Manao asa fitarihana ny kongregasionany Kristy
“Andriamanitr’i Jesosy Kristy Tompontsika (...) nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny fiangonana [kongregasiona, MN ].” — EFESIANA 1:17, 22.
1. Ahoana no ho azon’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana sasany ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana amaliana ny fanontaniana hoe: ‘Iza no mpitarika anareo?’ ary ahoana no amalian’ny Vavolombelon’i Jehovah izany?
TSY manaiky olona ho filoha mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny rafitry ny fandaminany dia tsy misy ifandraisana velively amin’izay asehon’ny papa ho an’ny Eglizy katolika, ireo patriarka ho an’ny Fiangonana ortodoksa na ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Fiangonana hafa na antokom-pivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana ho an’ireo mpikambana ao aminy. Ny Vavolombelona dia manaiky an’i Jesosy Kristy, Filohan’ny kongregasiona kristiana izay nanambara hoe: “Iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.” — Matio 23:10.
2. Nahoana moa no manaiky an’i Kristy ho Filohan’ny kongregasiona kristiana ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa fanontaniana inona avy no mety hapetratsika amin’ny tenantsika?
2 Izao no fanambarana nataon’ny apostoly Petera tamin’ny andro Pentekosta: “Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: ‘Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao’. Koa aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.” (Asan’ny apostoly 2:34-36). Kanefa, sady manaiky isika fa natao Tompo sy Filohan’ny kongregasiona i Jesosy tamin’ny taona 33 no hirona koa ve isika hihevitra fa nipetraka tsy nanao na inona na inona teo ankavanan’i Jehovah izy, niandry ny hanendrena azy ho Mpanjaka tamin’ny 1914? Tsapantsika amin’ny fomba feno ve ny hoe vao tamin’ny voalohany Kristy dia efa nanao asa fitarihana ny kongregasionany?
Fiasan’Andriamanitra mba hanaovana asa fitondrana
3. Inona no nampanantenain’i Jesosy fa halefa ho an’ireo mpianany, ary ahoana no ahafantarantsika fa tsy olona no noresahiny?
3 Ny takariva nialoha ny nahafatesany, dia nilaza toy izao tamin’ireo mpianany nahatoky i Jesosy: “Mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho atỳ aminareo Izy.” (Jaona 16:7). Tsy olona akory no hirahiny fa hery miasa. Nampahafantatra izany mazava tamin’ny mpianany izy rehefa nilaza tamin’izy ireo, talohan’ny hiakarany ho any an-danitra indrindra: “Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ny avo.” — Lioka 24:49.
4. Ahoana no nampiasana ny fanahy masina nanomboka tamin’ny Pentekosta?
4 Nonina tany akaikin’i Jerosalema ireo mpianatra mahatokin’i Jesosy hatreo amin’ny Pentekosta. Tamin’io andro io, araka ny nampanantenaina, dia “feno ny Fanahy Masina” izy ireo. Nanao fanambarana ny amin’izany toy izao i Petera: “Ary rehefa nasandratry ny tànana ankavanan’Andriamanitra Izy [Jesosy], ary nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.” (Asan’ny apostoly 2:4, 33). Tamin’izany no nanaovan’i Jehovah an’ireny kristiana voalohany ireny ho zanany ara-panahy (Galatiana 4:6). Tetsy an-daniny koa, Jesosy dia nahazo avy tamin’ny Rainy ny fanahy masina izay tokony hahatonga azy ho afaka hanao asa fitarihana ny kongregasionany eto an-tany, avy amin’ny toerana any an-danitra notanany teo ankavanan’Andriamanitra.
5, 6. a) Fiasana hafa inona no ananan’i Jesosy mba hitarihana ny kongregasionany eto an-tany? b) Manomeza ohatra hentitra ny amin’ny fomba nampiasan’i Jesosy an’io fiasana io ho an’ireo mpianany na mba hanohanana ny asa fitoriana.
5 Afa-tsy izany koa, ny apostoly Petera dia nanoratra toy izao ny amin’i Jesosy: “Izay eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.” (I Petera 3:22). Ireo anjely àry dia fiasana iray hafa koa nomen’i Jehovah hampiasain’i Kristy mba hanaovany asa fitarihana ny kongregasiona kristiana.
