-
“Handahatra eo Anatrehan’i Kaisara Aho”Ny Tilikambo Fiambenana—2001 | 15 Desambra
-
-
Niampanga an’i Paoly teo anatrehan’i Feliksa i Ananiasy Mpisoronabe sy ny anti-panahy jiosy ary i Tertylo, satria “tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra”, hono, izy. Nolazain’izy ireo fa mpitarika “ilay antoko atao hoe Nazarena” izy ary nitady handoto ny tempoly.—Asan’ny Apostoly 24:1-6.

Nihevitra ny Jiosy fa tsy nampianatra ny fivavahana jiosy, na fivavahana ara-dalàna (religio licita) i Paoly. Noheverin’izy ireo kosa fa tsy ara-dalàna ny fampianarany sady nitarika ny olona hanongam-panjakana.
Nolazain’izy ireo koa fa “mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny” i Paoly. (Asan’ny Apostoly 24:5) Vao avy niampanga Jiosy avy tany Aleksandria i Klaodio, satria “nanakorontana an’izao tontolo izao izy ireo.” Tena nitovy tamin’izany ny nanjo an’i Paoly. “Fiampangana Jiosy iray nandritra ny fitondran’i Klaodio, na nandritra ireo taona voalohany nanapahan’i Néron indrindra ilay izy”, hoy i A. Sherwin-White, mpahay tantara. “Niezaka nandresy lahatra ny governora ny Jiosy, mba hiheverany fa manakorontana ny Jiosy eran’i Roma ny fitorian’i Paoly. Navadiny ho ara-politika ilay fiampangana ara-pivavahana, satria fantany fa tsy hanameloka mihitsy ny governora, raha lafiny fivavahana fotsiny no iampangana olona iray.”
-