olona tao amin’ny Fitsarana Avo ny teniny. Araka izany, dia niresaka momba ny fanabeazana azony i Paoly, mba hiarovan-tena teo anatrehan’ny fitsarana tampony jiosy, izay niangatra.
Mbola nankasitrahan’i Jehovah foana i Paoly, ka izany no porofo lehibe indrindra fa tsy nampandefitra ny finoany izy. Ny alina taorian’ny nilazany fa Fariseo izy, dia niteny taminy i Jesosy hoe: “Mahereza! Fa toy ny nanazavanao tsara momba ahy teto Jerosalema no tsy maintsy hitorianao ny teny any Roma koa.” Tsy maintsy manatsoaka hevitra àry isika fa tsy nampandefitra ny finoany kristianina i Paoly, matoa nankasitrahan’Andriamanitra.—Asan’ny Apostoly 23:11.