6 Noho izany, rehefa mamaky ao amin’ny bokin’ny Asan’ny apostoly isika fa nanohana ny asa fitoriana “ny anjelin’i Jehovah” na “ny anjelin’Andriamanitra iray” na nandray anjara ho fanohanana mpikambana sasany tao amin’ny kongregasiona kristiana, dia tena manana antony tokony hieritreretana isika fa ireny anjely ireny dia nanao zavatra teo ambany fitarihan’i Kristy Jesosy (Asan’ny apostoly 5:19, MN; 8:26; 10:3-7, 22; 12:7-11; 27:23, 24, MN ). Noho izy “Mikaela arikanjely”, Jesosy dia manana anjely baikoiny, ary nampiasainy izy ireny mba hanaovana asa fitarihana ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany. — Joda 9; I Tesaloniana 4:16.
Kolejy foibe hita maso
7. Fiasana hafa inona moa no nampiasain’i Kristy mba hitarihana ny kongregasionany, ary inona avy no andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina miresaka ny amin’io ‘anjara-raharaha’ io?
7 Asehon’ny Soratra Masina koa fa Jesosy Kristy dia nampiasa antokon’olona nahaforona kolejy foibe, mba hitarihana ny kongregasionany eto an-tany. Tamin’ny voalohany, io kolejy foibe io dia toa voaforon’ny apostoly iraika ambin’ny folo monja. Rehefa nilaina ny hanoloana an’i Jodasy Isikariota, raha namotopototra ny amin’ny sitrapon’i Jehovah i Petera, dia nanonona ny Salamo 109:8 manao hoe: “Aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara-raharahany.” Taorian’izany i Petera sy ireo namany dia nivavaka tamin’i Jehovah mba hanondro ny lehilahy ‘hahazo anjara amin’io fanompoana sy ny mah’Apostoly io, izay nialan’i Jodasy’. Matia no voatendry “ho isan’ny Apostoly iraika ambin’ny folo lahy”. — Asan’ny apostoly 1:20, 24-26.
8. Manonòna ohatra roa manazava ny fomba nampiasan’i Kristy ireo anisan’ny kolejy foibe hita maso.
8 Ny voalohany ampisehoan’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly amintsika ireo apostoly roa ambin’ny folo eo am-panaovana “ny anjara-raharahany”, dia fony izy ireo nanendry lehilahy nanana ireo toetra ara-panahy takina, mba hanompoana ireo rahalahy teo anivon’ny kongregasiona voalohany (Asan’ny apostoly 6:1-6). Ny faharoa dia mifanitsy amin’ny fotoana izay, rehefa nanomboka nitory ny amin’i Kristy tamin’ny Samaritana i Filipo, “ny apostoly tany Jerosalema (...) dia naniraka an’i Petera sy Jaona (...) hankany aminy”. Tsy maintsy nametra-tanana tamin’ny Samaritana ireny solontenan’ny kolejy foibe ireny mba ‘handraisan’ireo ny fanahy masina’. — Asan’ny apostoly 8:5, 14-17.
Ny fitarihan’i Kristy manokana
9. Moa ve Kristy niasa foana tamin’ny alalan’ny anjely na ny kolejy foibe? Manomeza ohatra.
9 Araka izany, raha vao teo am-piandohan’ny kongregasiona kristiana, dia nampiasa ny fanahy masina sy anjely ary kolejy foibe hita maso iray Kristy mba hanaovana asa fitarihana ireo mpianany teto an-tany. Indraindray aza dia nisy zavatra nataon’ny tenany mihitsy. Ohatra, Kristy mihitsy no nampiova an’i Saoly avy any Tarsosy (Asan’ny apostoly 9:3-6). Rehefa afaka hateloana, dia niresaka nivantana tamin’ny “mpianatra anankiray” natao hoe Ananiasy izy, ka nanambara taminy ny asa telo sosona hankininy amin’i Saoly: “Fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’Isiraely.” (Asan’ny apostoly 9:10-15). Niantso an’i Saoly Kristy mba hanatanterahany asa iray manokana. Tamin’izany indrindra no nahatongavan’i Saoly ho apostoly, olona nirahina. Fantatra kokoa amin’ny anarana hoe apostoly Paoly izy.
10. Ahoana no nitarihan’ny tenan’i Kristy ny fitoriana?
10 Ny tenan’i Kristy mihitsy no nitarika ny fitoriana. Noho ny fanahy masina avy amin’ny Rainy, Jehovah, dia namporisika an’i Paoly izy hanao ireo dia misionerany ary nihevitra akaiky ny fizotran’izany. Izao no vakintsika: “Hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy. (...) Ary rehefa nirahin’ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy”; izany no dia misionera voalohany nataon’izy ireo (Asan’ny apostoly 13:2-4). Mazava fa ny fanahy masina, ny hery miasan’i Jehovah, dia tsy afaka ‘nilaza’ zavatra na ‘naniraka’ olona. Kristy, Filohan’ny kongregasiona, no nampiasa ny fanahy mba hitarihana ireo fisehoan-javatra.
