TROFIMO
(Trôfimo) [Manome Sakafo].
Kristianina hafa firenena avy ao Efesosy, niara-niasa tamin’ny apostoly Paoly. (As 21:29) Lasa Kristianina izy, fony i Paoly nijanona elaela tao Efesosy, angamba tamin’ny diany misionera fahatelo. Niara-dia tamin-dry Paoly izy, tamin’izy io niverina namakivaky an’i Makedonia ho any Azia Minora sy ho any Jerosalema. (As 20:3-5, 17, 22) Hitan’ny Jiosy niaraka tamin’i Trofimo i Paoly tao Jerosalema. Nihevitra àry izy ireo fa anisan’ireo nentiny tao an-tempoly, nihoatra ny Tokotanin’ny Hafa Firenena, koa i Trofimo, ka nandoto ny tempoly. Nirotahan’izy ireo àry i Paoly. (As 21:26-30; 24:6) Niara-dia tamin’i Paoly indray i Trofimo, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, rehefa avy nigadra voalohany ilay apostoly. Narary anefa i Trofimo tao Mileto, akaikin’ny tanànany, ka tsy afaka nanohy ilay dia.—2Ti 4:20.