SERANANA KANTO
Seranana voalaza fa ilay helodranomasina eo amin’ny morontsiraka atsimon’i Kreta, eo akaikin’ny tanànan’i Lasea. Tsy miova ny anarany amin’ny teny grika fa mbola hoe Kaloi Limniones. (As 27:7, 8) Tokotokony ho 8 km any atsinanan’ny Tanjona Matala (Akra Lithinon), eo amin’ny tendrony atsimo indrindra amin’i Kreta, no misy an’io helodranomasina io.
Anisan’ireo voafonja nandeha sambo hankany Roma ny apostoly Paoly (t. taona 58). Nandalo an’i Kinido ilay sambo rehefa avy niala tao Myra (teo amin’ny morontsiraka atsimon’i Azia Minora). Tany avaratr’i Kreta ny lalana nanitsy indrindra avy tany Kinido nankany Roma. Toa notoherin’ny rivotra avy tany avaratrandrefana anefa ilay sambo, ka voatery nianatsimo rehefa niala tao Kinido hankany Kreta. Nanaraka ny morony tsy azon-drivotra tany atsimon’ilay nosy ilay sambo, ary sahirana vao tonga tao amin’ny Seranana Kanto tamin’ny farany.—As 27:5-8.
“Efa lasa be ny fotoana”, rehefa nikasa hiala tao amin’ny Seranana Kanto izy ireo. Niandriandry ny rivotra mba ho tony angamba izy ireo, na niadana sy nanahirana ilay dia. Lasa nampidi-doza anefa ny nandeha sambo tamin’izay, satria efa dila ny fotoana fifadian-kanina amin’ny Andro Fandrakofam-pahotana (faramparan’ny Septambra na voalohandohan’ny Oktobra).—As 27:9.
Efa nahita loza matetika teny an-dranomasina i Paoly, satria intelo izy, fara fahakeliny, no vaky sambo. (2Ko 11:25, 26) Nanoro hevitra ny hijanonana tao amin’ny Seranana Kanto mandritra ny ririnina àry izy. (Tsy voalaza raha avy tamin’Andriamanitra na tsia io hevitra io.) Ny tenin’ilay mpitondra sambo sy ny tompon-tsambo anefa no narahin’ilay manamboninahitra. “Tsy tsara ijanonana” amin’ny ririnina ilay seranana, ka nanoro hevitra ny hialana tao ny ankamaroan’ny olona. Nampanarahin’ireo tantsambo ny morontsiraka ilay sambo mba ho tonga hatrany Foiniksa, lavidavitra kokoa. Nitsoka nalefaka ny rivotra avy any atsimo, ka voafitaka izy ireo. Tsy ela mantsy dia namely an’ilay sambo ny rivo-mahery ka rendrika izy io teo amin’ny morontsirak’i Malta, tokotokony ho 900 km tany andrefana.—As 27:9-15, 39-41; 28:1.
Hoy i James Smith momba an’io fitantarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly io: “Mahaliana fa manamafy ny fahamarinan’ilay fitantarana ny zava-baovao rehetra fantatsika momba an’ilay toerana nisehoan’ilay zava-nitranga. Hita tamin’ny fikarohana nataon’Atoa Brown sy ny fanadihadiana natao tatỳ aoriana fa voaro tsara ny Seranana Kanto noho ireo nosy manodidina. Marina fa tsy nitovy tamin’i Lutro [izay heverina ho i Foiniksa] ny Seranana Kanto, nefa azo natao tsara ny nijanona tao tamin’ny ririnina. Hita koa fa mahagaga ny torohevitra nomen’ilay kapiteny sy ilay tompon-tsambo satria mitranga tampoka sy matetika ary mahery ireo tafio-drivotra avy any avaratra ka raha misy sambo avy any amin’ny Seranana Kanto mankany Lutro, dia tsy maintsy ho lasan’ny ranomasina ilay sambo. Hita ihany koa hoe mitombina ny zavatra fantatr’i Md. Paoly momba ny sambo sy ny ranomasina rehefa jerena ny toroheviny.”—Ny Dia Nataon’i Md. Paoly sy Ilay Sambo Rendrika, Londres, 1866, p. 85, f.a.p.