11. Inona no nitranga tamin’ny dia misioneran’i Paoly faharoa, ary amin’ny ahoana izany fisehoan-javatra izany no mampiseho mazava fa nampiasa ny fanahy i Jesosy mba hitarihana ny kongregasiona?
11 Ny fitantarana ny dia faharoa nataon’i Paoly dia mampiseho mazava fa nampiasa ny fanahy i Jesosy mba hanaovana asa fitarihana ireo kristiana voalohany. Rehefa avy nitsidika indray ireo kongregasiona tany Lykaonia (faritr’i Azia Minora) naorin’ilay apostoly tamin’ny diany voalohany i Paoly sy ireo namany dia toa nikasa ny handeha lavidavitra kokoa any andrefana mba hitsidika ny provansa roman’i Azia. Nahoana izy ireo no tsy nanatanteraka ny volavolan-keviny? Satria “noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory teny tany Asia izy”. (Asan’ny apostoly 15:36, 40; 16:1-6.) Iza anefa no nampiasa ny fanahy masin’i Jehovah mba hitari-dalana azy ireny? Ny andininy manaraka dia mamaly an’io fanontaniana io amin’ny fampisehoana fa rehefa nitodika nianavaratra izy ireo noho ny fikasana ny hitory any Bitynia, dia “tsy navelan’ny Fanahin’i Jesosy”. (Asan’ny apostoly 16:7.) Eny, nampiasa ny fanahy noraisiny avy tamin’ny Rainy i Jesosy Kristy mba hanaovana asa fitarihana ny fitoriana. Nahita fahitana iray Paoly satria tian’i Jesosy Kristy sy ny Rainy, Jehovah, hiely any Eoropa ny vaovao tsara. — Asan’ny apostoly 16:9, 10.
Nanohana ireo anisan’ny kolejy foibe Kristy
12, 13. Amin’ny ahoana moa ireo fisehoan-javatra nitranga tamin’ny andro niverenan’i Paoly tany Jerosalema, taorian’ny nahatongavany ho kristiana, no mampiseho fa tao ambadik’ireo fanapahan-kevitra nataon’ireo tompon’andraikitra tao amin’ny kongregasiona Kristy?
12 Fony vao nitady voalohany hifandray tamin’ireo mpianatr’i Kristy tany Jerosalema i Paoly, ireo dia niseho, ary takatra ny nahatonga izany, ho tsy naniry ny hihaona taminy. “Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin’ny Apostoly.” (Asan’ny apostoly 9:26, 27). Nandany dimy ambin’ny folo andro niarahana tamin’ny apostoly Petera i Paoly. Nifankahalala tamin’i Jakoba, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy izay anankiray tamin’ireo loholona tao amin’ny kongregasiona tany Jerosalema koa izy (Galatiana 1:18, 19). Eo aoriana kokoa, ny bokin’ny Asan’ny apostoly dia mampiseho fa ireo loholona tao Jerosalema dia tonga anisan’ny kolejy foiben’ny kongregasiona kristiana voalohany, teo anilan’ireo apostoly roa ambin’ny folo. — Asan’ny apostoly 15:2; 21:18.
13 Tao anatin’ireo tapa-bolana laniny tany Jerosalema, dia nanao fanambarana tamin’ireo Jiosy niteny grika i Paoly, nefa “nitady hahafaty azy” ireo. Manampy teny toy izao i Lioka: “Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.” (Asan’ny apostoly 9:28-30). Iza anefa no tao ambadik’izany fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena izany? Taona maro tatỳ aoriana, rehefa nitantara io fisehoan-javatra io i Paoly dia nanambara fa Jesosy no niseho taminy sy nandidy azy mba handao haingana an’i Jerosalema. Naniry hifanazava tamin’i Jesosy i Paoly, kanefa namaly azy toy izao io: “Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin’ny jentilisa.” (Asan’ny apostoly 22:17-21). Avy any amin’ny fonenany any an-danitra, dia nanaraka akaiky ny fisehoan-javatra Kristy sady niasa tamin’ny alalan’ireo rahalahy izay nanana andraikitra tao amin’ny kongregasiona tany Jerosalema sy tamin’ny firesahana nivantana tamin’i Paoly.
