-
Fantatrao Ve?Ny Tilikambo Fiambenana—2010 | 1 Martsa
-
-
Iza ireo lehilahy “mpitan-tsabatra” resahina ao amin’ilay tantara momba ny nisamboran’ny Romanina an’i Paoly?
▪ Tantarain’ny Asan’ny Apostoly fa nosamborin’ny mpitari-tafika romanina ny apostoly Paoly, nandritra an’ilay savorovoro tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Noheveriny mantsy fa mpitarika an’ireo “efatra arivo lahy mpitan-tsabatra” i Paoly. (Asan’ny Apostoly 21:30-38) Inona no fantatsika momba ireo mpitan-tsabatra ireo?
Avy amin’ny teny latinina hoe sicarii, izay midika hoe “mpampiasa sica” na sabatra, ilay teny grika nadika hoe “mpitan-tsabatra.” Milaza i Flavius Josèphe, mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany, fa antokona Jiosy tia tanindrazana ny Sicarii, ary nafana fo tafahoatra. Mpamono olona kalazalahy izy ireo ary nanohitra ny Romanina foana.
Tantarain’i Josèphe fa “namono olona teo afovoan-tanàna, tamin’ny andro antoandro”, ny Sicarii. “Mandritra ny fety no tena fanaovany izany. Niharoharo tao anaty vahoaka izy ireo, ary notsatohany tamin’ny sabatra nafeniny tany anaty akanjony ny fahavalony.” Mba tsy hahatratrarana azy, dia mody tezitra izy rehefa maty ilay olona nasiany. Nilaza koa i Josèphe fa ny Sicarii no tena nitarika ny fikomian’ny Jiosy tamin’ny Romanina, tamin’ny taona 66-70. Natahotra àry ilay mpitari-tafika romanina tamin’izy nisambotra an’ilay noheverina ho mpitarika olona toy izany.
-
-
Fantatrao Ve?Ny Tilikambo Fiambenana—2010 | 1 Martsa
-
-
[Sary, pejy 15]
Sarina lehilahy mitan-tsabatra
-