-
SektaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
SEKTA
Hairesis no teny grika nadika hoe “sekta.” Midika hoe “safidy” izy io (Le 22:18, LXX), na “izay voafidy”, na “antokon’olona nisaraka tamin’ny hafa ary manana ny fampianarany manokana [sekta na antoko].” (Diksioneran’ny Testamenta Vaovao Grika-Anglisy, nataon’i Thayer, 1889, p. 16) Nampiasaina ny teny hoe “sekta” mba hilazana ny mpanaraka an’ireo sampana roa lehibe tao amin’ny Fivavahana Jiosy, izany hoe ny Fariseo sy ny Sadoseo. (As 5:17; 15:5; 26:5) Nantsoin’ny tsy Kristianina hoe “sekta” na “sektan’ny Nazareanina” ny Fivavahana Kristianina, satria angamba noheveriny fa niendaka tamin’ny Fivavahana Jiosy.—As 24:5, 14; 28:22.
-
-
Fitaomana Olona HikomyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Heloka mahafaty teo ambanin’ny lalàna romanina ny nitaona olona hikomy, na ny nandrisika olona hirotaka na nandray anjara tamin’izany. Nampitandrina an’ireo mpirotaka tany Efesosy àry ny ben’ny tanàna hoe: “Raha izay niseho androany izay ... dia tena mety hampangaina ho mampirisika olona hikomy amin’ny fanjakana isika. Ary tsy misy antony mamela antsika hanao izao savorovoro izao.” (As 19:40) Niampanga an’i Paoly teo anatrehan’i Feliksa governora romanina i Tertylo hoe: “Ampirisihiny hikomy amin’ny fanjakana ny Jiosy rehetra.” Tena ratsy izany, satria mety ho novonoina ho faty i Paoly raha marina izany fiampangana izany.—As 24:5.
-