14. Inona moa no fampitahana ny bokin’ny Asan’ny apostoly sy ny taratasy ho an’ny Galatiana mampiseho fa Kristy dia nitarika ny fisehoan-javatra izay nahatonga ny kolejy foibe hivory mba hihevitra ny amin’ny famorana?
14 Toy izany koa, ny famakiana tamim-pitandremana ny Soratra Masina dia mampiseho mazava fa Kristy no fototr’ilay fivoriana lehibe nataon’ny kolejy foibe mba hanapahan-kevitra ny amin’ity fanontaniana ity: Moa ve ireo Jentilisa tonga kristiana tokony hanaiky sa tsia ny hoforana sy ny ho eo ambany lalàn’i Mosesy. Ambaran’ny bokin’ny Asa fa rehefa nipoaka ny fiadian-kevitra dia “nifanarahana [azo inoana fa nifanarahan’ireo mpikambana tompon’andraikitra, izany hoe ireo loholona, tao amin’ny kongregasiona tany Antiokia] ny hiakaran’izy roa lahy [Paoly sy Barnabasy] sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin’ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany”. (Asan’ny apostoly 15:1, 2.) Kanefa, rehefa nilazalaza ny amin’ireo toe-javatra nitarika azy ho any Jerosalema mba handaminana ny raharaha momba ny famorana i Paoly, dia izao no nambarany: “Niakatra araka ny fanambarana aho.” (Galatiana 2:1-3; jereo 1:12). Noho izy Filoha niasa tao amin’ny kongregasiona, dia tian’i Kristy halamin’ny kolejy foibe manontolo io raharaha tena lehibe io. Tamin’ny alalan’ny fanahy masina, dia nitarika ny fanahin’ireny lehilahy be fandavan-tena ireny izy tamin’ny fanapahan-kevitra nataon’izy ireo. — Asan’ny apostoly 15:28, 29.
Fanapahan-kevitra hafahafa
15, 16. a) Rehefa tafaverina avy any amin’ny diany misionera fahatelo i Paoly, inona moa no nasain’ny kolejy foibe nataony? b) Nahoana moa io toromarika io no mety ho toa hafahafa, ary nahoana i Paoly no nanaiky izany? d) Fanontaniana inona no mipetraka?
15 Izay nitranga taorian’ny dia misionera fahatelo nataon’i Paoly dia manome antsika ohatra mahaliana hafa iray ny amin’ny fomba misy asa itarihan’i Kristy ireo fisehoan-javatra avy any an-danitra. Tantarain’i Lioka fa i Paoly, tamin’ny fiverenany ho any Jerosalema dia nanao tatitra feno ny amin’ny asa nanirahana azy tamin’ireo anisan’ny kolejy foibe tao. Izao no nosoratan’i Lioka: “Niara-niditra tany amin’i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra. Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay nampanaovin’Andriamanitra azy tany amin’ny jentilisa izy.” (Asan’ny apostoly 21:17-19). Rehefa avy nihaino an’i Paoly ny kolejy dia nanome azy toromarika hentitra narahin’izao fameperana izao: “Ataovy izao lazainay aminao izao.” Nandidy azy izy ireo mba ho ao amin’ny tempoly sy hampiseho ampahibemaso fa ‘tsy nampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin’ny jentilisa hahafoy an’i Mosesy ka nandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana’. — Asan’ny apostoly 21:20-24.
16 Mety hampisalasala ny sasany ny maha-fahendrena an’io toromarika io. Araka ny efa hitantsika, taona maro talohan’izay i Jakoba, ary angamba aza ny loholona hafa nanatrika teo tamin’ireo fisehoan-javatra roa ireo, dia nanoro hevitra an’i Paoly mba hiala tao Jerosalema satria notandindomin-doza ny ainy noho ireo “Jiosy niteny grika”. (Asan’ny apostoly 9:29, MN.) Na dia tao aza izany zavatra efa nitranga teo aloha izany, dia nanaraka an’io baiko io i Paoly, araka ny fotopoto-pitsipika nambarany ao amin’ny I Korintiana 9:20. Ny antony mahatonga mitovy anefa dia miteraka vokany mitovy. “Ny Jiosy avy tany [amin’ny provansa roman’i] Asia” dia niteraka tabatabam-bahoaka sy nitady hamono an’i Paoly. Tsy voavonjy io raha tsy nandray anjara haingana ireo miaramila romana (Asan’ny apostoly 21:26-32). Koa satria Kristy no niasa ho Filohan’ny kongregasiona, nahoana no nataony izay hankanesan’i Paoly tao amin’ny tempoly araka ny fiangavian’ny kolejy foibe?
