-
“Manàna Herim-po!”‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
-
-
10. Inona no heloka lehibe niampangana an’i Paoly?
10 ‘Nambenana tao amin’ny amin’ny lapan’i Heroda’ i Paoly tao Kaisaria, teo am-piandrasana an’ireo mpiampanga azy avy tany Jerosalema. (Asa. 23:35) Rehefa afaka dimy andro, dia tonga i Ananiasy Mpisoronabe sy Tertylo mpisolovava, ary ny anti-panahy maromaro. Nandokadoka an’i Feliksa sy nila sitraka taminy aloha i Tertylo, ka nidera azy noho ny zava-bitany ho an’ny Jiosy.b Niditra tamin’ny tena resaka i Tertylo avy eo, ka izao no nolazainy momba an’i Paoly: “Mpanakorontana io lehilahy io, ary ampirisihiny hikomy amin’ny fanjakana ny Jiosy rehetra manerana ny tany onenana, ary izy no mitarika an’ilay sektan’ny Nazareanina. Nitady hanazimbazimba ny tempoly koa izy ka nosamborinay.” Ny Jiosy koa “niampanga azy ... ka nanizingizina fa marina daholo izany.” (Asa. 24:5, 6, 9) Heloka lehibe mety hanamelohana azy ho faty no niampangana an’i Paoly. Ireto avy izany: Nampirisika olona hikomy tamin’ny fanjakana, nitarika sekta mampidi-doza, ary nanazimbazimba tempoly.
-
-
“Manàna Herim-po!”‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
-
-
b Nisaoran’i Tertylo i Feliksa, noho izy ‘nampilamina tsara’ ny firenena. Nikorontana kokoa anefa ny tao Jodia tamin’ny fotoana naha governora an’i Feliksa, tsy toy ny tamin’ny andro nitondran’ireo governora teo alohany, sy mandra-pahatongan’ny fotoana nikomian’ny Jiosy tamin’i Roma. Lainga koa ilay hoe ‘tena nankasitraka be dia be’ ny fanavaozana nataon’i Feliksa ny Jiosy . Tsy tia maizina an’i Feliksa aza ny ankamaroan’ny Jiosy. Nampitondra faisana azy ireo mantsy izy ary nahery setra koa tamin’izy nandrava ny fikomian’izy ireo.—Asa. 24:2, 3.
-