17. Ahoana no nihariharian’io fanapahan-kevitra hafahafa io ho avy amin’ny fitondran’Andriamanitra, ary mampiseho inona izany?
17 Izay nitranga tamin’ny alina faharoa nanaraka ny nisamborana an’i Paoly dia manome ny valiny ho antsika. Nanome fanambarana tsara izy ho an’ny vahoaka izay nitady hamono azy, ary ny ampitso dia ho an’ny Synedriona (Asan’ny apostoly 22:1-21; 23:1-6). Tamin’ny faharoa, dia saika namoy aina izy. Tamin’io alina io anefa, dia niseho taminy i Jesosy ka nilaza hoe: “Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.” (Asan’ny apostoly 23:11). Tadidio ny asa telo sosona nokasain’i Jesosy hankinina tamin’i Paoly (Asan’ny apostoly 9:15). Nitondra ny anaran’i Kristy tany amin’ny “jentilisa” sy teo amin’ny “Zanak’Isiraely” i Paoly, nefa tonga ny fotoana hanaovany fanambarana teo anatrehan’ireo “mpanjaka”. Noho io fanapahan-kevitry ny kolejy foibe io, dia azon’i Paoly natao ny nanao fanambarana tamin’i Feliksa sy Festosy mpitsara romana, sy tamin’i Heroda Agripa II mpanjaka ary, farany, tamin’i Néron emperora (Asan’ny apostoly, toko faha-24 ka hatramin’ny faha-26; 27:24). Iza no afaka nanampo fa hoe teo amin’ireny fisehoan-javatra ireny ny tanan’i Kristy? Mbola manao asa fitarihana ny kongregasionany ihany Kristy
18. Inona moa no nambaran’i Jesosy Kristy talohan’ny hiakarany ho any an-danitra?
18 Talohan’ny handaozana ireo mpianany sy hiakarana hipetraka eo ankavanan’ny Rainy, dia izao no nambaran’i Jesosy Kristy: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao [fifaranan’ny fandehan-javatra, MN ].” — Matio 28:18-20.
19. Ahoana no nampiasan’i Kristy ny fahefana nomen’Andriamanitra azy tamin’ny taonjato voalohany, ary inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
19 Ny bokin’ny Asan’ny apostoly, izay milaza ny tantaran’ireo taona voalohandohan’ny kristianisma, dia mampiseho tsy misy mampisalasala fa nampiasa ny fahefany izy mba hanaovana asa fitarihana ny kongregasionany eto an-tany. Izany no nataony tamin’ny alalan’ny fanahy masina, ny anjely ary ny kolejy foibe voaforon’ny apostoly roa ambin’ny folo sy loholona anisan’ny kongregasiona tany Jerosalema. Nambaran’i Jesosy fa hiaraka amin’ireo mpianany izy mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny fandehan-javatra, dia fotoana iainantsika. Ho hitantsika, ao amin’ny lahatsoratra manaraka, fa mbola Filohan’ny kongregasiona kristiana miasa ihany izy ary hodinihintsika ny fomba itarihany ireo ‘ondriny’ amin’izao andro izao.
Hevitra tokony hotadidiana
◻ Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy manaiky olona na iza na iza ho mpitondra azy?
◻ Ahoana moa no nampiasan’i Kristy ny fanahy masina mba hitarihana ny kongregasiona kristiana voalohany?
◻ Ahoana moa no nampiasan’i Kristy anjely mba hitarihana ireo kristiana tamin’ny taonjato I?
◻ Ahoana moa no nataon’i Kristy mba hitondrana ny kongregasionany teto an-tany tamin’ny alalan’ny kolejy foibe hita maso iray?
◻ Ahoana moa indraindray no nitarihan’ny tenan’i Kristy mihitsy ny fisehoan-javatra?
[Sarintany, pejy 12]
(Jereo ny gazety)
Dia misionera faharoa nataon’i Paoly
Antiokia
Seleokia
SILISIA
Tarsosy
Derbe
KAPADOKIA
PAMFILIA
GALATIA
Lystra
Ikonioma
Antiokia
LYSIA
AZIA
BITYNIA SY PONTO
Troasy
MAKEDONIA
Filipy
Tesalonika
[Sary, pejy 10]
Nitarika ny kongregasionany tamin’ny alalan’ny kolejy foibe hita maso iray koa Kristy.